< Mark 12 >
1 yesu wu vu tsuro ba ni misali a tre wa ro wa indi ri a sen kukron ni rju a rhau kagon nda shi juju wa a ni ka ta shibi ima klo ma a me ko u gbien gugloma nda ban nno jingina ni bi ron bi kukron ki a kle nda ye wlu hi ziren
Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
2 ni tsar mton u klo kukron ka ton igran ma ndu hi kpa iklo kukron bari wa ba tiea ni bi sen kukron a
Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka.
3 amma baka vu u nda tsie nda zu kamma hi ni wo kuklu
Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
4 a la tru dran ma ri hi u ba ka ruu tu nda nnu shan
Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.
5 nga rli a tru ri u ba ka wu kimaa ba tie ri ndi gbugbu wu na ki ba tsi bari nda wu bari
Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
6 a don indin ma ri u wa ani tona ivren ba wa anni san a tru wa wu ma hi u kle klea a tre ba to vren mu ni fu tu
Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
7 ma me bi ron kukron ba bitre din a wa ti mba ni ri gadoa ye ki wu ndi ka rli gadoa
Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.
8 ba vu wu nda kau taga ni mi rjua
Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan’ ny tanim-boaloboka.
9 to waa u ndi u rju ni he? a ni ye nda wu bi ndu sen kukron ba nda nno bari nkan nu irjua
Koa ahoana no hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka amin’ izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.
10 bina kra kpie wa beblu tre a na? tita wa bi me ba ka mba ni wua a katie wa ba you ni vrun tra
Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masìna izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;
11 i wa yi a hi tie u rji nda bi ya tawu
Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika?
12 ikpie wa a ye ko gona bi ninkon yahudawa ba wa nkon wa ba ba vu yesu don ba to din a tre misalia ni tu mba yi amma ba klu sisri ikpe ndi mba ni tu ki ba ka donwume nda hi kpa mba
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany; dia nandao an’ i Jesosy ny olona ka lasa.
13 ba son nda la ka tru bi ninkon yahudawa bari ni hirodiyawa hi wu don ndu mba trene ni tre
Ary nirahiny hankeo amin’ i Jesosy ny sasany avy tamin’ ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin’ ny teniny.
14 da ba ye batre ni wu tica ki to wu na hu tre ndi na una tsuro son tu din na u tsuro jiji inkon rji han ban ni kaisar heitu nkon kanihe? ki han ka ni he?
Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan’ olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
15 amma u yesu to mliya nye ba nda tre di bi tsar me ni ngye? ne denarius ri me ndi ya to
Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.
16 ba nji ri ye ni yesu a tre ndi a hi yu nha ba nde nha mba he yi? ba tre u kaisar
Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An’ iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An’ i Kaisara.
17 yesu tre din nno kaisar ikpie u kaisar din nno rji ikpie wa u rjia a nno ba mamaki
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.
18 me na a sadukiyawa wa ba tre ndi tashmen na heina ba ye ni wu ba mye nda tre din
Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:
19 tica musa a nla tawu idan indi wa vayi ma qu nda da hama ni vren da kawa don inda ka ban wa vayi ma tie wa ma nda zi bi ni vayi maa
Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
20 mri vayi bari tangban bana he u mumla a gra wa nda ye qu hamma ni vren
Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
21 u haa ka ban wa nda qu game hamma ni vren u traa ngame a la he na u mbru na ba
Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.
22 tangban mba u ba na fe bi na iwaa me ye qu hu ba
Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran’ izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
23 ni shulu iwa a ni u rime ba tie tashme ngarli? hon mri vayi tangban ba ba gran a tie wa mba
Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty, ho vadin’ iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy?
24 yesu ka tre a na ni ki bi yiba shishi na? don bina tre rji na ndi na to gbengle rji na
Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masìna sy ny herin’ Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?
25 don bata tashme ba na gran ko ba gran ba na ba he na malaiku
Fa amin’ ny hitsanganana amin’ ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy.
26 amma ni tu bi wa qu nda tashmela bi na kara ta ni taka da Musa na ni waa irji tre wu ni tsutsu miji naa tre din me hi rji u Ibrahim ni rji u Ishaku u ni rji u Yakubu?
Ka ny amin’ ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin’ ny bokin’ i Mosesy, eo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan’ Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba?
27 ana irji kmo na ammma u bi sisren
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ ny velona; koa diso indrindra ianareo.
28 iri ni grji bi nha ye nda wo kpe wa ki trea ni to sa tre yesua a myee a hi doka ria me bran zaaan wawuu?
Dia nanatona an’ i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin’ ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’ izy rehetra?
29 yesu kaa sa wa a zan a hi wo Israila baci rji mbu bacia a riri
Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;
30 gbigbi u ka kpanyem ni baci rji ni suron me wawuu ni mre me wawuu ni dri me wawuu ni gble gble me wawuu
koa tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.
31 doka u ha a heito yi gbigbu u ka son makobci me na tu me doka ri na la he waa bran zan bi yi na
Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
32 u bi nha ba tre din abi tica u tre njaji ndi irji a riri u ni wa wuyi a rji ni nklema
Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy.
33 nduu son wu ni suron me wawuu u ni to me wawuu mba ni gbengble me wawuu ndi son vayi u ndio na tu me a zan hadaya wa ba gon ni lua
Ary ny ho tia Azy amin’ ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
34 da yesu to ndaa hla tre u bi a hla wu di wu na bran kon ni mulki rjiwamba a kle tre a itre na la mere tre na kpena
Ary raha hitan’ i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’ Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
35 yesu sita ru tra rji tre din ni he mba ni nha hla din kristi a hi vren Dauda?
Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain’ ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak’ i Davida?
36 Dauda tu na ni mi ruhu tsartsar tre din baci a tre ni baci mu ku son ni wo ru mu se me ka bi kran wu tie kpe wa wu chan ni za
Kanefa ny tenan’ i Davida dia nampilazain’ ny Fanahy Masìna hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
37 Dauda tu ma ne you ndi baci u ni he rli kristi ka vren Daua? nkpentren ndi ba ba ngri ni wo tre ma
Ny tenan’ i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin’ ny hafaliana.
38 ni tsuro ma yesu tre tie wrli ni bi nha ba wa ba son zren ni guglo nklon da ni wa ci ni kasuwa
Ary hoy Izy amin’ ny fampianarany: Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain’ olona eny an-tsena,
39 nda son ni ruron u bi nikon ni tra rji ni wrji bi gan
ary tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin’ ny fanasana,
40 ba mrien imba bi kobo nda bre rji bran nkon ndu duba to ba indi bi ki ba kpa lukunci rligrama
ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
41 yesu kuson ni gbala kori ni mi tra rji nda si ya ndi bubu ya nkle mba ni kaji gbugbu ndin bi nkle ba sur nkle babran
Ary raha nipetraka tandrifin’ ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.
42 uwa u kmbo a ye nda sur nini ha rli wa a tsar ni kuburi
Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy avy.
43 a yo mrli ko ma da hla ba wu njajimu me hla yiwu iwa u kmbo yi sur nkle zan ndi ba wawuv wa ba sur nkle ni kajia
Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ ny fandatsahan-drakitra.
44 bi mu ba nno rji gbugbu wu ni mi gbubgu wu wa ba hei va ama iwa kobo yi a no zan du di biwo ba yo kl ni kajia duka idi ba sur kle gbugbu wu wa ba hei va ama iwakobo yo kpe wa a hei ni mi ya ma da ni rli a
Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.