< Евреи 11 >

1 А вярата е даване твърда увереност в ония неща, за които се надяваме,
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
2 Защото поради нея за старовременните добре се свидетелствуваше.
Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
3 С вяра разбираме, че световете са били създадени с Божието слово, тъй щото видимото не стана от видими неща. (aiōn g165)
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’ Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. (aiōn g165)
4 С вяра Авел принесе Богу жертва по-добра от Каиновата, чрез която за него се засвидетелствува, че е праведен, понеже Бог свидетелствува за даровете му; и чрез тая вяра той и след смъртта си още говори.
Finoana no nanateran’ i Abela ho an’ Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’ i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ ny fanatitra nataony: ary amin’ izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
5 С вяра Енох бе преселен, за да не види смърт, и не се намираше, защото Бог го пресели; понеже преди неговото преселване беше засвидетелствувано за него, че е бил угоден на Бога.
Finoana no namindrana an’ i Enoka tsy hiharan’ ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’ Andriamanitra; fa talohan’ ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’ Andriamanitra izy.
6 А без вяра не е възможно да се угоди Богу, защото който дохожда при Бога трябва да вярва, че има Бог, и че Той възнаграждава тия, които го търсят.
Fa raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
7 С вяра Ное, предупреден от Бога за неща, които още не се виждаха, подбуден от страхопочитание, направи ковчег за спасение на дома си; чрез която вяра той осъди света и стана наследник на правдата, която е чрез вяра.
Finoana no nanamboaran’ i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra ny amin’ ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
8 С вяра Авраам послуша, когато бе повикан да излезе и да отиде на едно място, което щеше да получи в наследство, и излезе без да знае къде отива.
Finoana no naneken’ i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’ izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
9 С вяра се засели в обещаната земя като в чужда, и живееше в шатри, както и Исаак и Яков, наследниците заедно с него на същото обещание.
Finoana no nivahiniany tany amin’ ny tany nolazain’ ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’ olona, mitoetra an-day, mbamin’ isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
10 Защото очакваше града, който има вечни основи, на който архитект и строител е Бог.
fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
11 С вяра и сама Сара доби сила да зачене в преминала възраст, понеже счете за верен Този, Който се бе обещал.
Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan’ anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
12 Затова само от един човек, и той замъртвял, се народи множество, колкото небесните звезди и като крайморския пясък, който не може да се изброи.
Koa dia avy tamin’ ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian’ ny maro toy ny kintana eny amin’ ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
13 Всички тия умряха във вяра, тъй като не бяха получили изпълнението на обещанията; но ги видяха и поздравиха отдалеч, като изповядаха, че са чужденци и пришелци на земята.
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ ny tany izy.
14 А ония, които говорят така, явно показват, че търсят свое отечество;
Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
15 и ако наистина, така говорейки, са имали в ума си онова отечество, от което бяха излезли, намерили биха случай да се върнат.
Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
16 Но на дело желаят едно по-добро отечество, сиреч, небесното; затова Бог не се срамува от тях да се нарече техен Бог, защото им е приготвил град.
Fa amin’ izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ ireo Izy.
17 С вяра Авраам, когато го изпитваше Бог, принесе Исаака жертва, да! оня, който беше получил обещанията принасяше единородния си син,
Finoana no nanateran i Abrahama an’ isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin’ ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
18 оня, комуто беше казано: " По Исаака ще се наименува твоето потомство".
dia ilay nilazana hoe: “Avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao”.
19 като разсъди, че Бог може да възкресява и от мъртвите,
Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’ izany no nandraisany azy.
20 С вяра Исаак благослови, Якова и Исава даже за бъдещите неща.
Finoana no nitsofan’ isaka rano an’ i Jakoba sy Esao ny amin’ ny zavatra ho avy.
21 С вяра Яков, на умиране, благослови всекиго от Йосифовите синове и поклони се Богу подпирайки се върху края на тоягата си.
Finoana no nitsofan’ i Jakoba rano ny zanak’ i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin’ ny lohan’ ny tehiny.
22 С вяра Йосиф, на умиране, спомена за излизането на израилтяните и даде поръчка за костите си.
Finoana no nilazan’ i Josefa ny fialan’ ny Zanak’ isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ ny taolany.
23 С вяра, когато се роди Моисей, родителите му го криха три месеца, защото видяха, че бе красиво дете; и не се боеха от царската заповед,
Finoana no nanafenan’ ny ray aman-drenin’ i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin’ ny mpanjaka.
24 С вяра Моисей, като стана на възраст, се отказа да се нарича син на фараоновата дъщеря
Finoana no nandavan’ i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’ i Farao, rehefa lehibe izy, ―
25 и предпочете да страда с Божиите люде, а не да се наслаждава за кратко време на греха,
nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ ny olon’ Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ ny fahotana,
26 като разсъди, че укорът за Христа е по-голямо богатство от египетските съкровища; защото гледаше на бъдещата награда.
nanao ny fanaratsiana an’ i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’ i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
27 С вяра напустна Египет, без да се бои от царския гняв; защото издържа, като един, който вижда Невидимия.
Finoana no nandaovany an’ i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
28 С вяра установи пасхата и поръсването с кръвта, за да се не допре до тях този, които погубваше първородните.
Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa.
29 С вяра израилтяните минаха през Червеното море като по сухо, на което като се опитаха и египтяните, издавиха се.
Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
30 Чрез вяра ерихонските стени паднаха след седмодневно обикаляне около тях.
Finoana no nampirodana ny màndan’ i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
31 С вяра Раав блудницата не погина заедно с непокорните, като прие съгледателите с мир.
Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin’ ny fihavanana izy.
32 И какво повече да кажа? Защото не ще ми стигне време да приказвам за Гедеона, Варака, Самсона и Иефтае, за Давида още и Самуила и пророците;
Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’ i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
33 които с вяра побеждаваха царства, раздаваха правда, получаваха обещания, затуляха устата на лъвове,
izay nandresy fanjakana tamin’ ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ ny liona,
34 угасваха силата на огъня, избягваха острото на ножа, оздравяха от болести, ставаха силни във война, обръщаха в бяг чужди войски.
namono ny fidedadedan’ afo, afaka tamin’ ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ ny firenena hafa.
35 Жени приемаха мъртвите си възкресени; а други бяха мъчени, защото, за да получат по-добро възкресение, те не приемаха да бъдат избавени.
Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
36 Други пък изпитваха присмехи и бичувания, а още и окови и тъмници;
ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
37 с камъни биваха убити, с трион претрити, с мъки мъчени; умираха заклани с нож, скитаха се в овчи и кози кожи и търпяха лишение, бедствия и страдания;
notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr’ ondry sy hoditr’ osy; efa lao, ory, fadiranovana
38 те, за които светът не беше достоен, се скитаха по пустините и планините, по пещерите и рововете на земята,
(nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an’ tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
39 Но всички тия, ако и да бяха засвидетелствувани чрез вярата им, пак не получиха изпълнението на обещанието,
Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,
40 да не би да постигнат в съвършенство без нас; защото за нас Бог промисли нещо по-добро.
fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.

< Евреи 11 >