< Yohana 9 >
1 U Yesu ka si hi, nato iguri u fyen wa ndi a yar shishi tu rji ni wa ba ngrji'a.
Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
2 U almajere ma ba miyen wu, “Mala, ahi nha mba latre, ahi gu'a ka a ba Itma ba Iyimma, wa ba ngrji ti fyen naki?”
Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
3 Yesu hla ni bawu, ana igu'a na a na, Itima bi Iyima na wa ba la tre na, ani ndu iIti Irji tsira.
Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.
4 A gbigbi ndu ta ki ti ndu wa a ton me rji ni mumla. Ichu ni ye iwa idiori na tindu na.
Isika tsy maintsy manao ny asan’ izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
5 Ni wa mi he ni gbungbulu'a ime yi mi ikpan u gbungbulu'a.
Raha amin’ izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’ izao tontolo izao.
6 Ni kogon wa Yesu hla ikpi biyi a ti ten yo meme, na tsie iten ni meme'a, na vu gban ni shishi gu'a.
Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ ny tany ka nanao feta tamin’ ny rora, dia nahosony ny mason’ ilay jamba.
7 Na hla niwu hi, ni hi ngla ni takpo ma u Siloan (wa ani hla ndi mi ton).” Igu'a luhi na ka ngla, a kaban ye na ni to.
Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
8 U indji bi igon kanhlan mba ni bi wa ba zi to rji ni sisenmu'a ani bre, u ba tre, “ana igu yi'i wa ani son na ni bre'a na?”
Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
9 Bari ba tre, a wawuyi, bari ba tisan, 'A'a, a rju wawu yi,' iwawu tre, ahime wawuyi.”
Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
10 U ba tre niwu, ba bu'u shishi'a ni he?
Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan’ ny masonao?
11 I wa sa ni bawu, iguri wa ba yo ni Yesu a hu meme na gban ni mu shishi na hla nimu, hi ni ne Siluwan ni ngla u mi hi ka ngla, u shishi lu ni to.
Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
12 U ba miyen, “Ahe ni tsen?” wa hla, mina to na.”
Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
13 U ba nji igu hi iwa ana indji u fyen ni Farisawa.
Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin’ ny Fariseo.
14 Ahe ni ivi u asabar wa Yesu a hu meme na bu'u shishi niwu.
Ary tamin’ ny andro Sabata no nanaovan’ i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
15 U Farisawa ba la miyen ngari ya da a fe nito bubu, a hla bawu, a yo meme ni mu shishi u mi nglau zizan ni to.”
Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan’ ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
16 Ba ni mi Farisawa ba tre, iguyi a indji Rji na, ana ni to ivi u asabar na.” U bari ba tre, “Indji u latre ni ti ni heri na to ti gban biki?” ba ga kpa ti hari.
Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon’ ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
17 U ba la miyen indji u fyen ngari, “U tre ni ngeri ni tuma'a tu rji chachu iwa a bu'u shishi me?” Indji nfyen tre, ahi Anebi.”
Ary hoy indray izy tamin’ ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
18 Ye zizan me Farisawa ba me ba na kpa yeme nda ahi wawuyi indji u nfyen na wa ba bu'u shishima na se wa ba yo ba Time ni ba Iyi ma iwa a shishima bu'a.
Ary amin’ izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin’ ilay nahiratra
19 U ba miyen ba Tima ni Yima, iwa yi ahi vren bi wa bi tre bi ngrji ni fifyen? Ani he mba ani to zizan?”
ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
20 U ba Tima ba hla, “Ki to iwa yi a vren mbu wa ki ngrji ni fyen.
Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21 Ati ni nani ya, kina to na, miyen a sen ndi, ani ya tre kima.”
fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ ny tenany.
22 Ba tima ba tre biyi, nitu wa ba si tie sisir Yahudawa. Yahudawa ba ba riga zi indji iwa a tre ikpe wa ani hu gon ma andi ahi Kristi, ba ban ta yo ni mi ta kpoma.
Izany teny izany no nolazain’ ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin’ ny synagoga.
23 Nitu kima, ba itima ba tre, “A sen ndi ye, miyen.”
Izany no nilazan’ ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24 Ngari ba la yo u gyu u ha ba la yo igu fyen na hla niwu, “No Rji ni kon. Ki to igu yi a ndi u latre.”
Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
25 I gu ki hla bawu, mina to na ka a hi ndji u latre na. Ikpe riri mi to na'a mina ndji u fyen, u zizan mi to.”
Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
26 U ba tre ahi geri a ti niwu?” ani he a bu'u shishi niwu?
Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
27 Wa hla, “Mi hla ni yiwu ye, bina wo na ahi geri bi son bi wo ngari?
Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
28 U ba mren na hla, u almajerema, ki ta ki almare u Musa.
Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr’ i Mosesy.
29 Ki to Irji a tre ni mu, ki na to i wurji wa iwayi a rji'a na.”
Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’ Andriamanitra; fa ny amin’ izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
30 Igu'a sa bawu na tre, iwayi a kpe u shan (mamaki), iwa bina to iwurji iwa a rji'a na, me a bu'u shishi mu.
Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
31 Ki to Irji na wo indji bi latre na, indji wa anita no tuma na ni tie ikpe wa ani son, ani wo wu.
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
32 Rji ni tuntru mu ni gbugbulu'a ki ti bre wo ndi idiori bu'u shishi ni indji wa ba ngrji ni fyen na. (aiōn )
Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’ izay teraka jamba. (aiōn )
33 Ide indji'a ana rji ni Rji na, ana ya ti kperi na.”
Raha tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
34 U ba sa niwu nha hla niwu, wawu'u ba ngrji ni latre, i u la si tsoro ta? U ba ban ta rju ra.
Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
35 Yesu a wo andi ba zu rju nimi hekeli'a a wau na tre, u kpayenme ni Vren Ndji?
Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?
36 Wa sa na tre, “Ahi nha, Bachi, wa mi kpayenme niwu?”
Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
37 Yesu hla niwu, “U to, ahi wawuyi wa a si tre niwu.”
Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
38 Igu'a tre, Bachi, mi kpayenme, wa no ninkon ma (kwu gbarju niwu).
Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
39 Yesu tre, “A tron miye, miye ni gbungbulu yi ni ndu biwa ba na to na ndu ba to, U bi wa ba ta to ndu ba yarshi (tifyen).”
Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’ izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40 Bari ni Farisawa ba, wa ba heni wu'a ba wo wayi, na miye, “Ki me ki yarshi?”
Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
41 Yesu hla bawu, bina yarshi, bina to na, zizan bi tre, kito, naki latre bi riheri.
Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.