< Mark 3 >
1 Bachi a ri no mitra u pre da same ni Indi wu lullo wu so wo.
Ary niditra tao amin’ ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty tanana teo.
2 Indi ba sure shishi niwu ko ani wurka ni wu cacu asabar don da ka to ni la ter.
Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin’ ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.
3 Yesu hla nindi wu lullo wo, rhu kli ni tsutsu Indi ba, Yesu a miye ndi ba.
Dia hoy Jesosy tamin’ ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.
4 Abi duba tie zizi nive asabar d kpa ndi cuwo ka ndu tie meme indu Indi ba que? Indi ba ba son ng bage.
Ary hoy koa Izy tamin’ ny olona: Inona moa no mety hatao amin’ ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
5 Yesu a kma ya ndi ba nifu done touri dir mba da hla ni gu n ma wo me? igu n ma wo ma u won bi.
Ary nony nijerijery azy tamin’ ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
6 Farisawa banu gla me da hadatu niti rudiyawo di ba wo Yesu.
Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’ izay dia niray tetika tamin’ ny Herodiana izy hanohitra an’ i Jesosy mba hahafaty Azy.
7 Yesu ni mini koma ba hi nen wu Indi gbugbu ba hu bari ba ni ni Galilee ba ri bani Judia
Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany niala teo ka nankany amin’ ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
8 Urshalima, indumi ya bari me gaba ni Jordan, Tyre har ni Sidon. Daba wo gbi a si ti Indi gbugbu u bayi niwu.
sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin’ i Jordana ary tamin’ ny tany manodidina an’ i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.
9 A hla ni miniko ma duba samu ni igu tsitsima ni wawu don into du ba na matse bi was wu na.
Ary Izy nilaza tamin’ ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
10 A warka indi gbugbu u bi lullo ba turn kpamba ni baba sawo niwu da fe se. Bachi a kpa bari just ni lullon.
Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.
11 Ko nitan bi ruhu brji bajoku ni koshishi da Yar go da ter wu vir irji.
Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra.
12 A kpa nha ni ba duba dubu nde ma na
Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
13 A ho he ni gbulu da yo biwa a ni son u ba ye same ni wu.
Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.
14 A ju ndi woto dan ha wa yo ba di (apostles) do duba he ni wa,
Ary nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
15 wa turba du ba hla ter wada he ni glegle wu zu bryi.
sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
16 Mazani wolo dan ha wanda ju ba na he nayi Simon wanda a non dema Bitrus.
Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
17 Yakub very Zabadi, Yohana vayi Yakub Wanda a nu de Banergas wato minizan
ary Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona, rahalahin’ i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;
18 wu Adarawas u Fibus, Bar ta Lamawas, Matiwu, Tomas, Yakub very Haifa u Yahuza, Thaddaeus, Simon Bakan ane
ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana
19 wu Yahuza Iskanyoti Wanda ya bashe shi.
ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
20 A kma he ko, wu kpetren indi bakaba da iya ri bin na.
Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.
21 Da bikoma ba won naki da he niwu da ter, imiri ma na he na he ni wu na.
Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
22 Bi nha wa ba ni Urishalima ba ter di, a he ni ruhu Beelzebul, “mba meme brji”.
Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an’ i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.
23 Yesu yo ba da ter ba yi-yi, ibrji ani ti ni he da zu ibrji?
Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon’ i Satana ahoana no famoaka an’ i Satana?
24 Idam mulki gu kpama te kam-kan mulki ba na to kle gbangba na.
Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
25 Idam iko ga kpema komba ana kle gbangba na idan b
Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
26 a tayar ni nituma da ga gba ana he niglegle-glegle na anijoku.
Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
27 Idi na ya da ri ko idi u gle-gle da yi bi kpe ma na ha ma ni vu indi glegle u ko.
Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
28 Jaji mu me hla you la tre we me wa wa Indi ba ti iha wur la bawu.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’ olombelona amin’ ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;
29 A ma wa ba ti ni Ruhu tsatsra ba na wur le meml mu, dona la tre u ka kle. (aiōn , aiōnios )
fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, (aiōn , aiōnios )
30 Yesu tree ni tu wa ha tre, ahei brji
satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
31 I yima ni mir vayi ba ye kril ko ra. Ba to ba ka yo'u ye gba nmba.
Ary avy ny reniny mbamin’ ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.
32 Kpetren ndi ba ki kagon ma da me yer, I yi me ni mir vayi me ba hei ko ra da ki wa u
Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.
33 A sa ni ba'u, ba nha ba mir vayi mu?
Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
34 A ka ya ndi wa ba ki gon kla ma da tre, “To ibiyi yi bi mir vayi mu!
Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!
35 Duk ndi wa ni ti kpe wa rji tre a wa u yi hi yimu da hi mir vayi mu.
Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.