< Yohana 17 >
1 Ni kogon wa Yesu tre yi, a nzu shishi hi ni shulu na tre, “Iti, inton yeye, no Vren Me ninkonni ndu Vren Me ndu no'u ninkon -
Rehefa nolazain’ i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ ny Zanaka Anao.
2 ni wa u no gbengblen nitu bi nama kpa wawu ni ndu no re (ivri) u son hi ni tuntur ko indji ri me wa wu no'a. (aiōnios )
araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ izay rehetra nomenao Azy. (aiōnios )
3 Iwa ahi re (ivri) u tuntur, wa ba to, ba to wuyi nkrji Me Wu Irji, niwa u ton Yesu Kristi. (aiōnios )
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. (aiōnios )
4 Mi no ninkon me ni meme, Mi kle indu wa u ne ndi Mi tiwu'a.
Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
5 Zizan, “Bachi ne ninkon wa me he niwu rji niwu ri ni ndu ba me gbungblu'a.
Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ ny tenanao, dia amin’ ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
6 Mi ye yar inde rju ni ndi biwa u ne ba ni gbungblu'a. Bana bi Me u wu ne ba, u ba nji tre me.
Nasehoko tamin’ ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’ izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
7 Zizan, ba to ndi ikpe wa u ne wawu ba rji ni wu yi,
Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.
8 Mi no ba wawu lan tre Me wa wu ne. Ba kpa ba na to nda a njanji Mi rji ni Wu, na kpa nyeme ndi a wu u ton me.
Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.
9 Mi tre niwu bawu (addu'a), Mi tre niwu ni bi gbungblu'a na, se ni bi wa u ne ni ba, biki babi Me.
Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’ izao tontolo izao Aho, fa ho an’ izay nomenao Ahy, satria Anao izy.
10 Ikpe wawu wa ahi u Mu'a, a hi u Me. U Me ahi u Mu. Mi kpa ninkon ni ba.
Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho.
11 Mi na la u gbungblu'a ngana, u ba ndji biyi ba he ni gbungblu'a, u Mi si yi niwu. Tsatsra Ti, zi ba ni mi nde Me wa u ne ni ndu ba riri, nawa kita me ki riri.
Ary tsy ho eto amin’ izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’ izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masìna ô, tehirizo ireo amin’ ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.
12 Niwa mina he ni ba, Mi ziba pyan me ni mi nde Me, ni wa u ne, Mi ka ba, u riri ni mi mbu ana yra tu na, se mri bi zyi bubu'a, ni ndu lantre'a shu.
Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin’ ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna.
13 Zizan Mi si ye niwu, Mi si tre kpi biyi ni gbungblu'a ni ndu ingyiri Mu ndu shu ni ba.
Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’ izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.
14 Mi no ba lan tre Me'a, u gbungblu'a kama ni ba nitu wa ba u lantre na, na wa Mi na u gbungblu'a na.
Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’ izao tontolo izao izy, satria tsy naman’ izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.
15 Mi tre ni ndu vu ba rju ni gbungblu'a na ni ndu zi ba zizyime ni mi bi meme ba.
Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’ izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ ny ratsy.
16 Ba na bi gbungblu'a na, na wa mina u gbungblu'a na.
Tsy naman’ izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’ izao tontolo izao.
17 Zi ba nkan nitu Me u njanji lantre Me a njanji.
Manamasìna azy amin’ ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.
18 Na niwa u ton Me ni gbungblu'a, naki Mi ton ba hi ni gbungblu'a.
Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’ izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’ izao tontolo izao.
19 Mi mla tu Mu zi niwu nitu mba, ni ndu ba mla tu-mba zi me niwu ni mi njanji.
Ary ho an’ ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ ny fahamarinanao azy.
20 Mina tre niwu nitu iwa kankrji ma na, ani biwa ba kpa nyeme ni Me nitu tre mba'a
Nefa tsy ho an’ ireto ihany no angatahako, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny;
21 ni ndu ba wawu mba hi ririi, nawu, Bachi, Wu he nimi Mu, u Ime nimi Me. Mi bre ni ndu ba he nimi Mbu, ni ndu gbungblu'a kpa nyeme ndi u ton Me.
mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’ izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
22 Ninkon wa U ne'a, Ime me Mi ka no ba, ni ndu ba hi ririi, nawa kita me ki riri'a:
Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:
23 Ime nimi mba, u Wu nimi Mu - ndi dun ba nji tu-mba ye katu bi, ni ndi dun gbungblu'a ni to ndi u ton Me, andi U son ba na wa U son Me.
Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
24 Iti, Mi son biwa U kaba ne ndu ba he ni Me ni wurji wa Mi he yi, na to ninkon Mu, ninkon wa U Ne u nitu U son Me ri kuko ndi zi nchi gbungblu'a.
Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.
25 Tsatsra Ti, gbungblu'a na to Wu na, Ime Mi to'u, u ba ton nda ahi Wu yi U ton Me.
Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
26 Mi hla bawu inde Me, Mi la hla ni bawu nitu son Me wa U ndu he ni Me ni mi mba.
Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.