< Luke 1 >
1 Ndji gbubgu bana gucci tie ndu yongyegyere kpi bi andi a ye rju kri ndende ni mi mbu'a.
Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa,
2 Na-wa ba ka ba sru ni wo-mbu'a, rji ni biandi bana to ni shishi mba baba bi tindu lan tre-a.
araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ ny voalohany:
3 Mi toh abi nimu nitu mi ban ikpi ba shle ya toh rji ni mumla, mba ni ni nha nitu mba gyegyere niwu Uchu Tiyofilos.
dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
4 Ni dun toh, hamma ni sron ha ikpi andi bana tsro ye.
mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
5 Ni vi khikle u-chu Herod, Ichu wu Judea, ni ntoh ima, Zakariya wu nhma ko Abijah ana Prist mba. U-wa ma eh'pu Haruna.
Tamin’ ny andron’ i Heroda, mpanjakan’ i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ ny antokon’ i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin’ ny taranak’ i Arona, Elizabeta no anarany.
6 Hambawu bana bi tie sissri Irji ie suron mba ni zren mba abhi ni shishi ma. Bata hu lantre Bachi nda ni hu ikpi bi wandi a nha dun ba ti'a.
Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.
7 Bana he ni vivren wu ngrji mba na, Alisabatu anani ngrji na, u ba che hamba mba lonma.
Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
8 Inton Zakariya a ye ni dun kri ni shishi Irjin nda tie ndu Prist wa ndi chuu wu nclan ngrji ma a ku ni tu ma.
Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’ Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan’ ny antokony,
9 Ba hu njo ni chu Prist wandi a ni tie ndu ni mi-tra u Bachimbu, nda gon ton nitu mbru mba.
araka ny fanao amin’ ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ ny tempolin’ ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
10 Ni-andi ahe ni mi, mbru ndiba ba ki ni rah nda si bre Irji mla ni nton wandi ton a si gon.
Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
11 A kri toh Maleka Irji rju kri ni wo mla wu bubu gon ton-a.
Ary nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy teo ankavanan’ ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12 Ni-andi Zakariya ku shishi niwu, a kma tie lo'me i sissri a vuu.
Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
13 I Maleka a hla niwu ndi, “Na klu sissri na, Zakariya, nitu ibre me a rhi ton. Iwame Alisabatu ni ngrji ivren'llon niwu. Wu yo ndema ndi Yohana.
Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
14 Isuron me ni si i wu ngyiri, u gbugbu ndi ba ngyiri ni ngrji ma'a.
Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany.
15 A nii khikle ndji ni shishi Bachi. Ana so ihi mba mma wandi a sen na ihi na, Ruhu tsartsar wu Irji ni he ni wu rji ni mi nne yima.
Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masìna hatrany an-kibon-dreniny aza.
16 Gra ndji bi Israila ba kma hi ni Bachi Irji mba.
Ary maro amin’ ny Zanak’ isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny.
17 Ani hi ni shishi Bachi ni ruhu mba gbenbgle Elijah. Ani tie ki nda kma suron ba-tti hi nitu mmri mba, don bi ka-wo baka zren nimi to u bi zren bi - nda mla nkon tie ni Bachi, ndji wa ba mla zi niwu'a
Ary izy handeha eo alohany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tempo.
18 Zakariya a hla ni Maleka ndi, “Mi tie ni he ni toh kpe yi? Mi chiche ndi i se wamu ba bran gbagbanmu ye.”
Ary hoy Zakaria tamin’ ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.
19 Maleka kma sa wu da tre ndi, “ahi me Gabriel wandi ani kri ni fron Irji. A ton me du mi ye tre niwu, ndi mi nji lantre ndindi nji wu.
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
20 Mla wo! Wu son ni ngbangbi, wuna la tre na, se kpe wa mi hla niwu a wri. Ani toki nitu wuna kpa nyime ni lantre wandi mi hla wu na, ikpe wandi a ni wri ni tsra ni nton ma
Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ ny andro hisehoan’ izany zavatra izany, ho valin’ ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ ny fotoany.
21 Ndji ba basiya gben Zakariya ndana rju na. Ba tie mamaki ni wu ton me nimi koh Irji.
Ary ny olona dia niandry an’ i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ ny tempoly.
22 Wa a rju ye niba, a tre wakran. Ba kri rhimmre ndi a to kpe ni mi koh Irji. A si tindu tsoro ba niwo, ama ndana tre na.
Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin’ ny tempoly izy; ary izy nanao baikon’ ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
23 Ni-andi nton wu tindu ma a kle, a kma hi ni Kohma
Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24 Ni vi ba kii, iwama Alisabatu a hwrji-nne wu wha ton ndana du ndji du ba toh na. A tre ndi,
Ary taorian’ izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
25 ngye kpe wandi Bachi mu tie ni mu nda yame ni lo suron nda chu shan rju ni mu ni shishi ndji.
