< Mark 10 >
1 a luye ni migbu yahuda u kle kle ni gran gbu urdu indi gbugbuu bla ye niwu wa soma bla tre rji ni bawu nawa a ni ti chachia
Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin’ ny sisin-tanin’ i Jodia sy tany an-dafin’ i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
2 Farisawa baluye niwu na miyen a hi hlatre ndu lilon zuwama basun wokpie wa anitre
Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
3 wa miye ba ani musa a hla ni yiwu nige?
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian’ i Mosesy anareo?
4 u ba tre ani musa kparyemen nduba nhan takada u ga gram na kachuwo
Ary hoy izy: Navelan’ i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady.
5 yes bawa ani kawo tre biyi atre ndu ba nhan
Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
6 rji mummla irji tie lilon ba iwa
fa hatramin’ ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona.
7 ni tukima lilon ni ka itie ma ba yima don da shi sun hamba
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny;
8 ha mbaa ba zama inaman kpa riri anaki bana harina ni koshishi ama inaman riri
ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
9 ipie wa irji tie di diori naga tie hari na
Koa izay nakamban’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ olona.
10 ni mikoma almagerema ba hla miyen itre kima
Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’ izany koa ny mpianatra.
11 wa hla nibawu du indi wa a zu wama na kpari a si yi zina
Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny.
12 naki ni iwa wa a kama ni lonma na gran irir wawume a si yi zina
Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
13 baka ji miri bi zizah ma ye niwu ni ndu bre wo niba almajere ba zuba
Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
14 yesu toh naki isuron lude nivu wa hla bawu diba bre mirizizah di ye mime na zuba na na iriba mulki rji ahae
Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
15 njaji tre mi hla yiwu indi wa ana kpa mulki rji na vieveren tsitsana ana rimulki na
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
16 a vuba na brewoba ba na tie lulu yo bawu
Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
17 da alude hi ni tukon iguri a lutsuts ye ni shishima na kuquegbarju na miyen mala u ndi ndi mi tiege nife mulkime? (aiōnios )
Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios )
18 yesu miyen age sa u yome mala u ndi ndi? irji kagrjima ani tie ndi ndi
Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
19 u toh dokoki u na hla di na u na yi zina na u na mimre diona na kpa tieme ba yime tsiri na
Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao.
20 wa hla niwu mala nima tie bi bana tun mi hie ni verenze
Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
21 yesu kahya na gir ni suronma ni kpie wa atiea wa hla niwu ikpie riri a ridonhi ko ni vugbime wawu lea ni kah nkle ga bi tie ya
Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
22 ama isurinma joku nitu tre ki wa hi nifu ni suron ma nitu wa a hi ndi u wo
Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin’ izany teny izany, ka niala tamin’ alahelo izy, satria nanana harena be.
23 yesu kahya kagon ni almajere ma da tre adi a he niyah ndu indi u wo du ri ni tarji
Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin’ ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
24 Almajere ma ba hanyue ni wotre ki i yesu lar tre burbru adi a hei niyah do ndi u wo du ri tar rji
Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny matoky ny harena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
25 lakurimi niri ni ndo noron gbalame niwa indi u wo ni ri nitarji
Moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
26 u ba hahyue da miyen a nhan ni nawo ke na?
Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena?
27 yesu kahyaba da tre ni ndi kpic na yina ammma ni rji koge ni yiu
Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin’ ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’ Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra.
28 Bitrus luwulde nitre ndi ga ki kah koge don ndi ni hu
Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
29 yesu tre adi njaji tre ba indi wa ani kah iko don ko imimre vayi ma imimre lon ko mimremba ko iyi ko itie ko irjun ko imimrema don ni tumun ba itre mu
Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
30 wa a na kpa dima wulon okpu wulon na ni zami yina (aiōn , aiōnios )
ka tsy handray zato heny amin’ izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ ny fanenjehana-ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. (aiōn , aiōnios )
31 gbugbuu wa ba hei ni koshi ba kama ye kogon u bi kogon ba kama ye koshishi
Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
32 ba lu hon sihi ni urushelima u yesu guchi ni bawu ni koshishi u ba hannyiu bi wa ba si huba ni kogon kura ba tie sisir wa ala vu iseri a na sibla ni wu iri kpie wa ba toh a ni ye
Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
33 a latre ige ki sihiyi ni urishelima ba kah vren ndi no firist ni ba nha ba ndu ba wuu na tieu ya nshishi meme ndi
ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ ny jentilisa;
34 ba weyen niwu na juten sur na tsi ni gbugban na wuu ni vi utra a lude ni rei
ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
35 Yakubu ba yohona mri zabadi ba chibye niwu na tre a ndi ndu tie koge ni tawu wa ki preu
Ary Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, nanatona an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
36 wa tre bi son me tiege yiwu?
Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
37 iba hla niwu ba son iri mba disun ni wo kori u ri ni wo kotah ni mi darajame
Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny an-kavianao, any amin’ ny voninahitrao.
38 yesu hla bawu bina toh kpie wa bisi pre ana bi iya so koko wa ime mi soa? ko ndu ba tie batisma ni batisma yiwu na wa ba yi ni mura?
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
39 u ba kpayeme di ba iya u yes tre koko wa wawu ni soa ndu ba so nibatisma wa ba yi nimua niki ndu ba yi niyiwu
Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
40 ama son niwo kori ko wo kotah na u muna niwa minoyi a hi u biwa ba chii ba
fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.
41 i wa iwulo ba bawo isuron ba a lude tie meme u ba tie fu ni tu ba Yakubu ba Yohana
Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ i Jakoba sy Jaona izy.
42 yesu yo ba na hla bawu bi kah toh ndi be wa kah indi bi gbugbulun no ba ni woba ba nji ba u zizan
Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
43 ama a hei naki ni mi bina se de wawuu indi u wa ani zama nigon wa wuyi ni zama gran
Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.
44 iwa ni zama mumlan ni mibi ni zama gran
Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’ izy rehetra.
45 ni u njaji vren ndi na ye nduba tie yah nitu ma na ama wawu ni tie ya nitu bari da kpa que nitu bari gbugbuu bi latre ndu ba nawo
Fa ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
46 u ba ye ni jeriko wa ye rju ni mi jeriko ba ba almajere ma ni gbugbu ndi u indi ufyen ba yo niBartimawus vren Timawus a son ni yiu gon
Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak’ i Timeo.
47 da a toh adi a yesu ba nazaratna kpa gro ni yon yesu vren doda ya me ni shishi losuron ni zo me
Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko!
48 indi gbugbu ba yarhan ni wu adi ndu son nigbagbi wa kama na ni yo yesu vren doda yame ni shishi losoron nizome
Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
49 yesu kukre da nduba yo uba indi uyen na hla ni wu ndu gir na tie kinkle soron ni lude
Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
50 wa wume a kah nklon ma taga na dolude hi ni yesu
Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’ i Jesosy.
51 yesu kpa nyimeniwu na myen u son mi tiege niwu?
Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
52 yesu hla wu lude hi kpa me bangaiskiya a den u wa tsi toh kpan na hu ni tugon
Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’ izay ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy teny an-dalana izy.