< Luke 8 >

1 Yesu ni mri koh ma wlon don ha, ba zren kagon mi gbu ba, ni'g'rji, ni'g'rji kan kan, ba bla tr Irji na nio hla tre ndindi ma nitu koh Irji.
Ary taoriana kelin’ izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra; ary ny roa ambin’ ny folo lahy nanaraka Azy.
2 Imba gbugbu'u wa Yesu a ju brji rju ni bawu ni kankan rju ni ba wu, ba bi zren baba Yesu, Maryamu wa ba yo Magdali, w a ju brji tangban rju niwu'a.
mbamin’ ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin’ ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan’ ny demonia fito,
3 Ni Yuwana, Iwa Kuza, indji u ndu Hiridus, ni Suzana; ni mba gbugbuwu, ni kpi wu yo'u ba wa ba no ba.
sy Johana, vadin’ i Koza, mpitandrina ny fananan’ i Heroda, ary Sosana mbamin’ ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin’ ny fananany.
4 Vi ri ba yo jubu ndji kabi ni k'lanri, ni tu wa indji gbugbu ba rji ni mi gbu gbugbuwu si ye toh Yesu, A tre ni bawu ni misali.
Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin’ ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy:
5 Indji ri a hi hi bi, bari ba kuhle ni nkon indji ba chan u chinchen ba tan kle.
Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin’ ny voro-manidina.
6 Bari ba kuhle ni tita bubuwa meme na he ni bran na u ba rju nda lu ni gbron, ba k'ma kyu, nitu bi'a na fie meme na.
Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin’ ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.
7 Bari ba ku'hle nimi nchon, i nchon ba ba rju gbron nda zan gbengble ibi'a nda wu bi'a.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.
8 Ibi ba ri ba kuhle ni meme ndindima nda rju gbron bi, na shobi babran, u bari ba sho gbala deri. Wa Yesu tre kle naki nda yo ba, indji wa a he ni ton u wo dun wo.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
9 Imri koh Yesu ba myen i ndu hla tu tre'a.
Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin’ izay hevitr’ izany fanoharana izany.
10 A hlabawu, biyi ba no yi duyi ton kpi ba rir, u koh Irji, ni brou di mi ngla ba vu ni misali, ko bani toh bana toh kpi ngana, ba wo tre u nda na toh ba tre nge na.
Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra.
11 To naki kpie wa Irji a tre yi: ibi'a a tre Irji.
Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin’ Andriamanitra.
12 Ibi wa ba kuhle ni tu nkon a iri bi wa ba kpa tre Irji u brji ba suron mba hdu ba kahle ga da na yo suron na.
Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
13 Naki, bi wa ba chuku ni tita ba ndji wa ba wo tre Irji nda kpa'u ni ngyiri, u ba na he ni njan na, ba kpa tre'a ni nton tsaa me u ni nton wa ibrji tsra ba, ba kuhle.
Ireo teny ambonin’ ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’ izay andro isehoan’ ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
14 Ibi wa ba joku ni mi inchon, baba yi ba ndji bi wa ba wo tre Irji, da ba bu koh gbungblu zan gbengble mba, naki, bana no mri bi bi mana.
Ireo teny amin’ ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’ izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.
15 Ibi wa ba joku ni meme ndindima, a hi ndji bi wa ba wo tre, nda kpa ni suron ri, nda ji gbagba da vu suron.
Fa ireo teny amin’ ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ ny faharetana.
16 Ba ndi ani yo lu nda ka'u ni gbugban, ko ba ka zi ni zah bubu kru, sei baka ka zi ni bubu ma don ndi bata ri baka toh kpan ma.
Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin’ ny farafara; fa ataony eo amin’ ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’ izay miditra ny mazava.
17 Ba kpe wa a hei riri ma, wa bana shele ana ko kpe u riri wanda na rju ni ra na.
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.
18 Yo tu mbi wa bisi woh, du ndji wa ahe ni kpa ba sru tia ni'u u wandi ahe fime, wa ndi asi ri mre, ba vu kpa.
Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.
