< Luke 4 >
1 U Yesu he shu ni Ruhu tsatsar, a kma ye rji ni nne Urdu'a, Ruhu nji wu hi ni miji
Ary Jesosy feno ny Fanahy Masìna dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
2 niki a tie vi wlon nkpu nza ka meme brji ka tsra wu. Ni nton ki ana rhi kpe na, u ni klekle'a iyon vu babran.
ka nalain’ ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’ izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
3 Ibrji a to naki nda mye “wuta tre wu vren Irji, kma tita yi tie bredi.”
Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
4 Yesu a sa niwu ndi, “itre Irji a hla ndi, ndji na rhi bredi mba nda son na.”
Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona.
5 Ibrji toh naki nda nji Yesu hi ni tu ngblu nda tsro wu wawu ngbungblu'a nimi fime nton'a.
Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao.
6 Wu brji hla ni wu ndi, “Mi nowu Chu ni konge bi ndindi, don ba ka ba ne, u mi ya ka no ndji wa mi son'a.
Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
7 Wu ta kuqu mgbarju ndi gbre san mu, ba kma tie u me.”
koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
8 U Yesu kpa sa'wu nda hla ndi, “Itre Irji hla ndi, 'Wu gbre san Bachi me kankrji ma, ndi hu wawu yi.'”
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
9 Ibrji a nji Yesu hi nimi Wurishelima nda yo'wu ni tu nkan u koh Irji'a, nda hla niwu ndi, “Wuti hi vren Irji'a, za grji rji ni wayi'a.
Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
10 Itre Irji hla ndi, 'Irji ni dun Maleku ma njiwu, na dun ba hra'wu,
fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
11 U, 'Ba nzu wu nji rji ni wo mba, don dun wu na wru za ni tita na.'”
Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
12 Yesu a hla wu “Wuna tsra Irji Bachi me to na.”
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrao.
13 Ibrji a tsra Yesu nda don wu me sai ton ri, nda hi kpama.
Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
14 Naki, Yesu a kma hi ni Galili nizo 'Ruhu Maitsarki.' Itre ma a zren ni gbungblu kagon ni wre ki.
Ary Jesosy niverina tamin’ ny herin’ ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ ny tany rehetra manodidina ny lazany.
15 Nikglaki Yesu fara tsro ba terma. ni tra ma u ndi wawu mba ka gbre san.
Ary Izy nampianatra teny amin’ ny synagogan’ ny olona ka nankalazain’ izy rehetra.
16 A wru niki nda ye ni Nazarat, ni wrji wa ba raya ni wu yada Asaba ri ni tra u beri ni viwu wu bre, nda wlunde ni bla nvunvu u tre ma.
Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
17 Nvunvu wa bi tie ndu Irji wu Annebi Ishaya. Abwu nda bla nvunvu a nda to bubu ba nha tre'a,
Dia natolotra Azy ny bokin’ Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
18 “Ruhu Irji he niwu me, wawugblegben mu a ton me ndi me hi hla tre ndindi ni bi ya.”A ton me nda ne gbengble ma dun mi hi tre ni biwa ba hei ni lo ndi cu ba cuwo, di bwu shishi ni bi fei, ndi kpa bi wa ba myen ba,
Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
19 Dun mi hi hla 'nton' wa Bachi kpa ny'em nita.”
Hitory ny taona ankasitrahan’ i Jehovah.
20 A ka nvunvu ka no ndi wa ani gri ni wu'a nda kuson. Shishi ko nha ni tra Irji'a kma hi ni wu.
Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’ izay rehetra teo amin’ ny synagoga.
21 A wlunde bubbu terniba wu, “Luwa itre Bachi, ri gregreme ni nton mbi.”
Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
22 Ko nha niki tretre wubi ma niwu nda tie sissri domin kikle tre wa to rju ni nu ma u ba mie. “Wayi ana viri Isuwu nan?”
Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak’ i Josefa va Ity?
23 A tre ni bawu, “a njanji bi tre ni shap-shap nimu, 'bi no mwu, bana si no kpa mbi si ki. Kpe wa wu tie ni Kapanawun, tie naki ni gbume.'”
Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ ny taninao koa.
24 Ama a tre ni bawu, “Njanji mu me hla ni yiwu, ba ndji wa ani tie ndu Irji u baka kpa'wu ni gbuma.
Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ ny taniny.
