< Luke 23 >

1 Indji ba wawu mba, ba lunji Yesu ye ni koshi Bilatus.
Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an’ i Jesosy tany amin’ i Pilato,
2 Na lu ni nhanwu andi, ba ka toh asi kpa indji si ti meme na ni tonba ni timeme, ndu ba na kpanyime na nhan iban hi no Kaisar na, na ni yo tuma Almasihu, Ichu.”
dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
3 Bilatus Myen, Ahi wuyi Ichu Yahudawa? U Yesu kpanyime niwu, “Anaki wu tre.”
Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
4 U Bilatus hla ni Firistocin bi ninkon ba ni jubu indji ba, “Mi na vu ni lah tre riri me na.”
Dia hoy Pilato tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity.
5 U ba luni tre, andi, “A kpa suron indji ni tie meme na ni hla tre ma ni Yahudiya, a so ma rji ni Galili ye ni wayi.”
Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’ i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
6 Niwa Bilatus a woki ma, na miyen indji bi Galili'a wawu
Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
7 Wa ye toh ni mre ma andi a he ni zah (kalkashi) pkancin Hiridus, natru Yesu hi ni Hiridus, wa a he nitu ma Wurushelima ni vi bi ton ki.
Ary rehefa fantany fa avy tamin’ ny tany tapahin’ i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin’ i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin’ izany andro izany.
8 Ni wa Hiridus a ku shishi ni wu u ngyiri shu niwu ni suron su se'a ni tu wa azi wau tu lalon mu ni sun toh wu. Wa a wo tre tuma, waa dede ni yoshishi ni sun toh iri kpii wa a ni tie bi so sissri wa a ni tie'a.
Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an’ i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.
9 Hiridus a miyen Yesu ni mi tre bi gbugbu, u Yesu na sa kpe riri ni wu na.
Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
10 Firistocin bi ninkon ba ni biwa ba nhan, lunde kri, ni nha nu
Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.
11 Hiridus ni sojoji ma ba lu ni nhanu, nani whiyen ni wu, u ba sru nkulon bi ndindi ma niwu, na kma tru Yesu hi ni Bilatus.
Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin’ i Pilato.
12 Ba Hiridus mba Bilatus ba tie kpan ni kpamba chachuki (ba na ta yo kpamba ni ko shishi).
Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin’ izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan’ izany.
13 Bilatus yo Firistocin ni bi chu ni jubu ndji ba,
Ary rehefa nasain’ i Pilato novorina ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
14 na hla ni bawu, wa hla ni bawu, bi ka nji igu yi ye na indji wa ani ton ndji timeme, bi yi me bi toh, mi, miye ni shishi, mina vu lahtre riri me na wa bi ki nhanwu na.
dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity amin’ izay iampanganareo Azy.
15 Ba kpe, Hiridus me, ala ka tru kma ye ni tawu, bi toh, igu yi na tie ikpe wa ba wu'a na
Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
16 Ni tu ki mi gbi ton niwu ni kachuwo.
koa hofaizako Izy, dia halefako.
17 Wa hi gbigbi ni Bilatus ndu chu indji u y'bi iri no ba ni Idin)
18 Wawu mba wu ba lu tre vovome, ndu ba, “Nji gu mba hi, na nji Barabas grji!”
Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
19 Barabas a guri wa ba yo ni mitra u lo ndji bi latra, nitu wa aka kpa suron tie meme ni bawu ni gbu na wu ndji.
Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
20 Bilatus ala tre, asun ka Yesu chuwo.
Ary satria tian’ i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.
21 Ba la tre vovome, ni, “Giciye wu, giciye wu.”
Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
22 A hla ni bawu nkpu u tra, “Nitu ngye, a ngye yi indji yi tie wa a meme? Mi na toh kpe wa a tie wa bi wah bi wu'u ni tu ma na. Ni naki to bi kle nu'u yah, me ka'u chuwo.”
Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.
23 Ba kri titu, na tre gbangban me, ndi ba sun ndu ba giciye wu, u tre mba ka mren Bilatus saran.
Fa niantso tamin’ ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’ i Jesosy amin’ ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ ny olona.
24 U Bilatus a kpanyime ni bawu ni kpi wa ba sun.
Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.
25 Wa ba miyen a nji grji ni bawu na no ba i wa ba yo ni tra u lo ndji'a nitu wa a kpa suron tie meme nda wu ndji, na no Yesu ni kpi wa son.
Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
26 Ba nji hi, na zu vu guri inde ma Siman Bakurane, a rji ni gbu siye, u ba ban giciyen gran ni wu gba, ndu nji hu Yesu.
Ary raha nitondra an’ i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an’ i Jesosy.
