< Yohana 15 >

1 “Ime yi Mi nchi kunkro u njanji, u Ti mu ahi Indji u rju'a.
Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
2 Ani gyen ko ilan rime rju ni kpa Mu wa ana klo'a na, iwaani klo'a ani mla'u tie ni ndu la klo babran me.
Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.
3 Bi kpa tsatsra me ye, nitu wa Mi hla tre Mu ni yiwu ye.
Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
4 Bi ka son nimi Mu, ima Mi ka son ni mi mbi ngame, na wa ilan kunkro na ya klo kima na se ahe ni nchi konkro'a, na ni me bi na ya na se bi son ni mi Mu.
Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.
5 Mi nchi kunkron u bi lan ma, indji wa a son ni Me'a Mi he niwu, ani klo gbugbuwu, inda u ta na he ni Me na, bina ya tie kperi na.
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
6 Indji wa ana son ni Me na, ba kawu taga na ilan kunkro wa ka klu baka kpulu ba sru na yo lu, baka gon tie nton.
Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
7 U ta son ni Me, u lantre Mu son niwu, minye me ko ngyeri wa u son'a u Mi tie ni yiwu.
Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
8 Ni naki, inde Timu ni fe gbre san; ni ndu yi klo babran, ni bi almajere Mu.
Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
9 Na wa Iti Mu ni son Me, anaki Ime me mi son yi. Bika son ni mi son Mu.
Tahaka ny nitiavan’ ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ ny fitiavako ianareo.
10 U ta hu du mu, u sun ni mi son Mu nawa Mi hu du Iti Mu ni sun ni mi son ma.
Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany.
11 Mi tre kpe biyi ni yiwu ni ndu si sron Mu nda he ni yi, na ndu si sron a shu.
Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
12 Iwa yi a hi ndu Mu, ni ndu yi son kpa mbi na wa Mi son yi'a.
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
13 Indrjori na he ni son ri zan wayi na - wa iri ni re (ivri) ma no ni tu kpukpan ma.
Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
14 Bi kpukpan Mu inde bi tie kpe wa Mi hla ni yiwu dun yi tiewu.
Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
15 Mi na la yo yi tie igran ngana; igran na to kpe wa Iti koh ma ni tie'a na. Mi yo yi kpukpan Mu, ni kpe wa Mi wo ni Timu wawu, wu Mi dun yi to.
Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ ny Raiko no nambarako taminareo.
16 Ana biyi bi chu Me na, a Me mi chu yi ni ton yi ni dun yi hi ni klo ni ndu klo mbi ndu ba toh naki iwa yi ni he naki, ni tu ko ngyeri bi minye Ti Mu ni mi nde Mu, ani no yi.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.
17 Mi yo yi ni ndu yi kpa nyeme ni kpa mbi.
Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.
18 I gbungblu'a nita kama ni yi, bi ka to ndi a kama ni Me ri na kama ni yi.
Raha halan’ izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
19 Bini na u gbungblu'a, gbungblu'a ba ni son yi nawu mba. Ni wa bina u gbungblu; a na, Mi la juyi ni mi gbungblu'a, nitu ki gbungblu'a ni kama niyi.
Raha naman’ izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’ izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’ izao tontolo izao, dia halan’ izao tontolo izao ianareo.
20 Bi ka rimren ikpe wa Mi na hla ni yiwu'a, “Igran na zan tiko ma ni ninkon na.” Inde ba ti me di, biyi me ba tiyi di'a, inde ba hu tre mu, ba hu tre mbi ngame.
Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
21 Ba ti bibi kpe mba ni yiwu wawu ni tu inde Mu, niwa ba na toh indji wa a ton me na.
Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.
22 Mi na ye tre ni ba na, ba na he ni lahtre na, u zizan, ba na he ni kpe u gbisron tu lahtre mba na.
Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin’ ny helony.
23 Indji wa a kama ni Me, a kama ni Ti Mu.
Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
24 Mi na ye ti ndu kpe wa ko indrjori na ti bre ti na ni mi mba na, bana heni lahtre na, u zizan ba to ye, ba ka mba ni Me ni Ti Mu wawu.
Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon’ olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;
25 Ba ti ngari ni ndu itre wa ba nha zi ni tron'a, 'Ba kamba ni Me migyen.
fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ ny lalàny hoe: Halany foana Aho.
26 Indji u no si sron ni ta ye - wa Mi ton ye yiwu rji ni ti'a, ahi Ibrji u njanji (Ruhu Gaskiya), iwa a rju rji ni Ti'a aye, ani no gban (shaida) nitu Mu.
Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
27 Bi no gban nitu wa bi he yayi tun rji ni mumla.
Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ ny voalohany.

< Yohana 15 >