< Luke 24 >
1 Ni bwu mble, ni vi mumla wu Sati'a, ba ye ni bubu ibe'a nda nji nnye wu bwa ni kmo, wandi bana ti'a.
Fa nony maraina koa tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia nankany amin’ ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
2 Ba to ndi ba nyi kikle tita wa ka nyu ibe rju.
Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ ny fasana.
3 Ba ri nimi nda toh ndi k'mo Bachi Yesu na he na.
Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’ i Jesosy Tompo.
4 A hye niki, ba ri he ni tsishishi ni tu kpe yi, ndji ha ba rju kri ni ba ni inklon wa zan pri me.
Ary raha mbola very hevitra tamin’ izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
5 Niki mba-ba ba ti sissri nda kukru ni shishi mba ni meme, i ba tre ni mba-ba ndi, “Ngye du yi ni wa ndji wu vrhi nimi biwa ba qu ye'a?”
Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona?
6 Ana he ni wayi na, ba nzu lunde ye. Rhimre ni tre ma niwa a rhi he ni Galili,
Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
7 ndi ba guchi vu Vren Ndji nu ndji bi lah tre, ba gran ni kunkro, ni vi wu tra ani la lunde.
Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo.
8 Imba ba ba tika itre ma,
Dia nahatsiaro ny teniny izy.
9 nda kma don bubu ibe'a nda bla ni wlon don ri'a baba mbru ndji bari, wawu ikpi biyi ba
Ary niverina niala tamin’ ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy sy ny namany rehetra.
10 Niki, Maryamu Magdalin, Joanna, Maryamu iyi Yakubu, ni mba ba rima, mle, baka vu bla ni manzani ba.
Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin’ i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman’ ireo koa dia nilaza izany tamin’ ny Apostoly.
11 Ama itre wa a bla bawu a rju choloncho ni manzani ba, i bana kpanyime ni mba-ba na.
Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
12 I Bitrus a lu kri vu tsu hi ni bubu be'a, nda ku dran nda ya mima. A to ba pri nklon wu kpa ma ba shii zini kosan. Bitrus a kma hi ni koh ma, nda ni rhimre ikpi wa ba he'a
Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin’ ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
13 Ni vi baki, ndji ha ni mimba ba vu nko tayi ni vi gbu Emmawus, wandi a mili ttamgba ni mbru rji ni Urushelima.
Ary, indreo, nisy roa lahy tamin’ ireny nandeha tamin’ izany andro izany hankany amin’ ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.
14 Ba si tre ni kpamba nitu ikpi biwa ba si zren'a.
Dia niresaka ny amin’ izay zavatra rehetra nanjo izy.
15 Niwa basi tre nda ni mye kpamba, Yesu kima a ye nda si zren ni ba.
Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
16 Shishi mba ana bwu du ba mla toh ka ahi nha na.
Nefa ny mason’ ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
17 Yesu a hla bawu ndi, Bi ki zren nini tre nitu ngye, hambiwu ni ton nkoh? Ba kma kuki nda kri ngbonme.
Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
18 Iri mba, ni nde Cleopas a sa niwu ndi, “Wu nklen me yi ni gbu Urushelima wuna toh ikpi wa basi zren ni vivi yi na?
Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao?
19 Yesu a mye ba ndi, “ikpi bi rime?” Ba sa wu ndi, “Ikpi nitu Yesu wu Nazarat wandi ana Anabi kikle ni ndu, mba lan tre ni shishi Irji mba ni ndji wawu'u,
Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
20 Wawu yi kikle Prist, baba bi ninkon wu gbu'a ba vu nu du ba lo u wu qu nda klo ni giciye.
dia ny amin’ ny nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana.
21 Kina yo suron ndi wawu yi ni ye kpa Israila chuwo. E, nha ni kima, a vi tra zizan wa ikpi biyi ba he.
Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’ izay nahatongavan’ izany.
22 Ngari, mba bari, nimi mbu ba rju ni tre wa anuta sissri, nitu hi mba ni bubu ibe ni bwubwu mble.
Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin’ ny fasana maraina koa izy,
23 Ba hi ka toh ndi kmo ma na he na, nda kma ye si tre baka toh Maleka wa a hla bawu ndi a he ni sissren.
ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
24 Ndji mbu bari ba hi ni bubu ibe nda ka to tsra ni kpe wa mbaba ba hla'a. Ama bana to'o na.
Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin’ ny fasana, ary nahita araka izay nolazain’ ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
25 Yesu a hla bawu ndi, “Bi ruru ndji, bi si sron kpanyime ni kpe wa anabawa ba tre!
Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ ny mpaminany.