25 Njanji mu mi hla ni yiwu, mba bi ya ba ba ni Israila ni nton Ilisha, ni nton wa shulu a kaka ni bwu, hra sei trani wha tanne, meme yon a ye ni gbu wawu.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ ny tany rehetra;
26 Bana ton Elia hi ni gburi na Zarephat ni Sidon wa iwa ri wu kpla ni son ki.
nefa tsy mba nirahina ho any amin’ ny anankiray tamin’ ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin’ ny tany Sidona ihany, dia ho any amin’ izay vehivavy mpitondratena.
27 Wu bi chong-rju bahe ni Isrela suse ni me Elisha Annebi du ba wa kpari cuwo se Naaman wu he Syria.
Ary maro no boka teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany.
28 Du indji ba ni mi tra wu Irji ba tie nfu ni ba wo'a.
Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ ny synagoga, raha nandre izany,
29 Ba wlu ni nfu nda gbi nda ni mi gbuu nda kji he ni tu ngblu ri wa ba meh Komba ni tu ma, ba son ba tru taga rhi ni tu ngblu'a.
ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ ny havoana niorenan’ ny tanàna, mba hazerany amin’ ny hantsana.
30 A ri zu ni tsutsu mba bana tona wa a hi ni buburi.
Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
31 Ziza'a ni gbuyi a grji hi ni Kapanawum ni gburi, ni Galili ndani tsro ba ni vi wu cacu wa (asabat) bana tindu na.
Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ ny Sabata.
32 Ba tie nfu niwu ni tre wani tre nibawu, u yi sa.
Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
33 Nimi tra wu bre Irji indiri he ni meme ruhu ibrji, ayi gbangban me,
Ary nisy olona tao amin’ ny synagoga, izay nanana ny fanahin’ ny demonia maloto, dia niantso tamin’ ny feo mahery izy
34 “A nge hada wu ni ta Yesu u Nazarat wu ye wuta mu? Me to kowu nha, vren Irji wu tie zren geger.”
ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
35 Yesu bwu shishi ni meme ruhu nda tre, “Na bu nyu ndi tre na! rju ni kpama” Meme brji a riga da ban taga ni memeye ndatsutsu ndi ba meme ruhu brji a rju ni kpama, dana tie kpe na.
Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
36 Naki indi batoh kpe wu mamaki nda kamba nda ni tre nituma, ko nha ni kpama, “Nda tre a wani iri tre mu naki? A gbi ton ni meme ruhu'a dun rju nda kagu'a cuwo, wa he toki.
Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin’ ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
37 Itre ma atsra ni ko ni ntseyi ni klamba.
Ary niely teny amin’ ny tany manodidina rehetra ny lazany.
38 NambaYesu a bri tra wu bre niki nda hi nikoh Bitrus, ni nton ki iyi wama ana he ni sikpa nadon zazabi a vu, indi ba bre dun zoba ni nde mako ani wlunde.
Ary nony nitsangana niala tao amin’ ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona. Ary azon’ ny tazo mafy ny rafozam-bavin’ i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
39 Yesu aki ni kotuma nda gboshishi ni meme brji nda zu zazabi du bri niwu; ba wu ton wa he naki niwu ana wu nton a dalu fara sru biri ni wuh.
Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin’ izay izy ka nanompo azy ireo.
40 Inton wa Irji nihe qu, indi gbugbu wu ba mmri vayi mba niye ni Yesu dun noba sikpa ni lulo iri-iri. Bari a sawo ni kpamba megyen baka fe sikpamba.
Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin’ izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
41 Meme ruhu gbugbuu ba rju ni kpamba, bari bayi nda tre “Wu vren Irji” Yesu a gbonshishi ni meme ruhu ba nda zu ba dubana tre na don ba to ndi wawuyi Kristi
Ary nisy demonia nivoaka tamin’ ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
42 Ka mble kpan, waa rju hi bubu wa ba indji gbugbuu ba wawuyi nda to ni bubuki. Bana kpa nhime du kaba don na.
Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
43 An hla ni bawu ndi wawu nison da cigaba ni bla tre Irji ni gbu bari, domin a hi kpa wa ba ton me ye ni wayi'a.
Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra any amin’ ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
44 Naki nda cigaba ni noba tre Irji ni du Irji koni ntseyi ni kla Judia.
Ary Izy nitori-teny tao amin’ ny synagoga eran’ i Galilia.