19 U yi Yesu, baba mri vayi ma, ba ye niwu, bana iya ye whewhre ni wu na, ndji ba he gbugbu.
Ary renin’ i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.
20 Indji ri hla niwu ngye Iyi Me ni mri vayi Me ba he ni ra, ba son toh'u.
Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
21 U Yesu ka kasa da tre iyimu baba mri vayi mu, ahi baba iba woh tre Irji nda kpa'u tie.
Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin’ Andriamanitra ka mankatò azy.
22 Ni vi ri Yesu ari ni jirgi ma, baba mri kohma, wa tre ndi wa wu ni son duba hi ni granmu, ba wlunde zren ni hi ni granmu'a.
Ary tamin’ ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ ny farihy; dia lasa izy.
23 Da ba si hi, sei Yesu ka kruna, u guigui ri u gbengblen ma a lunde ni ma, naki u ma lu ni shu ni mi jirgi'a ba he ni mi ya.
Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon’ ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin’ ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
24 U mri koh Yesu ba ka sh'me wu ni nna, nda tre, “Ninkon mbu, Ninkon mbu! ki si tewhre qu,” wa lunde nda yra nha ni gyungyu'a ni mma wa si shi'a, ka kukri tsit.
Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro.
25 Ni ki wa tre ni bawu, i yo suron mbi'a ahe ni ntsen? Sissri tie mri koh ma, ba wri kpa, ikpe wa ba toh ni ki, u ba tre ni kpamba, “Ahi nha yi wayi, wa ani tre hra gyungyu mba mma u nne baka wo'wu?”
Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
26 Ba ye ni ngbala Gerasines, wa hi whewhre ni gran nne rji ni Galili.
Dia nitody tany amin’ ny tanin’ ny Gerasena izay tandrifin’ i Galilia izy.
27 Da Yesu a grji ye meme, u a toh ndji ri ni ngbala koki wa a he ni brji ni kpama. Indji'a ban ton nda na sru nklon na, ana son ni koh na, naka ni son bubu be.
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin’ ny fasana.
28 Da a toh Yesu, wa kpagro nda kurjoku ni shishi Yesu nda tre ni gbangba ndi, Wu ye tie ngye ni me, Yesu, Ivren Irji ni shulu? Mi bre'wu, na ne yah na.
Fa nony nahita an’ i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra ô? masìna Hianao, aza mampijaly ahy.
29 Yesu a tredun brji duba rju don wu, ni nton gbugbuwu ibrji ba ba huu, ko ba tya lo ni sraka ani su sraka, meme ibrji ba zu hi ni miji.
Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin’ ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.
30 U Yesu ka mye ndji'a, ba yo'u ndi nha? Wa ka tre ndi inde mu a “gbugbu'u,” Yesu tre ndi iki a brji ba gbugbu wa ba ri ni ndji'a.
Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.
31 Ibrji ba bre Yesu du na duba ri ni mi juju na. (Abyssos g12)
Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin’ ny lavaka tsy hita noanoa. (Abyssos g12)
32 Gran dushu u koh bana he gbugbu'u whewhre niki, ibrji ba bre Yesu du duba hi ri ni mi dushu ba, Yesu ka kpa nyime ni bawu.
Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
33 Ibrji ba ba don ndji'a nda ri nimi dushu ba, u grake dushu ba ba ka tsutsu ka ri ni nne, u mma nne'a ka vu ba hi.
Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin’ ny hantsana ho any amin’ ny farihy, ka dia maty tany.
34 Inton wa ndji bi ho dushu ba toh kpe wa a tie'a, baka tsutsu nda ka hla kpe wa a tie'a nimi gbu ni kosan gbu'a.
Ary nony hitan’ ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.
35 Da ndji bawo kpe a tie'a, nda ni ye toh, ba ye gbugbuwu, Yesu he ni ndji'a ndi brji ba rju ni kpama, ba toh a sru nklon nda kri, nda he ni mre ma, u sissri ka tie ba.
Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin’ i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan’ ny tongotr’ i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
36 Indji ba toh kpe 'a ada tie'a, ba hla yada Yesu chu brji'a rju ni ndji'a.
Ary izay efa nahita dia nanambara tamin’ ny olona ny namonjena an’ ilay demoniaka.
37 Du ndji wa ba he ni ngbala Gerasines ni bi wa ba he ni kosangbu'a ba bre Yesu du rju ni gbu mba, don ba klu sissri niki Yesu ni mri koh ma ba ri ni mi jrigi nda hi kpamba.
Ary ny olona rehetra tany amin’ ny tanin’ ny Gerasena manodidina dia nangataka an’ i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.
38 Ndi waibrjibarju ni kpama, a bre Yesu du du wawu hu, Yesu yo inkoh nda tre,
Ary ny lehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin’ i Jesosy izy ka nataony hoe:
39 K'ma hi ni koh mbi, ndi hla ni ndji ikpe wa Irji tie ni wu. Ni ki ndji'a a hi nda ni hla ndji ikpe Yesu tie ni wu.
Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’ i Jesosy taminy.
40 Da Yesu k'ma ye ndji basi gben'wu.
Ary nony tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra.
41 Indji wa inde ma Yayirus, iri ni mi mba bi tre Irji, aye nda kukug ngbarju ni Yesu ni meme, da bre du ye ni koh ma.
Ary, indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.
42 Vivren ma a hama ni si kpa, u sei tso, asi hi bubu ku, a hi wa wu yi vivren wa ni nklen ma, da asi hi indji gbugbu'u basi hu.
Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin’ ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.
43 Wa ri ni gbu'a ata ju jin sie tso, a wu kle ma wa wu ni bi no imum di ba no sie, ba ndji'a iya no sie na.
Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin’ ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin’ ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.
44 Wa zu ni kogon Yesu nda taba nklon ma, ni ki iyin a kukrie.
Dia nankao ivohon’ i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin’ izay dia nijanona ny aretiny.
45 Yesu tre ahin nha anha ni kpa mu? Bari wa ba he whewhre ni wu ba tre ndi bana taba wuna, Bitrus tre ndi, indji gbugbuwu ba si ma'wu.
Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.
46 Ni kima Yesu ka tre mi toh indrjo a taba nime, gbengblen a rju ni kpamu.
Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
47 Da iwa a toh wawu na ya ri ngana, nda ye nda ni klu sissri nda kukyu ngbarju ni shishi Yesu nda hla ni kpa di ba di kpe waa sa du wawu taba ni Yesu, u iyi'a ka kukri.
Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra izay anton’ ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin’ izay.
48 Sei wa hla ni wu vre yo'u suron me a du lilo'a kle, hi kpa me ni si suron.
Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.
49 A mi tre se ndji ri ka rji ni koh tra Irji aye nda tre, vivren wa me'a a kyu ye, na yo'u mala ya na.
Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin’ ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
50 Da Yesu woh naki a sa ni Jariyus, nda tre na klu sissri na, yo suron, ani lunde.
Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.
51 Wa ye ni koh, ana du ndrjo huri ni mi koh'a na, se Bitrus, Yohana u Yakubu ni tie vrenwa'a mba iyi ma.
Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin’ ny ray aman-drenin-drazazavavy.
52 Indji gbugbuu niki ba si yi gbagba me, don vivrenwa'a a kyu. Yesu ka tre du ba ka chuwo ni yi, ana qu na, asi krunna migyen.
Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.
53 Ndji ba ba zah u kpa tsri, don ba toh ndi vrenwa'a a qu.
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
54 A vu ni woh nda si yo nde vivren wa da tre du lunde.
Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
55 Ni ki ivren ma ka k'ma ye ni mi kpama wa a lunde, wa a tre du ba no kpe dun rhi.
Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin’ izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.
56 Ba tie ma mba yi ma, ba bu iyie'u yo nitu da ya, Yesu a hla ni ba wu du ba na hla ni ndrjo kpe wa a tie na.
Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin’ olona ny zavatra efa natao.

< Luke 8 >