26 Ana bi zan du Kristi sha ya ikpe biyi rhi nda ri ni nzuhon ma na?”
Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny?
27 Niki rji ni Musa, zu ni anabawa wawu, Yesu a mla bla ni bawu ikpi nitu kpama nimi nvunvu tre Irji.
Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masìna rehetra.
28 Ni ba tie whiwhre ni vi gbu wa bata hi niwu'a, Yesu a ti to ani zren hi guchi.
Ary efa mby teo akaikin’ ny vohitra izay efa halehan’ izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
29 Mle ba bre u ndi, “Son nita, yalu si tie, i ivi'a ti wiewiere wu kle ye. Mle Yesu a kpanyime nda ka son niba.
Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
30 Niwa a kuson nda ni rhi niba, a ban bredi'a, yo lulu niwu, nda nziga nu ba.
Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
31 Shishi mba a kri bwu i baka mla toh wu, wa kri kado ni shishi mba.
Dia nahiratra ny mason’ ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
32 Ba hla ni kpamba, “Suron mbu ana si'a gon ni mi-mbu niwa a si tre ni nkon, nda tsro ta nimi nvunvu tre Irji na?”
Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masìna tamintsika?
33 Ba kri lunde ni ton kima nda vu nkon kma hi ni Urushelima. Ba ka ri ni wlon don ri ba, nda toh ba baba bi wa bana he ni ba'a,
Dia niainga tamin’ izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ ny folo lahy mbamin’ izay nomba azy tafangona teo
34 nda hla ndi “A njanji, Bachi mbu lunde, nda tsro tuma ni Siman,”
sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’ i Simona.
35 Niki ba vu kpi wa ba toh ninkon mba wa ba mla toh Yesu ni andi a ban bredi si ga nuba a.
Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin’ ny namakiana ny mofo.
36 Niwa basi tre kpi biyi, Yesu kima, a rju kri ni mimba nda tre ndi, “Si suron son niyi.”
Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
37 Ba ti gbri me i sissri a vu ba. Ba ban ndi ba toh ibrji ma mu.
Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
38 Yesu a hla bawu ndi, “A ngye du yi ni tie sissri? A hi ngye ni lo yi ni suron?
Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
39 Toh iwo mba iza mu. A hi me kimu. Sa wo nitu mu ni toh. Ibrji na he ni nma kpa mba ququ na wandi bisi to mi he niwu na.”
Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
40 Niwa a kle tre toyi a tsro ba iwo mba iza ma.
Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
41 Niki me, bana kpanyime na, nitu ngyiri ni sissri. Yesu a mye ba ndi, “Bi he ni ikpe wu rhi?”
Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?
42 Ba nu vi lambe wa ba sron'a.
Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.
43 Akpa nda rhi ni shishi mba.
Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.
44 A hla bawu ndi, “Biyi yi ba lan tre mu, wandi mi hla ni yiwu niwa mi he ni yi, ndi ikpi wa ba nha ba ni nvunvu doka Musa baba anabawa ni Zabura ba wrhu he toki.
Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
45 Alu bwu mre suron mba du ba mla to nvunvu tre Irji.
Dia nanokatra ny sain’ ireo Izy hahalala ny Soratra Masìna.
46 A hla bawu ndi, toki ba nha ndi Kristi ni shaya nda lunde rji ni qu ni vi wu tra.
Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo;
47 Kma suron wrhu ni la tre ni kpa wrehle lah tre ma. Hi bla ni ndi kagon ngbungblu rhi ni Urushelima, ni ndema.
ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
48 Bi toh ikpi biyi ni shishi-mbi.
Ary ianareo no vavolombelon’ izany.
49 Ya, mi si ton yi nitu ikpe wa Timu a rhentse ni tuma. Bi gben ni mi gbuyi nitu ba kayi ni nklon gbengblen rji ni shulu ri.
Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any amin’ ny avo.
50 Niki Yesu a wrhu ni ba nda hi wiewiere ni Betani, nda nzu wo ma nda yo lulu ni bawu.
Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
51 Ni wa a ta yo lulu ni bawu, ba kri ban'u hi ni shulu.
Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
52 Mle ba ku nzu ndema, nda k'ma yi ni Urushelima kikle ngyiri.
Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.
53 Ba si'a ki chachu ni tra Irji nda ni tie lulu niwu.
Ary teo an-kianjan’ ny tempoly isan’ andro izy nankalaza an’ Andriamanitra.