< Mark 14 >
1 a don viha duba ti ngan u passover idi mba ngan u bredi wa asa binikoh bi ton du irji baba bi han ibe ba sun diba yib yesu da wuu
Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan’ ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an’ i Jesosy tamin’ ny fitaka ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
2 ba tre ana hei nitoh gan nadutsi kanalude ni tsutsu ndi na
Nefa hoy izy: Tsy amin’ ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
3 da yesu a hei nikoh siman u lo shia basi rhi biri u wa hri a riye niwu da ji kpalaba alabaster u klen ma wa ba you di nard ayar kpalaba da kayen a sur nitu yesu
Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon’ i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin’ ny lohan’ i Jesosy ny menaka.
4 ndi bari ha hei niki da tifu ni kpaba da tre ai higye kpei wa iwa yi tidu migye
Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
5 smsl du bs ban tutate a le ru kle wa ani kai deri tra wa ba zo biti ya ba tre a
Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.
6 yesu ka tre ahi kpei didima ati nimu
Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
7 bihei nibi yaba chachuu wadi ko ni tan biya zoba ama bina hei ni me chachuu na
Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
8 iwayi ti kpe wa a iya ti a asur turare don chachu rhumu
Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
9 misi hla tre jaji niyuu konitsen ba hla tre irji nimi gbugbulu sei ba hla ikpie wadi wayi ti ko ni kogon kuq
Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
10 sei vre koh ma rhi wa ba you di Yohuda iskarioti ruhu hini bi ton du irji don du vuu noba
Ary Jodasy Iskariota, ilay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona hamadika an’ i Jesosy aminy.
11 da bi toh du irji ba woh da ngri kpukpome niwu da you iyei ba no kle wa sima ni wa koh wa di aru vu yesu noba
Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
12 niyi u mumla u berdi wa ana saana waba nha yi krju ton ngla lah tre ntoh u inga ni sei nisei u mrikohma ba miyei anitse ki hi mla bubu u ri biria?
Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
13 atohmrikohma hari da hla bawu duba hi mi gbu ndiri hluiri u fo ma bi aka hu hi
Dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
14 ahi ta rhi nikoh bi ka hu idia hla u di la di ukoa malla tre ikoh mu wa mirhi biri baba mrikohmu?
Ary lazao amin’ ny tompon’ ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ ny mpianatro?
15 anitsro yi kikla mikoh wu koshu waba mlati bikah mla ti ni tawu
Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
16 mrikoh ma ba hi ni mi gbua da ka toh inpie da a tre hei nakima da ti birhi ketarewa
Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
17 da yalu ti wa ji mrikohma tsoh hi
Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin’ ny folo lahy.
18 da ba kru da si rhibiri nitu tabur yesu katre jaji mi si hla niyi wu iri nimi bi nivu me noba
Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
19 bayi ni suron ba da nimiyei ahime?
Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
20 yesu kasa nibawu wa da si you woh ni me ni gbugban
Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin’ ny roa ambin’ ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin’ ny lovia no izy.
21 ivrendi nihi na a han niyuma iya ndikima wadi ani vu yesu noba abi di na grhi ndi kimana
Fa ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! Tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.
22 bashei ninu rhi biri yesu ban bresdis da ti lulu you nibredia da mere ga niba wu datre wayi hi nma kpamu
Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan’ izy rehetra izany.
24 wayi a hu yimu wa mi sur iyieu ni yuwu wa ani kahle nigbubuu baka so wawu bauu
Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.
25 me hla tre jaji mina la somi klo kukru gana sei ivi wa mi so ni mikoh irji
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin’ ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
26 bayou sei da rhu hini gbulu olives
Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
27 yesu hla ni bawu wawubi bi joku yada ba han iq mi vu ndiu krhutimaa iq u itima bavra ni kagakaga
Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry.
28 bata zume lude in mi hi Galilee guchi niyuu
Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
29 Bitrus kahla ru yesu ko ba hi kpamba wawuu ine mina hina
Fa hoy Petera taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.
30 yesu ka hla u nichu luwa du gba du tub tup kpu u kpa tron di u una tohme na in kpu tra
Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin’ ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.
31 Bitrus tre ko mi qu bu wu mina tre dimina toh una baka you inveu ni yesu wawuba wu
Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ izy rehetra.
32 ba ye ni bubu ri you di Gethsemane yesu ka hla ni mrikoma kuson wayi ime me hi bre
Ary tonga tany amin’ ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
33 a banBitrus Yakub u Yohana ni kpama a rimer da ni damu
Ary nitondra an’ i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
34 ahla bawu isuromu ni lome har na u qu ki mai di ta gbe har hi ni kuqu
Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
35 yesu for zre fime da ku joku ni meme da bre inde aru bie ka wur ton a hle niwawu
Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nivavaka mba hialan’ izany ora izany aminy, raha azo atao.
36 datre abba ti bu ikpi ba yereyere niwu wuka cu gbaju yi ru ni mu aman ana ti muna ahi wume
Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
37 aka kam ye da yetoh ba basi kruna da miye Bitrus sima bi si kruna? koh niton riri me bi na iya gben na?
Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin’ i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
38 gbien di bre don di na joku nimi lah tre na isuron a nyme ama ika a si
Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
39 a la hi da tretre wu mumla gari
Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.
