< Yohana 21 >

1 Ni kogon bi kima, Yesu hla ka tsro Itu Ma ni almajere ma ni nyu nne Tiberiyas. Gen ya nda a tsro tuma:
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny mpianatra indray Jesosy teo amoron’ ny Ranomasin’ i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
2 Siman Bitrus he mba Toma wa ba yo ni dan tagwai, ni Nataniyel, ni Kana u Galili, ni mri Zabadi, ni almajere Yesu hari bari ngari.
Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak’ i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
3 Siman Bitrus hla bawu, “mi hi vu lambe.” U ba tre, “Kita me, ki huwu hi me.” U ba lu rju hi naka ri ni mi ingyu'a, ni chu chachuki bana vu kperi na.
Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin’ iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.
4 Se imble ni kpan, u Yesu kri ki ni nye nne, u almajere bana to me nda a Yesu na.
Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
5 U Yesu tre ni ba, “Mri nze, bi he ni kpe wa bi ri'a?” U ba ti san na tre, “A'a.”
Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia.
6 A hla ni bawu, “ta walawa u bu lambe hi ni wo kori ni gyu'a, bi vu bari.” U ba ta walawa mba, yo ni mma, na chu wo kran nitu wa lambe ba ku babran.
Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin’ ny sisiny ankavanan’ ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ ny hazandrano.
7 U almajere ma wa Yesu ni son zan ba hla ni Bitrus, “Ahi Bachi.” U Siman Bitrus a wo naki Ashe ahi Irji, na lu sru kpi ma u ko tu'a (ana son ni kpa kuklu), na ton ku ni mi nne.
Ary hoy ny mpianatra izay tian’ i Jesosy tamin’ i Petera: Ny Tompo iry. Ary raha ren’ i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin’ ny ranomasina izy.
8 Imbru almajere ba ba ye ni mi gyu vi tsitsa, (nitu wa bana gbonron gon ni bubu'a na, ina kamu deri ha hi ni ko tu), wa chu walawa shu ni lambe rju ni mi mma.
Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
9 Ni ka walawa yo kora ni lambe'a, u ba to kla nu ni lambe ni tuma ni bredi.
Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon’ arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo.
10 Yesu bla nji bari ye ni mi lambe'a niwa bi vu zizan.”
Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin’ ireo vao azonareo teo.
11 U Siman Bitrus a hon, na gbi walawa shu ni lambe deri ni hamsi don tra. Ni bran mba me, walwa na ya ba na.
Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
12 U Yesu hla ni bawu, ye ni ye kle ye.” U riri me ni mi almajere ma me na ya miyen na, “A wu nha?” Ba to nda Yesu.
Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy.
13 Yesu ye, na ban bredi'a, na ga ba, nilambe me.
Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray.
14 Iki a hi gyu u tra mba Yesu ni tsro tu ma ni almajere ma ni kogon wa a lunde ni be.
Izany no fanintelon’ ny nisehoan’ i Jesosy tamin’ ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy.
15 Ni kogon wa ba kle ya, Yesu hla ni Siman Bitrus, Bitrus vren Yohana, u son me zan biyie?” Bitrus hla niwu, “Ee Bachi, U to ndi mi son wu.” Yesu hla niwu ndi, “No ntma mu ba biri.”
Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
16 Ala tre niwu ngari ni nkpu u ha, Siman ivren Yohana, U son me? Bitrus hla niwu, “E, ana Bachi, U to ndi mi son wu.” Yesu hla niwu, “krju ntma mu.”
Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
17 Ala tre niwu u gyu u tra, “Siman ivren Yohana, u son Me?” U Bitrus a ku niri mre nitu wa Yesu a hla tre niwu u gyu tra, “U son Me?” A hla niwu “Bachi, U to wawu kpi, U to ndi mi son wu.” Yesu hla niwu, “No ntma mu biri.
Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
18 Njanji, njanji, Mi hla ni yiwu, ni wa u na he ni nze me, U ta zon kpame, ni hi wurji iwa u son'a, u ta cheye, u nme wo ba me son, u ndji ri mu ni zon kpa ni wu na ban wu hi ni wurji wa u na son hi'a na.
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin’ izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’ izay tsy tianao.
19 Yesu hla naki nitu bibi ikwu wa Bitrus ni kwu'a ni ndu Irji kpa gbre san, ni kogon wa a hla naki, na ni Bitrus, hu me.
Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay hankalazany an’ Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
20 Bitrus ka ban ya na to almajiri wa Yesu ni son asi hu ba, ni wa a ku yeren ni san Yesu ni ton wa ba si ta ri jibi wa tre, “Bachi, a nha mba ni ka wu le'a?”
Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian’ i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin’ ny tratrany tamin’ ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
21 Wa Bitrus a to'a na tre Yesu, “Bachi, ahi ngye igu mu ni ti?”
Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin’ ity lehilahy ity?
22 U Yesu tre, “Mi ti ni son ni ndu son gben Me niwayi hi ni nton wa Mi kma ye, ume hi ngye? Ye hu Me.”
Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.
23 Itre ki yra shu ni mi Yahudawa andi, almajiri ki na kwu na. U wana naki na Yesu hla ni Bitrus na, almajiri mba ana kwu na, a tre Mita ni son ndu san, u ime ahi ngye?”
Ary niely tamin’ ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?
24 A wawu yi almajere wa asi sheda ikpi biyi, iwa a nha ba, u ki to gbigbi sheda ma njanji.
Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
25 U mbrun ikpi bari gbugbuwu wa Yesu atie, u ba ni nha ba ni yiyri, mi hla ni yiwu, gbungblu wawu ani na ya ban nvunvu wa ba nha ni ba na.
Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’ i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.

< Yohana 21 >