< Jude 1 >
1 yabuza vrenko yesu Kristi vayi Yakubu: hi ni wa ba yoba bi son u irji iti nibu wa ba baunzi ni kristi.
Joda, mpanompon’ i Jesosy Kristy sady rahalahin’ i Jakoba, mamangy izay olona voantso, malala ao amin’ Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’ i Jesosy Kristy;
2 du losron mba sisron ni son ndi he niyii.
hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.
3 bi son mi si hainiyu ndi ha mi wu ni tu kpa wawu bin, abi ndi mi ngron yi nitre kpa yesu wa mba nu yii bi wu rji.
Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin’ ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ ny olona masìna.
4 indji mbd ri mba rin ni riyabi wa mba ra nitu bla mba tun tse mu indji wa mbo to te ndidina, mba bri ziziwu rji rida kgba hi ni meme. mba ma kpa myerne mi kon rji mbu yesu Almasihu.
Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’ izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’ Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
5 mi si son la ni wu, bi to igzi wami sison la niwu ye; lrji kpa indji mba ri chuwo ni meme masar; ni kwugon a wu mba bi, bi wa mba kpan myemen niwu ria.
Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’ izany izay tsy nino.
6 malaiku wa mba na gji mbu mbu ndima wu mba na, mba bri mbu mbu son ndima. irji lumba ni saraka hra ise ni se, ni mi shigji biu be nifi wu mbla. (aïdios )
Ary ny anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany, dia voahazony amin’ ny fatorana mandrakizay ao amin’ ny maizina ho amin’ ny andro fitsarana lehibe. (aïdios )
7 mba he na sadurna ni gwarnrata ni gbugbulu wa mba whir whire ni mba, bewa mba turma iyo ni te meme rida wu iypi wa kpan ni wan. mba hena na bi wa mba shaya ne mi lu wama nwena. (aiōnios )
Ary toy izany koa, Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ ny iaretany fijaliana amin’ ny afo maharitra mandrakizay. (aiōnios )
8 anakyii bi hira ramba mba kpan mba te meme mba kpa be chu ni tdri nda ni la meme tre nitu bi te ndidi.
Kanefa toy izany koa, ireo dia manonofy ka mandoto ny nofo sady mandà ny manana fahalehibiazana ary miteny ratsy ny manana voninahitra.
9 makailu kyke malaika nitu a si gbi sroun ni iblis nitu kgbu misa ana nyamba shistri rida zre meme tre ritu blama na. nitu wayii, rji nitu ma ndi jatun ine.
Fa Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin’ ny devoly ka nifanditra ny amin’ ny fatin’ i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: “Hananatra anao anie Jehovah”.
10 indji bi liyi si mbata niwu nitu iypi mbanato na. indji bi yii inba he ni limre ngnama rju mba gji ukwu si yae ni gba mba.
Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan’ ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany ny tenany.
11 iyaki biwu mba wukon kayinu mba yotun mba ni te meme batamu ndu wa gbu gpiri. mba wutuma ni ufu iri mba kora.
Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin’ ny lalan’ i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’ i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin’ ny fiodinan’ i Kora izy.
12 indi bi iyii mba meme indji nimiri biri isonbi wanmbari ni yi mbak wussa, bi gru wa ri nitu mba, mba npan wa agji uumba ngugun ye na. mba kwugron wa mba gji nkolo ma yena.
Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin’ ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany, indroa maty, voafongotra;
13 mba bi kwu, ribibuju mba tu mba rji ni jan ma. mba nei bi tsra mba vfu vo nifu ni shan mba. mba he na tstsi wa mba tsre brakaueme ni mi shigji bwu hi ni se gbuwu. (aiōn )
onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ ny maizina. (aiōn )
14 ahnuhu idiji wu tagban rji Adamu, atre ru tu mba, nda la ya irji ni ye meme bi zizinma dubu dubbai.
Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an’ i Adama, dia efa naminany ny amin’ ireny olona ireny ka nanao hoe: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ ny masiny tsy omby alinalina
15 asiye wa ari blaatre konni indji asiye wa ni bla yre indji bi te meme, indun mba wa atre ni tu kon na. wa mba te ni kon meme ma; ni la bi meme ni bi latre wa mba tre ni tuma.
hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.”
16 biyii bi tre che, bi tre gbrugbo wamba wu meme te mba mba ni bru ni ni sandon tu mba mba trece nitie.
Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.
17 amawu kauritau tauna tre wa me tsi tre niwu kwugon ni marizanni yesu Almasihunmu wa mba laniwu tu ru tse.
Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ ny Apostolin’ i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny;
18 mba laruwu ni tun kykle indji bi che mba he mba wu kon mba wu meme.
fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ ny haratsiam-panahiny.
19 abi wa mba hantu indji mba bi wu gbugbulu mba na he ni ruhuna.
Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.
20 Bi Ijii Kaunatu, men tu bi ni keh tsatsare ma, ndi bra ni mi ruhu wu tsatsare.
Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ ny finoanareo masìna indrindra, ka mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masìna;
21 Gji kpan bi ni son Rji, ndi nta gpi losron inji mbu Yesu Almasihu wa ni nuta re wu ise ni se. (aiōnios )
ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindram-pon’ i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. (aiōnios )
22 Tsro son ni biwa na kpanyemena.
Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;
23 Mba ri chuwo ni nyu lu. Tsron indji mbari ni tsitsir, kamen ni nglo wa yin kpa mba teimeme.
ary ny sasany kosa sariho avy amin’ ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ ny nofo aza.
24 Wa ahe ni gpengble wa asi ndi na kgbu zam na, wa ni zo wa kri ni shishi ni kpa'n ndidi'ma ni sroun ndindi'ma.
Ary ho an’ izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana,
25 Irji mbu ni wa kpata juwo ni wo Yesu Kristi Irji mbu, ndindima, ngpengblema, ni he ma, ikon ma, ni fin wawu, zizan ni se ni se ahema. (Amen). (aiōn )
ho an’ Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin’ ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena. (aiōn )