40 da aka kam ye da toh basi kruna na u mumla shishi ba a ron u bana toh kpie wa ba hla wuna
Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.
41 akma ye kpututra da miye ba bu risi kurnari di ni siri? atsra no toh a yeye to bavu vre ndi you ni woh bi latre
Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak’ olona hatolotra ao an-tànan’ ny mpanota.
42 lude kinihi to idi wa a vu me ni noba a he weiweire
Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
43 a sihei nimi tre a u Yahuda iri ni mi a aye ni gbugbu idi ni ba ijin gban nibi toh du irji ni bi han be ni bi nikoh
Ary niaraka tamin’ izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
44 indi wa a vu haba a guci tsro ba woh ni wuye Biti toh diwa mi sumbace u wa wu yi bika vu di griwu di hi ba ba bi gadi
Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.
45 da Yahuda ye ahi ni yesu gbla me da you
Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an’ i Jesosy niaraka tamin’ izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.
46 di ranni da rhugume ni u indi ba kavu na ki u ri ni ciki mba waa kli niba kia
Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.
47 chu inji gbama da chu vuvu to diri ni mi biwu niko pristoci ba
Ary ny anankiray tamin’ izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
48 yesu a mieye ba bi ye vu me na diwu yib ni ji gban ni kpe iku
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
49 mitahei niyi chachuu dita bla tre irji ni yiu nitra rji bi na vu me na a hei na ki don du tre rji cika
Teo aminareo isan’ andro Aho an-kianjan’ ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masìna izao.
50 duka bi wa ba na hei ni yesu ba tsutsu da kaa don niu ba tsutsu hi kpaba
Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
51 vivren nze ri wa alo vi gbajanklo u kaakpa megen a sia hu e mri nzeba ba yo wo vuu
Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin’ ny olona teo izy.
52 a ka gbanjanklo chuwo ni bawu nda tsutsu ru ni ngbre
Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.
53 niki ba nki yesu hini ninko prist nikima ba kikle prists ba ni chiche mba bi nha ba zontu kii nha niwu
Ary nitondra an’ i Jesosy ho any amin’ ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
54 e Bitrus a nha huba kari ni tra nkon wu nikon prist a ndaka kuson ni ba mriko nduba nda sia mu kpama ni lu
Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ ny kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin’ ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan’ ny afo.
55 nikon prist baba bison nda bla tre ni trankon a ba wa biwa ba njitre kpewa bato nitu yesu ni duba wuu nda wa hama
Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an’ i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
56 gbugbu mbawu ba sia blatre che nituma e nyu bitre ba ti nkankan ndana hu nyu ri na
Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
57 niki bari ba la lu kri nda bla tre che nituma ndi
Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:
58 ki wowu a sia bla ndi wawu ni zii hekali wa ba me ni wondi nda ni mi vi tra la me ri hama ni tindu ni wondi
Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity, ary amin’ ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
59 nikima ngame bi tre ba nyumba ana hu nkon riri na
Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin’ izany aza.
60 ninkon prist a lu kri nimimba nda yesu ndi wuna he ni kpe wu sa bawu na? ni tutre wa bi nu shaida biyi basi bla nitume a?
Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an’ i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ ireto Anao?
61 nikima a kri gbangbi ndana sa na ninkon prist a la myeu ndi wuyi wu kristi vren u wa ba ti lulu zanzan niwua?
Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
62 yesu a trendi ahi me ngame bi to vreninji si son ni wo korhi u gbengble nda si ye nimi klalu wu shulu
Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo ankavanan’ ny Hery sady avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
63 niki ninkon prist a yba nklon kpama nda tre ndi kila wa saidu u ngye gari?
Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
64 bi wo tre wu kpande irji timeme kimbi bi to ni he? wawumba ba nyme ndi latrema a tsra du ba wuu
Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon’ izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.
65 bari ba lu si junte ni vra nituma nda ni ka shishima ndani tsiwu nda hlawu ndi du nran tre e mrikondumba ba tsi ni ndawomba
Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.
66 niwa Bitrus a son ni meme ni ra koa ninrenwa ri wu tindu niko ninkon prist
Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin’ ny ankizivavin’ ny mpisoronabe;
67 a to Bitrus si son si si zu isi ni yesu u Nazarat
ary nony nahita an’ i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’ i Jesosy avy any Nazareta.
68 a kpa tre ndi mina to na nina to tu kpewa wu tre a na wa a rhu hi ni kalhan e igbaa a tbu
Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.
69 vrenwa wu ndu ri a too ngari nda lu si bla ni biwa ba ki whi niki ndi iwayi hi rimba
Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin’ izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman’ ireny;
70 a la kpa tron ngari nton fiime ka huki biwa ba ki nhan niki ba la tre ni Bitrus ndi ahi janji wu ri mba nitu wu ndi u Galilee e lpn nyu me kpanyeme nikima
fa izy nandà indray. Ary nony afaka kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin’ i Petera hoe: Naman’ ireo tokoa ianao; fa Galiliana ianao.
71 niki a lusi yoban ndani shirhi ni kpama ndi mina to iguyi wa bisi tre nituma na
Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
72 igba a la tbu nkpu u ha rhi du igba tbu nkpu ha wu shirhi kpatron ni me nkpu tra niwa a rhimren ni kima a ybo yi
Ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.