< Yohana 18 >
1 Ni kogon tre biyi wa Yesu tre ba, a rju ni almajere ma hi ni gran ko rima, ni kpa ngblu, ni bubu wa irju he'a u ba zu ri hi baba almajere Ma.
Rehefa voalazan’ i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’ izy sy ny mpianany.
2 Yahuda me wa ani kawu le'a a to bubu'a, nitu wa Yesu a zi hi ye ni almajere Ma.
Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin’ ny mpianany.
3 Yahuda me, ka nji soja rji ni Firistoci bi ninkon, ni Farisawa, ni bi majelisa, u ba ye ni bubu'a, ba nji ba llu fitila ni ba tochi, ni ba kpi u ta ku.
Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4 U Yesu to kpye wa asi zren'a nitu ma wawuu, ahi ko shishi na mye ba, “Bi wa nha?”
Ary satria fantatr’ i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
5 U ba tre, “Yesu u Nazaret.” Yesu ka hla ni bawu, “Ame yi.” Yahuda ngame wa a le niwu'a, a kri ni sojoji ba.
Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.
6 Ni wa a hla bawu, “Ame,” u ba kma hi ni gon, na ka rjoku meme.
Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin’ ny tany.
7 Ala mye ba ngari, “Bi wa nha?” u ba hla ngari ndi, “Yesu u Nazaret.”
Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.
8 Yesu hla bawu, e, Mi hla ni yiwu ndi, ahi me. Anita Ime yi bi si wa, bi ka ka biyi don ndu ba hi kpa-mba.
Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;
9 Kima ni ndu itre wa a hla ndu tsra, “Ni mi bi wa U Ne ba, ko riri me na kado na.
mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
10 Siman Bitrus me, nitu wu ahe ni inji gbeni, na k'ri fya chu ka tsen vren ko kikle Prist, na chu nvunvu ton ma kori, inde vren ko ma'a hi Malkus.
Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran’ ilay mpanompo.
11 Yesu hla ni Bitrus, ka nji ngban yo ni hra ma ni bubun, Mi na so kokon wa Iti ane na?
Dia hoy Jesosy tamin’ i Petera: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen’ ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
12 U soja ba ni bi ninkon mba, ni majalisa Yahudawa, ba ka vu Yesu, na lo'wu.
Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin’ ny Jiosy dia nisambotra an’ i Jesosy ka namatotra Azy,
13 Ni mumla ba nji hi ni Annas, nitu wa a hi iyi kayafas, wa ahi wawuyi kikle Prist ni se kima.
dia nitondra Azy tany amin’ i Anasy aloha, fa izy no rafozan’ i Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany.
14 Kayafas mba ana no ba Yahudawa mre, andi ani fi bi dun indji riri ndu kwu ni tu ba indji.
Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.
15 Siman Bitrus a hu kogon Yesu, na kime almajiri ri la ti ngame. I zizan almajiri ki me a shishi to ni kikle Prist'a, na ri hi ni kikle hra u kikle Prist me mba Yesu;
Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an’ i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin’ i Jesosy ho ao an-kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe izy.
16 U Bitrus a k'ri ni nyu gon tre ni nkohtra, naki me almajiri rima ti, u almajiri wa ahi shishi to ni kikle Prist a rju, na tre ni wa - wa ani gben ni gontra, na lu ri hi ni Bitrus.
Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin’ ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’ i Petera niditra.
17 U vren wa wa ani gben ni gontra aminye Bitrus, “Iwu me una he ni mi almajire gu yi na?” wa tre, “Mi na he ni mi na.”
Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin’ i Petera: Moa ianao mba isan’ ny mpianatr’ io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
18 U bi ti ndu ni doka rji u hekali'a ba kri ni ki, u ba mu lu ni kla-mbrji, na son kosan ma si wo gba-ji, ni nton ki bubu ni si. Bitrus k'ri ni ba na si wo gbaji'a.
Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon’ arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
19 Kikle Prist a minye Yesu nitu almajere ma ni tsro ma me.
Ary ny mpisoronabe nanadina an’ i Jesosy ny amin’ ny mpianany sy ny fampianarany.
20 Yesu ka sa niwu, e, Mi hla ni gbungblu'a ni hla tuma. Mi hla bawu nitu nitu ni majamiyan, ni hekeli ni bubu wa Yahudawa me ba ye gyen klan ki'a. Mi na hla kpyeri ni ri mbi na.
Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin’ izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ ny synagoga sy ny kianjan’ ny tempoly, izay iangonan’ ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ ny takona;
21 U ngye ri mba sa u minye me? Minye biwa ba sren ton na wo ikpe wa mi tre'a, E, ba to ikpe Mi tre.
koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
22 Ni wa Yeswu hla biyi, u ri ni mi biya ba wa kukri niki'a a wru Yesu nda tre ndi, “U sa ni kikle Prist tre naki?”
Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an’ i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe?
23 Yesu tre niwu, Mi ta hla meme kpe to, u ka hu gon ma naki'a ta njanji Mi hla, to, u ngyeri ni sa u ka wru me?”
Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24 U Annas a ton ba ndu ba nji Yesu hi lowu ni Kayafas, kikle Prist.
Ary dia nasain’ i Anasy nentina tamin’ ny fatorany ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe Izy.
25 U Siman Bitrus a kri si wo gbaji lu. U ndji ba ba tre niwu, “Ana iwu me u na he ni mi almajere ma na?” Wa kpa tron na tre, “A'a, mi na he mina.”
Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan’ ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.
26 U ri nimi gran kikle Prist, vayi iwa Bitrus a fu nvunvu ton'a, ahla, O'oo, mina to niwu ni rju na?
Hoy ny anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpisoronabe havan’ ilay nokapain’ i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?
27 Bitrus la kpa-tron, hihari me igba lu t'bu.
Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno.
28 Nikima Kayafas ba nji Yesu hi ni kogon'a, ni buu buu mble me, baba ni titu mba me bana ni kogon'a na, andi ndu baba n ata tre na kunyre bubu ri jibi u za gran na.
Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin’ i Kaiafa ho ao anati-rova; ary maraina koa ny andro tamin’ izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.
29 U Bilatus me a rju ye ni ba, na tre, “Anitu ngyeri bi nha gu yi?
Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
30 U ba sa niwu, “Igu yi ani na ti meme kpe na, angyeri me ni sa ki ka nji wu ye tro niwu.”
Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
31 Bilatus hla bawu, “Mji wu hi ni tutu mbi ni hi Furewu ni bi tron mbi!” U Yahudawa ba hla niwu,” E, kina he ni gbengblen u yo tron u wu ndji ni tu mbu na.”
Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
32 Ba hla kima ni ndu itre Yesu tsra, ni biwa a tsra bibi kwu wa ani kwu'a.
mba hahatanteraka ny tenin’ i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay efa hiaretany.
33 U Bilatus la ri ni mi tra gon gona, na yo Yesu na minye, “Iwuyi U Chu Yahudawa ba?
Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy?
34 Yesu sa niwu, “Ahi wu u hla, ka ba ndrjori mu ba yo Me naki niwu?
Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
35 Bilatus sa niwu, “Ime mina indji u Yahuda na, ka ani he?” E, ahi ndji Me ni Pristoci bi kikle ba ba nji wu ye le ni mu. “U tie ngye?”
Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
36 Yesu sa, “Mulki Mu ana u gbungblu yi na, Mulki ana u gbungblu yi u mri ko Mu bana tiku ni ndu bana ka Me le ni Yahudawa na, Mulki Mu ana he ni wayi na.”
Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako.
37 U Bilatus minye, “Ashe, anaki, U Chu?” Yesu sa niwu, “Anaki u hla ndi Mi Chu. Nitu ki ba ngrji Me, nitu ki mi ye ni gbungblu yi, ni ndu mi no gban ni tu njanji. Ko nha wa ani son njanji'a ani sren ton na wo lan tre Mu.”
Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’ izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ ny marina dia mihaino ny feoko.
38 Bilatus sa niwu, “Ahi ngye njanji?” Ni kogon wa a hla naki, ala rju ni Yahudawa, na hla, “Ime de mina to guyi ni latre na.
Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin’ ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
39 Bi to bi he ni igan ri, u idin za gran a tsra, ni chu indji ri no yi bi son mi no yi Ichu Yahudawa?”
Fa misy fanaonareo amin’ ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan’ ny Jiosy?
40 U ba kpa-gro, kpan, kpan me na tre, “A'a, a wawu yi na, se Barabas.” Barabas'a me ahi indji yibi.
Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.