< 1 Коринтяни 11 >
1 Бивайте подражатели на мене, както съм и аз на Христа.
Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’ i Kristy.
2 А похвалявам ви, че ме помните за всичко, като държите преданията тъй, както ви ги предадох.
Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin’ ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
3 Но желая да знаете, че глава на всеки мъж е Христос, а глава на жената е мъжът, глава пък на Христа е Бог.
Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’ i Kristy.
4 Всеки мъж, който се моли или пророкува с покрита глава, засрамва главата си.
Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
5 А всяка жена, която се моли или пророкува гологлава, засрамва главата си, защото това е едно и също, като да е с бръсната глава.
Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
6 Защото, която жена се не покрива, нека остриже и косата си. Но ако е срамотно за жена да си стриже косата, или да си бръсне главата, то нека се покрива.
Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
7 Защото мъжът не трябва да си покрива си покрива главата, понеже е образ и слава на Бога; а жената е слава на мъжа.
Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’ Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
8 (Защото мъжът не е от жената, а жената е от мъжа;
Fa tsy ny vehivavy no nihavian’ ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian’ ny vehivavy.
9 понеже, мъжът не бе създаден за жената, а жената за мъжа).
Fa tsy ny lehilahy no natao ho an’ ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an’ ny lehilahy.
10 Затова жената е длъжна да има на главата си белег на власт, заради ангелите.
Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin’ ny anjely.
11 (Обаче, нито жената е без мъжа, нита мъжът без жената, в Господа;
Kanefa ao amin’ ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.
12 защото, както жената е от мъжа, така и мъжът е чрез жената; а всичко е от Бога).
Fa toy ny nihavian’ ny vehivavy avy tamin’ ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian’ ny lehilahy avy tamin’ ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian’ ny zavatra rehetra.
13 Сами в себе си съдете: Прилично ли е, жената да се моли Богу гологлава?
Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin’ Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?
14 Не учи ли и самото естество, че, ако мъж оставя косата си да расте, това е позор за него,
Tsy mampianatra anareo va izao fomban’ ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?
15 но, ако жена оставя косата си да расте, това е слава за нея, защото косата й е дадена за покривало?
Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.
16 Но, ако някой мисли да се препира за това,
Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan’ Andriamanitra.
17 А като ви заръчвам следното, не ви похвалявам, защото се събирате, не за по-добро, но за по-лошо.
Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy.
18 Защото, първо, слушам, че когато се събирате в църква, ставали разделения помежду ви; (и отчасти вярвам това;
Fa voalohany indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.
19 защото е нужно да има и разцепление между вас, за да се яви, кои са удобрените помежду ви);
Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
20 прочее, когато така се събирате заедно, не е възможно да ядете Господната вечеря;
Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan’ ny Tompo akory.
21 защото на яденето всеки бърза да вземе своята вечеря преди другиго; и така един остава гладен, а друг се напива.
Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo.
22 Що! къщи ли нямате, гдето да ядете и пиете? Или презирате Божията църква и посрамяте тия, които нямат нищо? Що да ви кажа? Да ви похваля ли за това? Не ви похвалявам.
Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan’ Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin’ izany aho.
23 Защото аз от Господа приех това, което ви и предадох, че Господ Исус през нощта, когато беше предаден, взе хляб,
Fa izaho efa nandray tamin’ ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’ iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
24 и, като благодари, разчупи и рече: Това е Моето Тяло, което е [разчупено] за вас; туй правете за Мое възпоменание.
ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
25 Така взе и чашата след вечерята и рече: Тая чаша е новият завет в Моята кръв; това правете всеки път, когато пиете, за Мое възпоменание.
Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.
26 Защото всеки път, когато ядете тоя хляб и пиете [тая] чаша, възвестявате смъртта на Господа, докле дойде Той.
Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.
27 Затова, който яде хляба или пие Господната чаша недостойно, ще бъде виновен за грях против тялото и кръвта на Господа.
Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo amin’ ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ ny tena sy ny ran’ ny Tompo izy.
28 Но да изпитва човек себе си, и така да от хляба и да пие от чашата;
Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ ny kapoaka.
29 защото, който яде и пие без да разпознава Господното тяло, той яде и пие осъждане на себе си.
Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.
30 По тая причина мнозина между вас са слаби и болнави, а доста и са починали.
Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.
31 Но, ако разпознавахме сами себе си, не щяхме да бъдем съдени заедно със света.
Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.
32 А когато биваме съдени от Господа, с това се наказваме, за да не бъдем осъдени заедно със света.
Fa raha tsaraina isika, dia faizan’ ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin’ izao tontolo izao.
33 Затова, братя мои, когато се събирате да ядете, чакайте се един друг.
Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa.
34 Ако някой е гладен, нека яде у дома си, за да не бъде събирането ви за осъждане. А за останалите работи, ще ги наредя, когато дойда.
Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.