< Romawa 11 >

1 Mi tre ndi Rji kama ni ndji mu? Ani to bre tie to kima. Ime mi ndji u Israila, ih'bu Ibrahim u grji Banyomi.
Dia hoy izaho: Sao narian’ Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita’ taranak’ i Abrahama ihany, avy amin’ ny firenen’ i Benjamina.
2 Irji na kama ni ndji ma waa he ni guci toh mba na. Ka bi toh kpye a lan tre'a hla nitu Iliya, wa a nji (kara) Israila hi ni Rji'a?
Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain’ ny Soratra Masìna eo amin’ ny tantaran’ i Elia, dia ilay fitarainany tamin’ Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
3 A tre di Bachi, ba wu annabawa me, da zi koh me me, Ahi me ni kankrji mu mi don. Naki basi wa ba wuh me.
Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy?
4 Naki u Rji ka kasa u da tre gye? A tre di mi hei ni di dubu tagban wa mi zi ba nitu mu. Wa bana kudran ni Ba'al na.
Fa ahoana no navalin’ Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin’ i Bala.
5 Ko naki me ni toh i ibru bari ba he ni ndindi.
Dia toy izany koa amin’ izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin’ ny fahasoavana.
6 U ani taa ni zizi, wa'a ana la ni ndu na. Ani tana tokima, u zizi nala hi zizina.
Ary raha avy amin’ ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7 Wa hi ngye? Ikpye wa Israila ba wa bana fe na, u bi a ba chu ba'a ba fe, imbru ba ba sen tu.
Ahoana ary? Izay notadiavin’ ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon’ ny sisa;
8 Na ba han Rji no ba ibrji u meme wa bana toh shishi hei, aman bana toh na, iton hei aman bana wo na har ye ni vi kima.
araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany
9 Dauda a tre di du teburin ba du kam ti rjirji u vu labe, ba troko, du kam ti tita u kub za ni kpye u rju hla ni ba.
Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
10 Du shishi ba ti bwu duba na toh na, du gon ba ta dran chuchu.
Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy.
11 Mi tre ndu ba k'bu za da joku? Ndu kpye nakima la tie na. Nakima k'ma hi ni gon mba yi a ndu gbujbu ye ni bi ko hra ni ndu yo ba tie ngu.
Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ ny jentilisa mba hampialona azy.
12 Inde zizaa wa ba kam hi ni kogon, aji klen ye ni bi kora, ni hei kwatancin nikon ma ani hei, inde ba ye ni klekle?
Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’ izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren’ ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
13 Ziza'a mi si tre ni yi, biyi wa bi kora, naki ime i mi hiu ton du hi ni kora, misi wurwo ni mi du mu.
Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
14 Ani bi dume you mri yah bi hwu, duta kpa bari ba chuwo.
raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.
15 Inde kaba, ani ji shu tu bi ni gbugbulu in kpa ba ani hei ni hei? Ani kamti vri ni mi kwu?
Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ ny maty ny fandraisana azy?
16 U klo bi mumla bata bi mumu'uma wa ba nymo tie gble ma ni bi ngame. U inja kukron bata tsratsra me, ba ilan ma ba ba he tokima.
Ary koa, raha masìna ny santatra, dia masìna koa ny vongany; ary raha masìna ny fakany, dia masìna koa ny sampany.
17 U ilan bari u kukron bana nzi hlega, u biyi mba bina kukron Zaitun, wa ba fe nimi mba, u bina he ni gado bii ni ba, u bi ye ni mi nja zaitun a,
Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan’ ny menaky ny hazo oliva
18 to, bika na gangban ni tu lan ba na. Bita gangban, ana bi yi mba ti njinja na, wa hi nja'a mba nji yi.
dia aza mirehareha amin’ ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
19 U bi tre din “Ba nzi lan ba ni ndu ba fe me ni mima.
Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
20 Wa i a njanji, naki wa njanji ba na hei na, i ki sa i baka zi ba ni mi wo, bika kri gbagban ni mi njanji bi. Na ban tubi zan na ahei na, aman bika klu sissri.
Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
21 Naki inde Rji na don wo u njanji na, to ana don yi na.
fa raha ny tena sampana aza tsy navelan’ Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
22 Bika toh iri du bi tsanani u Rji. Niwo ri tsanani ni ye ni Yahudawa biwa ba joku. U ndindi u Rji ye ni yu'u, inde bi si zre nimi didima ba na zu yi na, aman inde bi kabi ba zu yi.
Koa indro ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin’ izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin’ Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
23 Nakima inde ba na guci ni mi njanji bana, ba vu ba sur ni mi kukron nakima Rji na iya la vu ba.
Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin’ ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon’ Andriamanitra atsofoka indray izy.
24 Inde ba chu u rhu nimi kokron zaitun mi ji, har wa bi du ba ka'u kabi nimi kukron zaitun u wu'u wo u njanji.
Fa raha notapahina tamin’ ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin’ ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin’ ny hazo oliva nanapahana azy.
25 Mri yah mi ni son du yi ji hei ni mi bwu na, game ni gbugbulu i du yi na hei ni toh ni mi mre bi, gbugbulu hi sen tu ni Israila, har bi korta ba ri ni me.
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ ny jentilisa;
26 Ahei naki Israila ba wawu bau ba gbujub, nadi ba han. Ni mi Sihiyona wa ani kpa chuwo ani rjhu. Ani wur iri hle ni mi Yakubu,
ary amin’ izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, ― araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’ i Jakoba Izy;
27 Wa i ni kam ti chunyu mu ni ba, na di mi wur mi wur lahtre ba hle ga.
Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho.
28 Ni nhma bari ni tu bishara, ba bi kran ni bi, nitu kon ri, ni tu chu u Rji ba bi son ni tu bati.
Raha ny amin’ ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ ny razana.
29 Na baye-baye ni you u Rji hana ya ka ba sran na.
Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’ Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30 Biyi me ni sen bina ta hu tre Rji na, naki ziza'a bi kpa didi nitu lahtre ba.
Fa tahaka anareo tsy nanaiky an’ Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken’ ireny no nahazoanareo famindram-po,
31 Ni koh kima Yahudawa biyi ba kam ti bi sen tu, ni tu didi wa ba tsro ta, baba me ba kpa didi ziza'a.
dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
32 Naki Rji ka ko ngham nitu sen tu, don du tsro didi ni ko nghan. (eleēsē g1653)
Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’ izy rehetra. (eleēsē g1653)
33 Ina misali juju ikle ni toh, ni toh iri u Rji. Hukunche-hukunche ma ba zan guci bichika, ikoh ma ba zan guci toh.
Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
34 Nakima, ahi nghan ni no Bachi i mre? a nghan ni ni tre?
Fa iza no nahalala ny sain’ i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?
35 Naki a nghan guci no Rji kpie du han wu?
Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
36 Rji ni wa wu i, ni wawu i, hi ni u ikpie ba wawu. Niko ahi u ma isei ka kle. Ami. (aiōn g165)
Fa Izy no nihavian’ izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. (aiōn g165)

< Romawa 11 >