< Mark 8 >

1 Niton mu a indi gbugbuwu ba hei ba wa bari. Yesu yo miri koma da tre bawu di
Tamin’ izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin’ i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
2 “idi ba ba lo me suron, ba he mi me har vi tra ye da na hei ni kpe wa ba rhi na.”
Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;
3 Me ta turba duba he kpamba ni komba dana rina ba ki kobo ni ko bari ba ji ni gbugbamu.”
koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.
4 Mini koma ba mye “kife birdi nitsen-e ni wa, da ni mal ni di ba yi?”
Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
5 A miba bi hei ni gble bredi ibve wa miye ba “a hi bredi bren ba bi he niwu? uba hla a ndi tangban. Ba lla ni wu'u “tan gban”
Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
6 A tre du gbugbu di ku ba son ni meme da ba bredi tangpa da bre da non mini ko ma du ba ga ni bawu u ba ka ga ni di ba.
Dia nasainy nipetraka tamin’ ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan’ ny vahoaka izany.
7 Ba hei ni lambe game time ni womba baya wa a bre Irji, da la yo mir koma da nuba duba nu ndi ba du ba tan.
Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan’ i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
8 Da ba ta ba wrji da vu imbru ma sisen tangpebi rigarma.
Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
9 Indi ba bakai dubu iziya. Ba ya ki a yo ba ninko duba hi kpamba.
Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
10 A ti-gbla ri ni jirgima baba mininkoma da ri nklan Dalmanuta.
Ary niaraka tamin’ izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ ny mpianany ka tonga tany amin’ ny fari-tanin’ i Dalmanota.
11 Bi mrlian ndi ba ba ye da faragbi sur ni wu'u. Ba son ba to alama wa rju ni shullu, ba son ba tser u ton.
Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
12 A tan fuon ni mi suron da tre “a gye sa indi bi meyi ba son ba to alama na? Janji mi la yi wu idi bi meyi ba na to alama na”.
Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
13 Wa kaba don dala ri ni jirgi da hi gar korima
Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
14 Miri ko bi ti ndu ma ba kparisu da na ba vredi gri na. A don riri ni mi jrigia.
Ary tsy tsaroan’ ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
15 A hla ni bawu, son ni wuri ti ta yo shi-shi na kpa risu ni yistin Farisawa na niwu Hirudus na”
Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny masirasiran’ i Heroda.
16 Mini koma bi tindu, ba kpaye ni kpamba da tre a he wa bredi na he na.
Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
17 Yesu to kpe wa ba si ri mire ni dir mba, da tre. A gye sa, bi ri mre ter bredi ni suron bi? har zizan bi na tuna? Bi na ganina? Isuron mbi ba k'ma di bwu mu?
Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
18 Bi hei ni shi shi bi na to na? Bi hei ni ton bi na wo na? Bi na tuna na?
Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
19 Ni wa mi zie bredi ton mba gah ni di dubu ton a bi vu kpu kpu bredi shu sisen bre?” Ba la wu di wlo don har”
Raha ny mofo dimy no novakiko ho an’ ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin’ ny folo.
20 Ni wa me zi bredi tankpan ni di dubu zi'a bi vu kpu kpu bredi ti sisen bre?” Ba hla u di “tangban”.
Ary raha ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
21 A mie ba, har ziza'a bi na gani na?”
Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
22 Da ba ye ni Bethsaida. Idi ba ni ki ba grji di u fei ye da bre Yesu di du sa wo ni wu.
Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’ i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
23 Yesu a vu indi wu fie'a niwo dakji wu hi ni mi gbu. D a' a junte sur niwu nishishi da sa wo mani wu, a mei, “wu to kpe?”
Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
24 A zuya da tre, me to indi bi ya na kukro ba si zre.
Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
25 A la kawo ma sa niwu nishishi maki shishi ya ka bun to u zizan abi zan wumumla wa to ko ge tsartzar me.
Dia napetrany tamin’ ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
26 Yesu hla wu ziza'a wu he ni kome nu, na rizu ni mi gbu ga na.”
Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
27 Yesu ba mini koma bindu ma zu ni ikoyuka wu Naesarea Filippi. A me mir ma ba nikon, “Bi ya ndi ba, mie di me nha'an?”
Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ ireny tanàna momba an’ i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa Aho?
28 Mini koma ba la niwu wu yohana wu Baptisma, 'U' bari ba tre wu Iliya bari batre wumba kan-kan wuri nimiyi anabawa.
Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin’ ny mpaminany.
29 A mie ba u biyi na bi tre me nha? Bitrus tre “Wu yi wu Kristi.”
Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.
30 Yesu mam ba du ba na hla ni dro na ni tumu na.
Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin’ olona.
31 Da soma bla bawu di vre di ni sha ya ni kpe gbugbu 'U' ba kamba ni u idi bi ninko ni bi chu ni Priestoci, ni bi nha vuvu, ba wu'u, ivi tre ni ta ti ti tashem.
Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
32 A hla terki tsrame. Naki Bitrus kma he ni kosan da tre da gbiton ni wu.
Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.
33 Yesu kma ya miniko ma ba, da tre Bitrus ni tu “Kma tsi dimu,” Kma hi ni ko gomu wu brji wunayoshishi me ni kpe u Baci na se kpe wondi wu idi”
Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
34 A yo ndi baba mir koma ba ni buburi da tre ni bawu. Indi a ni iya da wume ka kparisu ni kpama da ba gieiye mu da hu me”
Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
35 Du indi wa tre wa wu nikpa tuma ani qu, uwada kri ni suroma ma don demu ni tre Rji ani kpa tuma cuwo.
Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
36 A gye ni zo idi ni gbuglu yi wanda ia zan rai ma?
Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
37 A gye wa indi ni ser kpama da fe sur ma?
Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
38 Indi wa klusha mu mba tre mu ni meme ugbugblu yi u la tre e iverindi ni klushama indan a ni ye ni dau kaka tima ba ba maleku ma bi ruhu tsatsra.
Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.

< Mark 8 >