< Yohana 2 >
1 nivi u tra wa a wuce igran iri a heni cana u Galili u yi yesu a hei niki
Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’ i Jesosy.
2 ba hla ni yesu di almajeranma ndu ba hi ni igan ugran
Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ ny fampakaram-bady.
3 u lman inabin a kle u yi yesu hla ni wu iba na he ni iman inabin na
Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’ i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
4 yesu hla niwu iwa ahi ge ka krji u ye nime? iton mu na tsra rina
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
5 iyima a hla ni miri bi nduma ko a hla ni nduyi tie gen bika tie u ndu bari ba he niki ni tita tan ne
Fa hoy ny reniny tamin’ ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
6 iwa yahudawa ba tie ndu niwa ni igan ba u tsarka ke ko rime ni mi mba ni ban durom iri
Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ ny Jiosy.
7 iwa hla ni bawu suru man shu ni indun ba uba suruman shu mba pleleme
Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ ny molony.
8 iwa hla ni bi ndu ba tie ni mima hi no nikon ugan u ba tie nakima
Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’ izao, ka ento ho eo amin’ ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.
9 nikon u igan a vu ma hla toh wa a katie ima ina bin wana toh iwurji wa a rji a na iwa to
Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy
10 na hla niwu ko nha niga ma inabin ndi ndi ni mumla nduba so kle rikiko ba nji iwa a lolomey ye ni kokon iwu u ma ndindi zi sei zizan
ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon’ ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
11 iwayi a hi gban u mumlan wa yesu tie ni cana galili na tsoro dauka ka ma amajeran ma ba kpayenme ni tiea
Izany no nataon’ i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
12 ni kle ki yesu ni yinman ni miri vayima ni almajeran ma ba hi kafarnahum na ka sori niki tie vi bari
Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
13 igan u zagran idina tie whire u yesu a hon hi ni uri shaliman
Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
14 a ka toh bi le ni lando ni ik rju ni tantabaru ni bi siran iklen ba son niki
Ary hitany teo an-kianjan’ ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
15 iwa tie gbugban ni rjirji na zuba rju wawu ni mitara u rji ni nitman ni lando na vu glengbe in klen vara hlega ni bi saran klen na kpa tabru a zie lega
dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
16 a hla nibi le ni tan tabara vu kpie bi yi rju niwa yi bi kako itiemu tie chuchuu lea ni kpie
dia hoy Izy tamin’ ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ ny Raiko.
17 u alma jeran ma ba tika andi ba nha nhan zindi to iko me ni irime kle
Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin’ ny tranonao no haharitra aina ahy.
18 binikon ni yahudawa ba batre niwu a a hi gban geri u ya tsoro ta ni tu ikpe wa u si tie mba
Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
19 yesu sa nibawu zie tra rji yi mi merie ni mi ivi tra
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy.
20 ubi mikon yahudawa ba tre ba tie ise arabayin don tannen riko na nme trarsi a kle u ri ban ivi tra yin ni nme koa?
Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ ny hateloana?
21 ama asita tra itra u kpa ma mu
Fa ny tenany no tempoly nolazainy.
22 nikogon wa a ta shimen ni beh almajeran ma ba lu tika ndi ana hla naki uba kpayemen ni nasi ni lantre wa yesu a hla
Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy, dia tsaroan’ ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masìna sy ny teny izay nolazain’ i Jesosy izy.
23 ngari aheni urushelima ni idi gbugbuu ba kpayemen ni iden ma ni wa ba igban wa a tie
Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ ny Paska, dia tamin’ ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
24 yesu na kpayeme ni bana atoh bawauu
Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;
25 ana son ndu dio shaida ma ni tu indi na nitu wa a toh kpe wa a he mi ndi
ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ ny olona.