< Еремия 3 >

1 Казват: Ако напусне някой жена си, И тя като си отиде от него, се омъжи за друг мъж, Ще се върне ли той пак при нея? Не би ли се осквернила съвсем такава земя? А при все че ти си блудствувала с много любовници, Пак върни се към Мене, казва Господ.
Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin’ olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
2 Подигни очите си към голите височини, Та виж где не са блудствували с тебе. По пътищата си седяла за тях Както арабин в пустинята, И осквернила си земята С блудството си и със злодеянията си.
Andrandrao amin’ ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian’ olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
3 По тая причина дъждовете бяха задържани, Та не валя пролетен дъжд; Но все пак ти имаше чело на блудница, Та си отказала да се срамуваш.
Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin’ ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.
4 Не щеш ли да викаш от сега към Мене: Отче мой, Ти си наставник на младостта ми?
Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin’ izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?
5 Ще държи ли Той гнева си за винаги? Ще го пази ли до край? Ето, така си говорила, но си вършила злодеяния колкото си могла.
Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin’ ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.
6 Пак в дните на цар Иосия Господ ми рече: Видя ли ти що стори отстъпницата Израил? Тя отиде на всяка висока планина и под всяко зелено дърво, та блудствува там.
Ary hoy Jehovah tamiko tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon’ Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
7 И рекох: Като направи всичко това, тя ще се върне при Мене; но тя не се върна. И сестра й, невярната Юда, видя това.
Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
8 И видях, когато отстъпницата Израил прелюбодействува, и Аз по тая именно причина я напуснах и дадох й разводно писмо, че сестра и, невярната Юда, пак се уплаши, но отиде и тя та блудствува.
Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
9 И с невъздържания си блуд тя оскверни земята, и прелюбодействува с камъните и дърветата.
Ary tamin’ ny fihorakorahan’ ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin’ ny vato sy ny hazo izy.
10 А при всичко това сестра й, невярната Юда, не се върна при Мене от цялото си сърце, но с притворство, казва Господ.
Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin’ ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
11 И Господ ми рече: Отстъпницата Израил се показа по-праведна от невярната Юда.
Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
12 Иди та прогласи тия думи към север, като речеш: Върни се, отстъпнице Израил, казва Господ; Аз няма да направя да ви нападне гневът Ми; Защото съм милостив, казва Господ, И не ще пазя гняв за винаги.
Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
13 Само признай беззаконието си, Че си станала престъпница против Господа своя Бог, И безогледно си отивала при чужденците Под всяко зелено дърво, И че не сте послушали гласа Ми, казва Господ.
Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin’ i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin’ ny hafa ianao. Teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
14 Върнете се, чада отстъпници, казва Господ. Защото Аз съм ви съпруг; И ще ви взема - един от град, а двама от род И ще ви въведа в Сион!
Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;
15 И ще ви дам пастири по Моето сърце, Които ще ви пасат със знание и разум.
Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin’ ny fahalalana sy ny fahendrena.
16 И в ония дни, казва Господ, Когато се умножите и нарастете на земята, Няма вече да се изразяват: Ковчега на завета Господен! Нито ще им дойде на ум, Нито ще си спомнят за него, нито ще го посетят, Нито ще се направи вече това.
Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ ny tany ianareo, dia amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.
17 В онова време ще нарекат Ерусалим престол Господен; И всичките народи ще се съберат при него в името Господно, в Ерусалим. Нито ще ходят вече според упоритостта на злото си сърце.
Amin’ izany andro izany no hanononana an’ i Jerosalema hoe Seza fiandrianan’ i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran’ i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
18 В ония дни Юдовият дом ще ходи с Израилевия дом, И те ще дойдат заедно от северната страна В земята, която дадох за наследство на бащите ви;
Amin’ izany andro izany ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin’ ny tany avaratra izy ho any amin’ ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
19 И Аз си рекох как щях да те поставя между чадата, И щях да ти дам желана земя, Преславно наследство от народите. Още рекох: Ти ще Ме назовеш - Отец мой, И няма да се отвърнеш от да Ме следваш.
Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin’ ny fanarahana Ahy.
20 Наистина, както жена изневерява на мъжа си, Така и вие изневерихте на Мене, Доме Израилев, казва Господ.
Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah.
21 По голите височини се чува глас, Плачът и молбите на израилтяните; Защото извратиха пътя си, Забравиха Господа своя Бог.
Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan’ ny Zanak’ Isiraely; Fa nivilivily tamin’ ny nalehany izy ary nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny.
22 Върнете се, чада отстъпници, И Аз ще изцеля отстъпничествата ви. Ето, ние идем към Тебе, Защото Ти си Господ нашият Бог.
Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.
23 Наистина празна е очакваната от хълмовете помощ, От шумната тълпа по планините; Само в Господа нашия Бог е избавлението на Израиля.
Foana tokoa ny horakoraka any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin’ i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.
24 Но онова срамотно нещо е поглъщало труда на бащите ни още от младостта ни, - Стадата им и чердите им, Синовете им и и дъщерите им.
Fa lanin’ ilay mampahamenatra hatramin’ ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ ny razanay, dia ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.
25 Да легнем в срама си, И да ни покрие нашето посрамление; Защото сме съгрешавали на Господа нашия Бог, Ние и бащите ни, От младостта си дори до днес, И не сме слушали гласа на Господа нашия Бог.
Aoka handry ao amin’ ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’ i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin’ ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.

< Еремия 3 >