< Titus 1 >
1 Bulus Ivre koh Irji u toh du Yesu Almasihu ni chuidi bi Irji ni toh njanjaji.
Paoly, mpanompon’ Andriamanitra sy Apostolin’ i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan’ ny olom-boafidin’ Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
2 Biyi ni ye suron ni drie u kakle wa ice na hei ni mi Irjina wa a hlah ni sen. (aiōnios )
amin’ ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’ Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola; (aiōnios )
3 Ni ton kima a tsoro itere ma ni to du ma wa mba ne dume dub mi ti wayi ni tre Irji u kpata chuwo.
fa tamin’ izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin’ ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
4 Hi ni Titus Ivren u njanji ni mi kpayemebu isi suron u ndedema u Irji iti Buachi bu Yesu.
ho an’ i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5 Ni tu kima me kawu do ni karita na kima u ka mla kpie ba ti ni ba wa bana Shuna chu be nikon ni gbu'a wawu'u na de me hla'u'a
Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;
6 Na ki du nikon du na he idi u memeti na. Lilo du he ni iwa riri da he ni imri be wo tre.
raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ ny ratsy na ho maditra.
7 A naki nikon u tra Irji du hi u ya tra ni ko ito rime du na ti kpi meme na du na he idi u sohda hwa na, u kpa bubu timeme da soh tuma.
Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’ Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
8 Na kima ka he idi u kpa be tsiri ni wo ha. ikpan ikpi dedema naki du he idi. dedema. u mla kpi ti ni klu sisiri Irji ni sonroma da he u vutuma.
fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masìna, mahonom-po,
9 Du he u hla tre wa ba towu do'a da na hla ice ni mina. Nakima a ni ya gron bari da tsro ba dedeme u mla ti.
mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
10 Naki idi be sehtu ba hay gbugbu be wa ba tre kukklu da ni guru idi ni ce tutu be wa ba tre ade ba ye jia.
Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ ny voafora ―
11 Abi du ba zuba mba bah itere Irji kwansra da ni tsoro mba ikpi u shan wa a na bi du ba tsoro ba na.
tsy maintsy hotampenam-bava ireo ― izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
12 Iri ni mi ba a hi u toh gyegyere a “tere “keme ni glu ingle bi cei, be memeti.
Hoy ny anankiray amin’ ireny, izay mpaminany teo aminy: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda”.
13 Itere a njanji mlati ni bawu ni gbegble wa ba gburu ni mi njaji.
Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ ny finoana,
14 Na ka sroun me wo holocholo u Yahudawa ni ibe mba wa mba kwab njaaji Sarah.
tsy mitandrina ny anganonganon’ ny Jiosy sy ny didin’ ny olona izay mivily miala amin’ ny fahamarinana.
15 Ye ni bi wa ba he tsratsra ko nge ni mba a hi tsratsra. i be wa bana he tsratsra na mba na he tsratsra na da he ni njaji na.
Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ ny olona madio; fa raha amin’ ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
16 Koge na he tsratsra na ni tu isroun mba ni i meren mba a hi hlotsu megi.
Manaiky fa mahalala an’ Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.