< Yohana 20 >
1 Ni bu'u bu'u mble ni vi u mumla, ni mi sati'a u bubu ri tie bu'u ri, Maryamu Magdaliya aye ni nyu be, aye to ba ban tita wa ahe ni ny be rju ye.
Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin’ ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ ny fasana.
2 Nda kma tsutsu hi ni ba Siman Bitrus mba almajere mba wa Yesu ni son'a, na hla bawu, “Ba ban Bachi ni mi be, ki na to bubu wa ba ka yo'a na.”
Dia nihazakazaka nankany amin’ i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’ i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain’ olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
3 U ba Bitrus ni almajere mba ba rju na hi ni be'a.
Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin’ ny fasana.
4 Wawu mba wu ba tsutsu me, u almajiri ri ma a kari guchi ni Bitrus ni be'a.
Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an’ i Petera ka tonga taloha tao amin’ ny fasana.
5 Wa kudran na kloto ya, na to ipri nkinkla re me ni bubu'a, nda na ri hi ni mi na.
Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
6 U Siman Bitrus a ye ri ni kogon na ri hi ni mi be'a, na to ipri nkinklan re me a kri
Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
7 ni vi pre wa a he ni tuma. Ani he ni bubu riri ni pre na, na ch'bi kpama kuru kan.
ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin’ ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
8 U almajiri wa a guchi hi ni nyu be'a ngame, lu ri hi ni mi be'a na ka to, na kpanyeme.
Ary tamin’ izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ ny fasana, ary nahita ka nino.
9 Hra ye ni nton kime, bana ya to tre Irji wa a hla, ani la ta sh'me ni kwu.
Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masìna fa tsy maintsy hitsangana amin’ ny maty Jesosy.
10 U almajere ba ba kma hi koh ngari.
Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
11 U Maryamu kri nyu be na siyi. Niwa a siyi, na kudran ya mi be'a.
Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
12 Iwa to Maleku hari ba son ni nklon nkinklan, iri kotu u iri ni ko za ni bubu wa ba ka Yesu yo.
ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ ilay nandrian’ ny fatin’ i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
13 U ba hla niwu, “Iwa ni nko u yi ni tu ngye? Wa hla, nitu wa ba ban Bachi mu, mina to bubu wa ba ka zi'a na.
Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
14 A tre kle, nikogon ki, na k'ma ya na to Yesu kri niki, nda na to ndi a Yesu na.
Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’ i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
15 Yesu tre niwu, “Iwa u yi ngye? Wu si wa nha yi?” A ban andi ahi indji wa ani tie ndu ni rju'a, (labu). U wa hla niwu, “Iti ko u tie ban wu, u ka hla wurji wa u ka zi'a, ni ndu mi ban wu.”
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
16 Yesu hla niwu, “Maryamu.” Wa kma ya, na hla niwu ni Armaniyanci, “Rabboni” andi mala.
Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
17 Yesu hla niwu, na bre wo ni me na, mi na hon hi ni Ti'a rina, hi ni mri vayi Mu ni hla bawu, mi hi ni Timu ni Timbi, Irji mu ni Irji mbi.
Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
18 Maryamu Magadaliya ahi na ka hla almaere “Mi ka to Bachi” na hla andi a hla wawu ikpe biyi.
Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
19 Ni yalu chachuki ni vi u mumla u sati'a almajere ba tro kpamba krju ti ni miko nitu sissri Yahudawa, Yesu ye kukri ni mi tsutsu mba, na tre, “Isi suron ni yi.”
Ary rehefa harivan’ ilay andro voalohany amin’ ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ izay niangonan’ ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
20 Ni kogon wa a hla naki, na ka wo ma tsro ba ni ko san, u almajere ba ngyiri ni wa ba to Bachi'a
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
21 Yesu la hla bawu ngari, “Isi sron niyi, na wa Iti'a a ton me, Ime me mi ton yi.”
Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22 Wa Yesu tre naki, na fu vri ma sru ni bawu, na hla bawu kpa Brji Tsatsra (Ruhu) Maitsarki.
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masìna;
23 Indji wa bi kpa latre wru hle niwu, ba kpa wru hle niwu indji wa bi nji latrema ba nji latre'a.
na helok’ iza na helok’ iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an’ iza na an’ iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
24 Toma, iri ni mi wlon don ha, wa ba yo ni vren hlan hen'a, ahe ni bana ninton wa Yesu ye rju ni tuma ni bawu'a na.
Fa Tomasy, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
25 Imbru almajere ba hla niwu, “ki to Bachi.” A hla ni bawu, “Se mi toh wrji wa ba kpan ni wo ma ri, ni ka vren wo mu yo nitu wrji'a ri mika kpa nyeme.”
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
26 Niwa a tie vi tandra, mri koh ma ba he nimi ngari, u Toma ahe ni ba. Yesu ka ye ka ba tro ba nkon ba, na kri ni mi mba, nda hla ndi, “Si sron ni yiwu.”
Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
27 U nda hla ni Toma, “Ka vren wo me yo niwayi ndi to wo Mu'a. Ka wo me yo ni wayi ni yo'u ni kosan Mu. Na ka kpa nyeme na, ndi kpa nyeme.
Ary hoy Izy tamin’ i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’ tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin’ ny lanivoako; ary aza ho isan’ izay tsy mino, fa minoa.
28 Toma ka kpa sa na hla niwu ndi, “Bachi mu ni Irji mu.”
Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
29 Yesu ka hla ni wu ndi, “Nitu wa wu to Me ri, ndi kpa nyeme. Lulu ni ba ndji biwa bana to na, nda kpa nyeme.”
Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
30 Zizan Yesu tie gbugbu gban bari ni shishi mri koh Ma, gban wa bana nha ba sru ni mi nvunvu yi na,
Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’ i Jesosy teo imason’ ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ ity boky ity;
31 ama biyi ba nha ba zi nitu dun yi kpa nyeme ndi Yesu yi a Kristi'a, Ivren Irji, nitu kpa nyeme mbi, bi kpa ivri ni mi nde Ma.
fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ ny anarany, raha mino ianareo.