< Mark 9 >

1 a hla ni ba wu ndi janji mi hlahni yiwu ba ri ni minbi bana to iqu rhi nda to ye iko irji ni gbengle ma na
Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’ Andriamanitra tonga amin’ ny hery.
2 da vi tane a kle yesu a vu Bitrus mba yakubu u Yohanna nda ngrji ba ka hon ni khikle gblu ri ni nkle ba hama ni ko ni doir ni ba niki ikpama a kma sraro
Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’ i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
3 e nklon ma a kma zan kinkla rais zan ibluch wandi ba tindu ni wu da chu itsro wandi a centu ni mi ikpi wu gla
ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin’ ny tany mahafotsy toy izany.
4 ba kri toh Elijah mba Musa ni mi mba ba si tre ni yesu Bitrus lukri da
Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin’ i Jesosy.
5 kpanyem ni yesu rabbi ani bi du ta khi ki niwayi wu ta kpanyem wu ka duta sro ibru itra niayi iri wu me iri wu Musa e iri wu Elijah
Ary niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia.
6 shishi ma a fontsii nda du lu tre to ki
Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
7 ikpa lu a lu kri kaba pyenpeme e ba lu wo lantre ni mi kpaa an di
Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
8 uwayi hi vren wu sron mu wo tre ma yi ba kma ya bana la to ndior na sai yesu
Ary niaraka tamin’ izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
9 ni andi ba kma si grjhi rjhi ni tu gblua a mhmba du ba na hla ni ndoir ikpi wandi ba to ni tu ngblua na sei vren ndi ta shimen ni qu
Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’ olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty.
10 ba kpa tre a grji sron da ki tre ndi tashen yi ni qu a gye?
Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin’ izay hevitr’ izany fitsanganana amin’ ny maty izany.
11 ba lu mye ni dongye nikon bi nha vunvu ba tre ndi Elijahni guci ye
Dia nanontany an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain’ ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.
12 a kma hla bawu andi elijah ni ye guci da ye mla kpi ti amain gye sa ba rhe ndi vren ndi ni guci ti ya kpukpome u ba kpa a tsiri
Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin’ ny Zanak’ olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
13 mi lha niyiwu Elijah a yeye u ndi ba thi ekpi wandi ba son ti niwua tsra ni kpi ani ba hla ni tuma
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon’ ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.
14 da ba ye zon tu ni nbru mri ko bi huzama ba ye to ndi gbugbuwu ba bi niko bi nha vuvu ba si sen nyu ni ba
Ary nony tonga teo amin’ ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
15 da ba to yesu ipentren di ba ghir nda tisutsu ye cie
Ary niaraka tamin’ izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
16 a mye mri ko ma bi huzama di bisi senyu qyemu ni ba?
Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ ireto?
17 indi ihii ni mi gbugbu ndi ba sa wu da tre ndi ndi wu tsoro mi nji vren mu ye ni wu a hei ni suron ibrji wandi ani zu bubu tre
Ary ny anankiray tamin’ ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;
18 a nita lu niwu a ni ban u whurtaga da du ta zran da fu nfom ni nyu da tan nyere du kma kru kpen me mi mye mri ko me do ba zu mcmebrji rju u ba ti wa kran
ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.
19 a si tre ni bawu ndi kba bi hon kpanye ni son ni yi tsar ni tan? mi vu sron ni yi hi ni tanmu? njivren ye nimu
Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.
20 ba nji vivren ye niwu ni tu yesu meme brji a kri tru ku kma vivren a rjoku da zran da ni kran nfo ni nyu
Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’ i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’ izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
21 yesu a mye thima azi he toyi rji ni tan? ti ma a halawu ndi rhi ni tistea
Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan’ izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
22 a nita lu nivu ani ban wu taga ni lu ani bawu yo ni ma kama ani wuuu wuta ni ti kpe ni tu ma wuka ya ta ni lo suron ni sikpa
Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.
23 yesu a myee wuta ni to ti ko nge na zan gbenglen na ni indi wandi a kpanyema
Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ ny mino.
24 hari iti vren a dbu da tre ndi mi kpanyme zo khanyme mu
Ary niaraka tamin’ izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ ny tsi-finoako.