Izao no nataon’ ny Tompo tamiko tamin’ ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin’ ny olona.
26 Ni wha wu tanne, Irji a ton Maleka Gabriel hi ni gbu Galilee wandi ba yo ndi Nazareth,
Ary tamin’ ny fahenim-bolana dia nirahin’ Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
27 du hi ni Maryamu, ih'pu Dawuda, wandi ba na haa zi ni ndi ri ni nde Yusufu. Maryamu ana rhi he toh lilon ni son ma.
ho any amin’ ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin’ ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ ny taranak’ i Davida; ary ny anaran’ ny virijina dia Maria.
28 A ye tre ni wu ndi, “Mi chiwu, wu wandi ba kpa nyime ni wu gra, Bachi he ni wu.
Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
29 Itre a kpau tsi shishi, wa kma rhimmre nitu bibi ichi wandi a chiwu'a
Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’ izany fiarahabana izany.
30 Maleka a hla ni wu “Na tie sissri na, Maryamu, Irji a kma yawu ni lo suron.
Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’ Andriamanitra ianao.
31 Ya yi, wu hwrji-nne ni ngrji vren. Wu yo ndema ndi Yesu.
Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32 Ani khikle ndji, ba yo vren khikle'a Bachi u shulu. Bachi Irji ni nuu tu chu bachi ma Dawuda.
Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy;
33 Ani tie mulki wandi a na kle na nitu koh Yakubu, i ngbungblu wandi ani son nitu mba bana kle na. (aiōn )
ary hanjaka amin’ ny taranak’ i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. (aiōn )
34 Maryamu a hla ni Maleka, ikpe yi ni tie ni he nda wrhu to tre me. Ime mi rhihe wu toh lilon ni son mu.
Ary hoy Maria tamin’ ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35 Maleka a sa niwu ndi, “Ruhu Tsatsra ni ku ni tume i gbengble Irji wu shulu ni kasuu. Vren Tsatsra wandi wu ngrji ba yow ndi Vivren Irji.
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masìna ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masìna Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’ Andriamanitra.
36 Toh, imlame Alisabatu a he ni nne vivren lilon ngame ni chichema. U wha ma wu tanne yi - wawu wandi bana tre ndi ana ngrji na.
Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
37 Ekpe na ne wandi Irji na toh tie na.”
Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.
38 Maryamu a tre ndi, “toh, Bachi mu, mi vren wa wu ndume. Tie ni mu tsra ni kpeu wu hla'a.” Maleka a lu hi kpama nda don me.
Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin’ ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
39 Maryamu a lu lunde ni vi baki nda sima hi ni gbu bi ko tu-ngblu ba, ni gbu wu Judea.
Ary Maria niainga tamin’ izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin’ ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;
40 A ka rhi ni koh Zakariya nda chi Alisabatu.
ary niditra tao an-tranon’ i Zakaria izy ka niarahaba an’ i Elizabeta.
41 Ni wandi Alisabatu wo chi wu Maryamu'a, kpran vren wandi a he ni nnema a luza i Ruhu Tsatsra a lu rhi ni Alisabatu
Ary rehefa ren’ i Elizabeta ny fiarahaban’ i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masìna Elizabeta,
42 A lu ni khikle lan nda tre gbangban ndi “lulu he nitu me, ni mi mba, mba ni ibi wu mi nne me.
dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
43 Nge tie ndu dun bachi mu dun ye ni me?
Avy aiza no ahatongavan’ izao amiko, no mba vangian’ ny renin’ ny Tompoko aho?
44 Ni wandi lan tre chi me a rhi ni nton mu, vi kpran vren wandi a he nimi nnemu a lu zah wu ngyiri.
Fa, indro, raha vao ren’ ny sofiko ny feon’ ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
45 A tie lulu ni wu wandi a kpanyme ndi ikpi biwandi Bachi Irji a dun be blah niwu ba wrhu to ki.
Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ ny Tompo taminao.
46 Maryamu a tre ndi “suron mu ni ngyiri ni Irji Bachi.”
Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
47 Ie drimu ni ngyiri kpukpome ni Irji wandi a kpame chuwo.
Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’ Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
48 A kma iyanchi vivren wa wu tindu ma. Ya, Irji zizan ikba ndi kankan ba tie lulu nimu.
Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ ny ankehitriny dia hataon’ ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
49 Wawuyi a tie khikle ndu nimu, indu ma hi tsatsra.
Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masìna ny anarany.
50 Lo suron ni wruhle ma ni ha ikba hi ni ikba wu bi andi ba klu sissri ma'a.
Ary ny famindram-pony dia amin’ izay matahotra Azy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
51 A chu ngbengble ni ngba woma tsro, nda vra bi nzutu ni tu mre wu suron mba.
Nanao asa lehibe tamin’ ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ ny fiheveran’ ny fony Izy.
