< Luke 16 >
1 Yesu hlani mri koh ma, (Almajirama) “A ndi igu ri he niwo (arziki) na he ni indji wa ani ya bi ndu ni wu'a, U ba ye hla ni wu indji iwo, andi igu ya bi ndu ma a ri woma ni hi kle.
Ary hoy koa Jesosy tamin’ ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ olona taminy fa mandany ny fananany.
2 Indji iwo'a a yo na miyen ahi nge mba mi wo? Ne lisafi ikpe wa u tie ni ya ndu'a u na la tie ndu, u ya indji ngana.
Ary nampaka azy izy ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin’ ny fitandremanao ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao.
3 Igu u ya indji ba (wakili) a ta mre, “Ahi nge mi ti, tun nde itie koh mu a vu me kpa ndu u ya? Mina he ni gbengble wami ya ron na, Ishan ni ti me mi na ya bre na.
Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin’ ny tompoko amin’ ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.
4 Mi toh kpe u wa mi tie'a inde ba zu me ni ndu u ya indji (wakili), indji ba ka kpa me hi ni koh mba.
Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ ny fitandremana ny fananana aho.
5 Ayo bi wa itie koh ma ni huba ihlah, a miyen u mumlan, 'Ahi bren itie koh mu ni hu?'
Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin’ ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan’ ny tompoko aminao?
6 Andi uma a Garuwa Iyen Deri. Wa hla ni wu, kpa nvunvu u nha me, gbagbla nha hamsi nihi kuson kpa me ni ka don.
Ary hoy io: Diloilo injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimam-polo no soraty.
7 Wa hla miyen ri, ibren ba hu? Wa tre, buhu alkama dari wa hla niwu, kpa nvunvu yi, ni nha tan mani
Dia hoy izy tamin’ ny anankiray koa: Hoatrinona kosa no trosa aminao? Ary hoy izy: Vary injaton’ ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: Inty, raiso ny taratasinao ka valo-polo no soraty.
8 U tie koh ma kber igu lah tre san nitu wa a tie whiri, imlen imri bi, zizanyi ni indji mba, ba whiri zan imri bi kpan. (aiōn )
Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’ izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ ny karazany noho ny zanaky ny mazava. (aiōn )
9 Mijhla ni yiwu tie kpan nitu he niwo wa ana bie na. Wa ye nna wo kle, u ba ka kpa yi hi ni koh wa bi son hi ni tuntur. (aiōnios )
Ary hoy Izaho aminareo: Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ ireo ho any amin’ ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. (aiōnios )
10 Indji wa ni tie njanji ni kpi tsitsa ma, A ni ti njanji ni rhi grama, u indji wa ana tie njanji ni kpi vi tsitsa mana, ana tie njanji ni kpi rigra ma na.
Ary izay mahatoky amin’ ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ ny be; ary izay tsy marina amin’ ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ ny be.
11 Inde u na tie bi ni wo wa ana u njanji na, u nhan ni kpa nyewme ni wu ni wo u njanji?
Koa raha tsy mahatoky amin’ ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo ny amin’ ny tena harena?
12 Toh wu na ni tie njanji ni nji kpi u bari na, anha ni no wu inkleh u me?
Ary raha tsy mahatoky amin’ izay an’ olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?
13 Ba indji wa ani ya biu tie ko hari, ni mi nton riri, se ka kpa ri na kari don, koh ka kpari tsri na kpari nyime. U na ya hu Irji mba inklen na.
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy mamôna ianareo.
14 Farisawa bi wa ba son inklen kpukpome'a ba wo tre naki wawu na nzah.
Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an’ i Jesosy.
15 Wa hla bawu, 'Biyi bi ban tu mbi ni shishi ndi ni kperi, ama Irji toh mi suron mbi. Ikpi wa ndi ba kpanyime niwu wawu, ahi kpi u shan ni Irji.
Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra.
16 Attaura ni Litafi Anabawa ba he si ye ni ye Yohana rji ni nton ki ye zizan yi, ba tsikpa bubu bla tre Irji, indji wa wu ba ri ti tu ni gbengblen ni yo tu mba niwu.
Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’ i Jaona; ary hatramin’ izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.
17 A hi fie me ni shulu mba ni meme ndu ba su e tu ni wa, iten riri u Attaura ndi joku migen.
Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan’ ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan’ ny tendron-tsoratra iray monja aza amin’ ny lalàna.
18 Indji wa a ga gran ma ni Iwa-ma na kpa iwa ri a zina a si tie, ni nidji wa a kpa iwa wailon ma zu a hi zina a si ti.
Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa.
19 Indji iwo ri a shur kpimabi tie le nani zren zren ma ko ni nton ri meh.
Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan’ andro tamin’ ny fahafinaretana.
20 U indji u bre ri ba yo ni Lazaru ba nji ye ka yo ni nkotra koh ma, ni kpukpa inkpa-n ni kpa,
Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan’ ny vavahadiny;
21 Wa ni son rhi birhi wa a kuble ni tu tebru, u yawu ba ye nle kpa-n.
ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ ny latabatr’ ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.
22 Wa ye tsra ni nton wa indji u bre a ye kyu, u Maleku ba ye ban hi ni nhma ko wa Ibrahim he. U ndji u wo'a (arziki) a kyu u ba ban ka rju.
Ary maty ilay malahelo, dia nentin’ ny anjely ho any an-tratran’ i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
23 wa ka ri ni koh lu, wa zun shishi hi ni shu, na toh Ibrahim gbugban mu ba sun mba Lazarus ni ngbala ko wa Ibrahim he. (Hadēs )
ary raha nijaly tao amin’ ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’ i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany. (Hadēs )
24 Wa yra yi yo, Itie mu Ibrahim, toh me ni lo suron ni ton Lazarus, ndu ka vren wo ma son ni mma, na chu kpi yo ni mu ni lbe ndu jubu gbugbran mu.
Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ ny rantsan-tanany amin’ ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ ity lelafo ity.
25 Ibrahim tre vuvren, Rimre ni sun me ni gbungblu, u rhi ro wo me ni kpa kpi bi bie ma, u Lazarus si tiya, u zizan mba ba ndu si toh roma ni wa, Iwu mba u si tiya.
Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay atỳ, ary ianao kosa no fadiranovana.
26 U naki me ba shi juju ni tsitsu bi vron me, ni ndu bi wa ba sun zagran ye niyi ba ka na yana, kuma biwa ba he ni yi ko mba ba ka na zagran ye nita na.
Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
27 U indji i wo tre, mi bre wu, Itie mu Ibrahim, u ka ton hi ni koh itie mu, u ngrji'a -
Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin’ ny tranon’ ny raiko
28 Mi he ni mri vayi mri-lon iton, ndu hi hron ba ni ndu ba na ye ni bubu yi na.
(fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin’ ity fijaliana ity koa izy.
29 Ibrahim hla niwu, ba he ni Musa ni anabawa, ndu ba wo ba.
Fa hoy Abrahama taminy: Manana an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
30 U indji i wo, a sa niwu andi, A'a Itie mu Ibrahim, indrjo ri ni ta rji ni mi bi kyu ka hla ni bawa, ba k'ma suron mba no Irji.
Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin’ ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
31 U Ibrahim hla niwu, inde bana wo Musa ni anabawa bana, ko indji wa a kyu lunde na ka hla ni ba wu bana wo wu na.
Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an’ i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin’ ny maty aza.