25 da yesu a to ikpa ndi ba tsutsu si ye ni ba a kri nacho ni meme ibrji nda tre di wu brji manbi ba nkpram me nacho ni wu rhu ni kpa ma dina la kma ri na
Ary nony hitan’ i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
26 a kpagro da ru do vivren joku ku kpin kpiri nda rhu ni kpama vivren a kru naa que u gra ndi ba tre di a qui
Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ ny maro hoe: Maty.
27 aman yesu a zu wama hon u vivren a lu de kirkir
Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
28 da yesu a kmaye ni ko mri koma ba mye ni kosan angye zuta bubu zu rhu?
Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay tsy nahavoaka azy.
29 a lha ba wu ndi bibiyi ba na zu ba rhu megen na sai de ni bre irji
Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’ inona na amin’ inona, afa-tsy amin’ ny fivavahana ihany.
30 ba rhu niki nda zren zu ni Galilee ana son do ndi du ba toh wrji wandi ba hye na
Dia niala teo izy ka nizotra namaky an’ i Galilia, ary tsy tian’ i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
31 a sira tsro mri ko bi hua da ila bawu ndi vivren ndi ni ku ni woh mri ndi ba wuu u ni vi u tra ani tashmem da lunde ngari
Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak’ olona dia hatolotra eo an-tànan’ ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
32 bana to tu tre a na siri zuba bubu myea
Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.
33 mle bari ni capernaum da ba rhi niko a mye ba ndi bisiyatre ni tu gye niko?
Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
34 ba kma khi ni gbangbi ba siya sen nhu ni kpamba ni tu nha zan mbrumba
Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin’ izay lehibe indrindra.
35 a kuson da yo mri ko ma itso ba nda bha bawu ndi wa nison hye mu mlan ka kma tuma yo kogon da tindu ni mbru ba
Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin’ ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’ izy rehetra sy ho mpanompo’ izy rehetra izy.
36 a ban vivren tsitsa nda kau zi ni tsutsu mba nda baun nji ni ngban ma nda tre ndi
Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:
37 ko nha wandi a kpa vivren tsitsa yi ni ndemu a kpa me ndi wa a kpa me ana me megen a kpa na a kpa ndi wa ton me
Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
38 Yohana hla ni wu di tico u khi to ndi rhi si zu brji ni rhu ni kpa ndi ni ndeme khi zuu ndi a ana huta na
Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
39 yesu asa niwu da tre ndi na zuu na ndi wandi a ni ti khikle kpe ni ndemu ana kman tre kpe meme ni tu muna
Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
40 ndi wandi ana komani ta na a wubu
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
41 ko nha wandi anuyi kofima u so ni ndemu nitu bi hye wu kristi mi lha tre janji ni yiwu ana hon kpa lidima na
Fa na iza na iza no manome anareo rano eran’ ny kapoaka hosotroinareo, satria an’ i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
42 indi wandi a do iri tsitsa biyi biwandi ba kpa nyme ni me ba kubuza ani zan do ba nkpi tita glo ni toh ma nda tru yo ni lon ma
Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
43 e wome nita do kbuza ha taga ani zan wuka ri ni ko rji ni kpurhuwo ni do riko lu wandi ana kle na ni wome bambawu (Geenna g1067)
Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina. (Geenna g1067)
44 chiche vunvu mumla bi bana hye nitre aya 44 hi ni 46 na bubu wandi intso bi andi ba he nike bana kwu na e lu na ybe na
45 iza me nita du kbu za han ihu ani bi zandu ri ni ko irji hama ni za ni du he ni za me hamba e baka truyo ni mi lu (Geenna g1067)
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny helo. (Geenna g1067)
46 chiche vunvu bi sen wa ba bizen bana he ni nha 44 mba 46 na wa ntson mba bana kwuna e bana ybi lu ma na
47 shishi me nita du kbu 39 chuu rhu ani bi zan wuke ri ni ko irji ni shishi ri ni du hye ni shishi ha ni do ba truu yo ni lu (Geenna g1067)
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ ny helo; (Geenna g1067)
48 wandi ba tson niki bana kwu na ilua na ybi na
any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
49 ba hii ko nha ni ma wu ba gon toni ma
Fa samy ho voasira amin’ ny afo izy rehetra.
50 ima bi anita chu ro ma ru wu kmaahi ro ngari? he nii ro ma ni kpambi ni du sisuron hei ni minbi
Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.

< Mark 9 >