52 A gbran mri bi tu chu grji ni bubu son mba, nda nzu biwandi bana he nitu kpe na lu.
Nampiala ny lehibe tamin’ ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
53 A juu bi iyon ni ikpi bi ndindi nda zu bi iwu du ba hi hamani kpe.
Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
54 A zo Israila, mri u ndu ma, ni duba rhimre nda wruhle
Niahy an’ isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony
55 (na wandi a tre niba timba) ni Ibrahim baba ih'pu ma kase kase. (aiōn )
(Araka ny voalazany tamin’ ny razantsika), tamin’ i Abrahama sy ny taranany mandrakizay. (aiōn )
56 Maryamu ason mla u wha tra ni Alisabatu rhi nda kma hi ni koma.
Ary Maria nitoetra teo amin’ i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
57 Nton ngrji Alisabatu a tie, waa a ngrji vren ma, vren lon.
Ary tonga ny andro hahaveloman’ i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
58 kpukpan son ma baba mlah ma ba wo khikle kpe ndi Bachi Irji tie, ni lo suron ma niwu, nda ngrji ni wu.
Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin’ ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
59 A he niki, ni viwu tandra, ba ye bubu gyen mbru ni vivren'a. Ba ta zinde tima Zakariya niwu.
Ary tamin’ ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
60 Iyhima a sa bawu ndi, “Aian, nde ma nih Yohana.”
Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61 Ba hla niwu ndi “bi na he ni mla mbi rhi ni nde mba na.”
Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin’ ny havanao izay manana izany anarana izany.
62 Ba tre ni wo ni tima ndi do hla nde wa ba yo vren'a.
Ary nanao baikon’ ny moana tamin’ ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
63 Tima a mye duba nu igble wu nha, wa nha ndi, “ndema hi Yohana.” Ndji ba wawu mba ba tie sissri (mamaki).
Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64 Nhuma a kri bwu hari (immediately) i nl'pma a si, wa a tre nda ngyiri ni Irji.
Ary dia nisokatra niaraka tamin’ izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an’ Andriamanitra.
65 Sissri a vu ndji bi wandi bana hye ba ba. Ba vu tre kpi bi yi zren ka gon ngblu ngbugblu Judea.
Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin’ ny tany havoan’ i Jodia rehetra ny lazan’ izany rehetra izany.
66 Wawu ndji biya ba wo'a, ba yo zi ni suron nda tre “i vren yi ni hye ni he?” Nitu woh Irji a he niwu.
Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan’ ny Tompo nomba azy.
67 Tima Zakariya, shu ni Ruhu tsatsra, hla ikpe andi ni he'a
Ary dia feno ny Fanahy Masìna Zakaria rainy ka naminany hoe:
68 “nda tre ndi gbresan ni Bachi, Irji wu Israila, wawu yi a ye zo nda khle ndu kpa-chuwo ni ndji ma.
Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69 A nzu njon kpata chuwo ni tawu ni koh ndji wu nduma Dawuda,
Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin’ ny taranak’ i Davida mpanompony Izy
70 me andi a tre ni nhyu tsatsra anabi rhi ni sen. (aiōn )
(Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny fahagola), (aiōn )
71 kpatachuwo rju ni wo bi yota ni shishi mba ni wo bi-andi ba kamba nita.
Dia famonjena antsika amin’ ny fahavalontsika, sy amin’ ny tànan’ izay rehetra mankahala antsika;
72 Ani tie toki nitu do tsro ta lo suron ma mba timbu, niki rhimre ni tsatsra yo nhyu,
Manefa famindram-po amin’ ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masìna,
73 ni shirji ni trema ni Ibrahim, bachi mbu.
Dia ny fianianana izay nianianany tamin’ i Abrahama razantsika,
74 A shirji ndi a ni nuta biwandi a chuta chuwo ni bi kamba nita, ikini tindu niwu hama ni sissri,
Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin’ ny fahavalontsika isika,
75 ni tsatsra ti bi, ni shishima wawu ni vrevre mbu.
Amin’ ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ ny andro rehetra hiainantsika.
76 A wu vivren ba yo'u ndi anabi wu Bachi Khikle ni shulu, wuhi kri ni shishi Bachi ni mla nkoma ti nda mla ndji tie ni ye ma,
Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
77 nda nu ta to kpe wu kpachuwo ni ndji ma, ni kpa wruhle lahtre mba.
Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ ny famelana ny helony,
78 Ikpe ani he toki ni lo suron Irji mba, nitu kima nza Irji rji ni shulu ani ye zota,
Noho ny halehiben’ ny famindram-pon’ Andriamanitsika, izay hiposahan’ ny mazava avy any amin’ ny avo ho antsika.
79 do kpan ni bi wandi ba he ni bwu mba iwhu i qu. Ani tie kima nda yota ni nkon wu si.
Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy ao amin’ ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny lalam-piadanana.
80 Vivren a lu gbron nda he ni sen kpa dri, ndaka son ni tsutsu miji gben vi wandi a rju kri ndende ni Israila.
Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ ny andro nisehoany tamin’ ny Isiraely.