27 Chubu nji ni mba ba lo suron na ni yi nitu ma, na ni hu.
Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
28 Wa kma yaba, Yesu tre, “Bi mri mba Urushalima, na yi nitu mu na, bi ka yi ni tu-mbi ni mri-mbi.
Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
29 Bi toh, ivi ni ye wa ba tre, lulu a biwa ba son ni krju ni bi wa bana ngrji na, ni sisan wa bana mma na.”
Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
30 U ba fare tre ndu tita, “Ku chan ta, ni Igbulume, Bika kata.
Dia hilaza amin’ ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ ny havoana hoe: Saròny izahay.
31 Ba ni na tie kpi biyi u kunkron a ri he ni shushu, ahi ngeri ani tie u kunkro klu ye?
Fa raha ataony amin’ ny hazo maitso izany hatao ahoana amin’ ny maina?
32 U ba nji indji hari biwa ba lah-tre, hi niwu baba Yesu.
Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
33 Wa ba ka ri ni bubu wa ba yo, “kyukyu” niki ba ka kpan ba ni kunkron'a (giciye) ni bi y'bi hari, u ri ni wo kori, u ri ni ko ta.
Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’ i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
34 Yesu tre “Itie, kpa wruhle ni bawu, don bana toh kpe wa ba tie na.” Ba lu ni ta chacha, na yaba inklon ga.
Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
35 Indji ba lu niya bi nji ndji (mulki) ba wa ba ye si tsawu andi, “A kpa bari chuwo. Dun kpa tuma chuwo ki, toh wawu yi hi Almasihu u Irji, wa ba chu'a.”
Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’ Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
36 Bi lokpa me ba tsawu, na wa niye, nda ni dren iman wa'a sa.
Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
37 Nani tre, “U ta hi chu Yahudawa, U ka kpa tume chuwo.”
sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
38 U gban ri he niwu tu, “I wa yii a chu Yahudawa.”
Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’ NY JIOSY.
39 Iri ni mi bi y'bi hari ba wa ba kpan ba, a mre'u andi, “A na wuyi Almasihu na? ka tu me chuwo ni kita me.
Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
40 U ri ma sah, wa ya losuron, “U na tie sissri Irji na, nitu wa ba wuta baba?
Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41 U mbu ba tie tsra, ki kpa mbu nitu kpe wa ki tie, Igu yi ana tie kperi memema na.”
Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
42 Nna la tre, “Yesu na kparisu ni me na, uta ri ni ko Itie me.”
Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao.
43 Yesu hla ni wu, “Njanji tre misi hla niwu, luwa u he nime ni Firdausi.”
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
44 U ba he niki ni krafi tanne, u bubu ka tie bwu kagon gbu'a wawu, hi ni krafi tiya.
Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany,
45 U rji grji ka ku. U bre gontra tra u tre ni Irji a yar tie hari ni tsutsuma ye ni meme.
satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ ny tempoly.
46 Ni yar yi ni lan gbangban me, Yesu tre, “Itie, mi ka Ruhu Mu no niwo me.” wa tre naki, na que.
Ary niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
47 U Jirimia a toh kpi wa a tie, na gbire Irji san, “Gbigbi iguyi a hi indji ndindi.”
Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
48 U Ijubu indji ba wawu, wa ba hu ba ye ndu ba ye toh ikpi wa a tie ni shishi mba, ba kma ni wru wo ni san mba.
Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
49 Bi wa ba toh wawu mba'wu, ni imba bi wa ba hu ba rji ni Galili, u ba ka kri ni gbugbanmu, na si ya kpe wa a si zren
Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
50 U indji ri ba yowu Yusufu, ahi vren u majalisan ni ugbu na indji ndindi.
Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
51 Wa na kpa nyime ni kpi wa ba tre ni kpi wa ba tie na, rji ni Arimatiya ni meme Yahudiya, i wa a si kben hi koh Irji.
Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra.
52 Igu ki, ahi ni Bilatus, na miyen wu a ndu ban ikpon Yesu no wawu.
Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.
53 Wa nji grji ye meme, na nyewu ni pri ndindi, na kayo ni mi bbe wa ba shime ni kpa tita, ni bubu wa ba na rju ndrjo toh na.
Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
54 Ivi ri ri ni vi, u Asabaci te whiwhre.
Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.
55 Ba imba biwa ba ye baba Yesu rji ni Galili, ba hu nda toh wrji wa ibbe'a a he nda toh ka ba yo nkpon ma'a.
Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.
56 U ba kma hi, u ba wa inye u gban ni turare. U ba kusi ni ivi Asabaci, nidu.
Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.

< Luke 23 >