< Matiyu 27 >

1 Wa' ble ye kpan ba firist bi ninkon ba ni bi ninkon u ndi ba ba' ka suron mu tie nkon u wuu.
Ary nony maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy.
2 Ba lowu, nda njiwu hi ka nno Bilatus gona.
Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an’ i Pilato governora.
3 U Yahuda wa a le ni wu'a toh ndi ba wuu Yesu, awa' (sran mre ma) nda nji idran shekel setra'a ye ni' bi ninkon firist ba ni bi ninkon ndji ba,
Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona
4 nda tre, “mi latre wa mi myren ndi wa ana tie latre naa” U ba tre, “Kima hi ngyeri tawu? To kpye wa u tie kime”
ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
5 A ka mrli dran ba ta hle ni mi hekali, nda rju hi ka ba don da ka klo kpame rjirji.
Ary nony natsipiny teo amin’ ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
6 Ninkon u firist ba vu mrli dran ba nda tre, “Ana he ni nkon u duu'a ndu wayi ri ni (wron) na niwa a hi nklen yi”
Ary ny lohan’ ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin’ ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
7 Baka tre ni kpamba nda ban nklen le rju u ri' wa baka ta rjuu bi tsri.
Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
8 Nitu kimayi ba yo wrji kii ndi, “Bubu yi” ye' luwayi.
Koa izany no anaovana ny anaran’ izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.
9 A ye tsra ni kpye wa Rimiya u Totsu'a tre din, “Ba vu dran setra ba inklen wa imrli Israila bayo ni tuma,
Ary tamin’ izany dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin’ ilay notombanana, dia ilay notombanan’ ny Zanak’ Isiraely,
10 nda nno ni tu bubu ri, nawa Baci a yo ba tie'a.
ka nomeny hamidy ny sahan’ ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah ahy.
11 Yesu a wlu ni shishi go naa, u gona kamye wu, “U chu Yahudawa?” Yesu a saa wu, “U hla me”
Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
12 U wa bi ninkon u firist ba ni bi ninkon ndji ba ba' nhawu, ana tre kpye na.
Ary raha nampangain’ ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
13 U Bilatus tre ni wu, “Una wo ikpyi ba wawu mbawu wa ba nhawu na?”
dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
14 U ana saa ikpye riri mena, waa a ndu gona (manji ma wakran).
Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
15 Ninton u gan'u Rugran bata ndu gona cu ri nimi bi he tro'a wa ndji ba kpa y'me a cuwo.
Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon’ ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an’ ny vahoaka, araka izay tiany.
16 Ninton kima, ba he ni indji ri ni tro wa a sentu'a u nde Barabas.
Ary tamin’ izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
17 Wa baye kpan shuki a, bilatus ka tre ni ba, “Ahi nha mba bi son ndu mi cu cuwo ni yiwu? Barabas, ka Yesu wa ba yo wu Kristi?
Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
18 A toh ndi ba vu Yesu nno wawu nitu wa ba tie shishi ma.
Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ireo Azy.
19 Wa arli son tu kwancima ucu'a iwa a tru (ton) yewu nda hla, “Rju ninkon ndji yi wa ana latre na. Mi tieya kpukpo me nicu luwa ni hra nituma”
Ary raha nipetraka teo amin’ ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin’ izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
20 Ni ntonyi firist bi ninkon ba ni bi ninkon indji ba, baka con j'bu ndji ba ndu ba cu Barabas cuwo na wuu Yesu.
Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’ i Barabasy ary hamono an’ i Jesosy.
21 Gona a mye ba “Ahi nha bi son mi cucuwo yi wu ni mi ndji ha bayi? Ba tre “Barabas”
Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin’ izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
22 Bitalus a tre ni ba “Mi tie he ni Yesu waba yo wu Kristi'a?” U ba saa wawu mbawu “Kpanwu ni gran nhama krukron”
Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy.
23 A tre “Nitu ngye, a tie nfye meme?” U ba saa wu wawumbawu ngbangbanme, kpanwu ni gran nh'ma kukron'a.
Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy!
24 Niwa Bilatus toh ndi wawu na toh tie kpyeri na u ndu tsi kana ye wluna a ban ma nglawoma ni shishi ndji ba ndatre, “Mi na he latre ni yi indji yi wa ana latre na” Tie kpye wa bi son”
Ary raha hitan’ i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin’ ny ran’ ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
25 U ndji ba wawuu baka tre “Ndu yima he ni tumbu ni mrli mbu”.
Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin’ ny zanakay.
26 Wa a cu Barabas cuwo bawu nda tsi Yesu ni gbungban nda kau nno mba kpahi kpan.
Ary dia nandefa an’ i Barabasy ho an’ ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin’ ny hazo fijaliana.
27 U ba soja u gona baka ban Yesu hi ni hra u bubu bla trea nda nji jbu soja ye kima.
Ary ny miaramilan’ ny governora dia nitondra an’ i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.
28 Ba siwu nda lo pli samba niwu.
Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
29 Ba tie roni ncon nda kason wu ni tu nda nno kpala ni worli ma. Ba kukhwu ngbarju nda cawu yaya nda tre “Ndu Rji ziwu ichu Yahudawa!”
Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!
30 Ba sru nten sruu nda ban kpalaa kpan wu mituma bru-bru.
Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
31 Wa ba cawu yayaa bacu plima rju nda sru kpyi ma niwu, nda nji wu hi kpan.
Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
32 Wa ba rju'a ba toh Bakurame u nde Sima nda vu ni ngbengblen nda ndu ban gran nhma kukron'a.
Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.
