< Mark 5 >
1 Baye ni gran nei u gbu garasinawa.
Ary tonga teny am-pitan’ ny ranomasina tao amin’ ny tanin’ ny Gerasena izy ireo.
2 Niwa, a ye rju ni mi jirgi. Hi hari baye zon tu ba igu ri u meme ruhu asi rju nimi hbei.
Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’ izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ ny fasana ka nifanena taminy,
3 Bubu son ma a hei ni bbei ba ndi wa ani ya ló koni sarka.
fa nitoetra tao amin’ ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ ny gadra aza.
4 Ni-ingu gbugbu ball ni sarka ba ma ruruwa asu sarka ba rji rji maruruwa. Ba Indi wa ani ya vu aba.
Fa efa nafatony matetika tanin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
5 Chachu, chachu ni ble mba ni yalu ani yargro na ni yar kpunma ni tita ni mi hbe ba ni kpah tita.
Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ ny vato.
6 A chu shishi to Yesu ni gbugbama na tsutsu ye kuque gbarju ruwa na nikon ma.
Fa nony nahita an’ i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
7 A lu tre gban gban niwu; u mu get niwu? Yesu u vre rji u wawu? me pre ni de rji na tie me yahna.
sady niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin’ Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
8 U wa hla niwu's rju ni kpah ma I wu meme ruhu.
satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
9 Amyen bayo nde me ni nha? Wa hla niwu nde ma tuli ama a ki hei gbugbu'u.
Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
10 Abra Yesu dina zu wau ni gbuyina
Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’ izany tany izany.
Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin’ ny tendrombohitra.
12 Ba bra datre zutarhi need lecleba beri kiri niba.
Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin’ ny kisoa mba hiditra any aminy.
13 Abri ba meme ruhu ba rju dari ni licleba ba tsutsu gerji ni tie gbuw hau ni mi nei bakede bakai dubuha ba que ni nei.
Dia neken’ i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin’ ny ranomasina izy.
14 Biwa basi kurju ledeba ba tsutsu tu da la ikpe da tsir.
Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
15 Baye ni irvriji Yesu tre da tah iguh u meme want nibawu tuh
ary tonga tany amin’ i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
16 Biwa sahe niki da toh kpe da sitsir ni igu meme ruhu, da la nibawu didime na ta bawu tre leeleba.
Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin’ ny olona izay natao tamin’ ilay demoniaka sy ny amin’ ny kisoa.
17 Ba sawume tsu bre du biri gbua.
Ary nifona tamin’ i Jesosy izy mba hiala amin’ ny taniny.
18 Asi sou ri ni jirgi iguh meme ruhu bra diwau hu.
Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
19 Ama Yesu na kpagmena ama da la ni niwuhi Kon me ni ndi me di la bawu ikpe rji teh u; yada as mashishime.
Nefa tsy navelan’ i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
20 Ahi kpa ma da so ma si la kpi bi keklema wa Yesu teh ni wu ni dikatolis. Kowa ni ndi sisri.
Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’ i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
21 Nlina Yesu, a rungra ni jirgin. Ri gbala ko rima ndi gbugu Baye gyekle ki niwu.
Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
22 Bi ni Kon ri church wa bayo Jairus ye du joku ni zama.
Dia avy ny anankiray tamin’ ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony
23 Asake bra ngari du tree di verwa tsitsa te wiewier que mi bra ye di sawai niwu di sama sikpa nda son divine.
ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.
24 Bahi bawu; ndi gbugbu bawu nda ni hau nikpa
Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
25 Iwari beki wa the ni lol nkayinle is wulon nduha.
Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin’ ny folo taona
26 A shaya brabra ni wa bi nu mua gbugbu it ase kpama peh-phe wu nda ya di sikpa nihe ama lol ka kle.
sady efa niaritra zavatra be tamin’ ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
27 Awo kpi Yesu the. nda ye mi kuganma ni mi gbugbu ndi nda tuka ingloma
koa rehefa nahare ny amin’ i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
28 A tie nda mi taba igloma mike mi samu sikpa.
Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.
29 Niwa ataba wu; it kukri, ato ni kpa wawu samu sikpa ni lehenma
Ary niaraka tamin’ izay dia ritra ny loharanon’ aretiny, ka tsaroany tao amin’ ny tenany fa sitrana izy.
30 Yesu toh nikpa gbegble rju mikpa. A gbaya ni mi bdiba nda tree, aha taba glomu?
Ary niaraka tamin’ izay dia fantatr’ i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan’ ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
31 I miri konma batre u to gbugbu ndiyi tree ndi tre iha tabawu.
Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?
32 Yesu ni son ya nda to aha taba wu.
Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.
33 I wa to kpe asame wu sisitsir vu. Aye ndu joku ni gbui ma nda la wu gerger me.
Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.
34 Ala wu, iuerwa, isorun didime asa u samu sikpame.
Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ ny aretinao.
35 Asi tre; ndi bari ba rji ni nikon ie Church nda la, Iverwa me kwi na dane tiche kanam
Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
36 Yesu wo kpe ba si tre, nda ua ni Kon ni church a na te sisri na khir behan gbagba.
Fa tsy nahoan’ i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
37 Ana bri druwo diwuna imba Bitrus, Yakubu mba Yohana vayi Yakubu.
Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’ i Jakoba.
38 Baye ni koh was ani anikon church a ato ndi ba si tre gbaba me, basi tsra gre gbagbame.
Ary dia tonga tao an-tranon’ ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan’ i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
39 Ni rhi ma ni Kon ala bawu agesa bisi lo isoran ndi si gbagro? iverna, na gwuna, asigruna.
Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.
40 Ba zahe. A zuba just pepeme ni ra nda mba iteh uer mba yinma ndi babe niwu, nda rhi hi ni iwirji iver ha.
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ izay olona teo aminy ka niditra tao amin’ izay nisy an-drazazavavy.
41 Avu iwo very nda la wu, Talita kumi wa ala iverwa tsitsa mi la ni wu lude. Ba wuton iver nda tsir (the nise well doha)
Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.
42 Ba ter sisri pepeme nisorun dedeme.
Dia nitsangana niaraka tamin’ izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin’ ny folo taona izy. Ary niaraka tamin’ izay dia talanjona indrindra ny olona.
43 Ala bawu ndi ba na la nidruna. Nda la bawu mu lla rhi.
Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’ olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.