33 Ba ka ri ni bubu wa ba yo ndi Golgotta wa ahi “Bubu khwukhwu tu”.
Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
34 Banno ima enabi wa basru nha ni kpyeri wa a rii'. A la'toh nda kama ni so.
dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
35 Wa ba kpan wu a ba vu nklonma ni nra nda ga kpamba,
Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
36 nda ki si gbyen wu.
Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
37 Ni ko tuh ma ba yo kpye wa ba nhawu'a wa a, “Iwayi a Yesu, ichu Yahudawa”.
Ary napetany teo ambonin’ ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan’ ny Jiosy.
38 Ba kpan bi yi harli nha bi ni wu, iri ni korli ma, u rima ni wo ko ta ma.
Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
39 Bi zren zu ni ko kima ba hlo tre ni wu nda ta whu tu mba,
Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha
40 nda tre, “Iwu wa u na zi hekali ndi mewu ni vi tra, j'bu kpame! U'ta Vren Rji uka grji ni gran kukron ye meme”.
ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.
41 Firist bi ninkon ba ngame ba' caa yaya ni bi nha u ni bi ninkon ndji ba ndo tre,
Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
42 A kpa bari gbujbu wa ana gbujbu ni tu ma na. Ahi chu Israila. Ndu rji ni gran kukrona, u nikiyi kie kpaymeni wu.
Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
43 A' yo sron ni Rji Ndu Rji kpa juwo zizanyi Nda hi wawu yi tre “Mi VrenRji”
natoky an’ Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy: Zanak’ Andriamanitra Aho.
44 Bi ybi wa ba kpan ba ni wu ba tre to kima ngame. Ba mrewu.
Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana.
45 Rji ni wru nton u tanne ibwu kaye kasu meme a wawuu hi ni wru nton u tra u yalu.
Ary hatramin’ ny ora fahenina ka hatramin’ ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
46 Whiewhiere ni wru nton u tia, Yesu ka yra gro ngbangbani me nda tra, “Eli, Eli, lama sabaktani?” waa ahi, “Irji mu, Irji mu, u kame don ni ngye?”
Ary nony tokony ho tamin’ ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?
47 Wa bi k'rli ni kima ba wotoyi, baka tre “A si yo Iliya”
Ary ny sasany tamin’ izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an’ i Elia Ilehio.
48 Iri mba ka gbla tsutsu hi ka ban rlikpanma son ni ma enabi u tsi nton nda kason ni kpala nda nzu hi niwu ndu so.
Ary niaraka tamin’ izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy.
49 U mbru mba bakatre, “Donwume kie'toh ka Iliya niye kpau cuwo”
Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
50 U Yesu ala' yra gro ngbangban me ngarli nda ka vrli (brji) ma cuwo.
Ary rehefa niantso tamin’ ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
51 U pli wa ba yo hra kotu hekali'a ka y'ba yra ti ha rji tu'mu' grji ye ncima, u meme ka grju u tita ba ka yra tie nkan.
Ary, indro, ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
52 Ba' be' baka bwu' bi tsratsra wa bana khwu'a ba' tash'me.
ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ ny olona masìna izay efa nodi-mandry no natsangana,
53 Ba rju ni mi ba' be' mba wa ba ni wa atashme, nda ri ni mi gbu u tsratsra nda tsro tumba ni ndji gbugbuwu.
ka nivoaka avy tao amin’ ny fasana ireo taorian’ ny nitsanganan’ i Jesosy, dia nankao amin’ ny Tanàna Masìna ka niseho tamin’ ny maro.
54 Wa hafsan soja ni indji wa basi Yesu'a ba toh grju meme ni ba kpyi wa ba tie'a ba' ka tie sisri nda tre, “Njanjimu ana hi Vren Rji”
Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
55 Gbugbu mba wa bazihu Yesu rji ni Galili nda zowuu bana he ni kima nda si ya ni gbugban mu.
Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an’ i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
56 Ni mi mba ba'na Maryamu Magadaliya, Maryamu iyi Yesu mba Isuwu ni yi mrli Zabadi.
Isan’ ireny Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Jakoba sy Josesy, ary ny renin’ ny zanak’ i Zebedio.
57 Wa yalu tie'a indji ri u wo' wa a rji ni Armatiya, unde Isuwu, nda na Vren Koh Yesu.
Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr’ i Jesosy.
58 A hi ni Bilatus nda ka mye wu ikpa Yesu. U Bilatus ka ndu ba nno wuu.
Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy. Dia nasain’ i Pilato homena azy izany.
59 Isuwu a ban k'mo nyi ni pli wa arju'a,
Ary rehefa nalain’ i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
60 nda kau yo ni mi be' ma sisa wa ana tsen han mla tie a. A nyi kiekle tita hi nyu b e'a nda hi.
dia naleviny tao amin’ ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin’ ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy, dia lasa nandeha.
61 Maryamu Madagaliya mba Maryamu rima bana hi ki ma nda son ni shishi b e'a.
Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin’ ny fasana.
62 Ni vi u haa ivi u kogon vi u mla tie, bininkon ba firist ba ni ba Farisawa baka shubi ni Bilatus.
Ary nony ampitson’ ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin’ i Pilato ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo
63 Batre, “Tiekoh, kie taka ni nton wa u gyrundji mu a he ni sisren'a tre, “Vitra niti y'ba mi tashme”.
ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
64 Nitu kima (nno oda) yo ba ndu ba gben be'a tie vitra kieta na tie tokima na bi huwa (mrlikohma) ba ble ye y'bi-wu nda hlani ndji “A tashme” U gyru u klekle ani zan u mumla ni meme.
Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ ny olona hoe: Efa natsangana tamin’ ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
65 Bilatus a hla bawu, “vu bi gben. Gben ni ngbengblen mbi wa bi he wu'a”
Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.
66 U baka hi nda kagben hra b e'a nda hrawu ni tita nda sru bi gben.
Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.

< Matiyu 27 >