< James 1 >

1 yakubu gran rji na baci yesu kristi he ni gji wlon don ha bi wa ba shankado mi ci yi
Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ ny folo monina any am-pielezana.
2 ban ba wawuu ni ngyri mrlivyayi mu niton wa bi ku niyaa
Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ ny fakam-panahy samy hafa ianareo,
3 to ridi ahitsa yosron mbi ni ngji vurson
satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4 ndu vurontien ndu ma ndi ndu yi sen ngbendble ndi na wakpe haman
Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
5 iri mi nita ni wato ka bre rji wa ani nno ni yalwace ana whicn ni bi wa ba bre wua na ani nno ba
Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
6 ama ndu mye ni yosron ana ni sron ha naidji waa a nitie sron ha ahe na lukurmi u teku wa nghunghu ni fu kadidan
Nefa aoka hangataka amin’ ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ ny rivotra ka atopatopany.
7 ndu idji kima na ya ridi wawuu ni fe kpe ni rji na
Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ ny Tompo izany olona izany:
8 ahi idji u sion ha ana tie kpe tsratra me na
olona miroa saina izy, miovaova amin’ ny alehany rehetra.
9 ndu vayi u ya wruwo nisan nitu ndu ma ribranma
Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
10 idji u wo (arziki) wa a heni ndu tsitsama ani kle na fure ngega u miji
fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ ny ahitra izy.
11 don irj ni hwu waka klu ngongon me na giga
Fa miposaka ny masoandro mbamin’ ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon’ ny manan-karena amin’ ny alehany.
12 lulu he nitu idjji wa ani vusron ni tsara don anita vusrom ni tsra ani fe rawani u vrliwa ba yo nyi ni biwa ba son rija
Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ ny Tompo homena izay tia Azy.
13 ndu njiori na tre ndi ba tra wawuu ndi a rji mba tra wawuu na ba na tra rji ni meme na wawuu ni tuma ana tra njori na
Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
14 u dji ni fe tsra ma nitu tie meme ma kima wa ani gyru nda kawu kaskan
fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ ny filany sy fitahiny izy.
15 wa kptre meme ma whrji nee aningyji latre latre nita babran ani ngyi kuwu
Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
16 mrli vayi na ndu njio gyruyiria
Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
17 inno ndindima wawuu rhji ni rji a gji rji ni tie ukpan ana kasran na ahena whie (inuwa)
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midìna avy amin’ ny Rain’ ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana.
18 a cu ndu wawuugyji ta nitu tre njanji ni ndu ta kati whie ma mumlan
Tamin’ ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
19 bito wayi mrlivayi wa mikpayi ymea ndu ko nha srenton gbagbla nda na tre gbagblana nda na tie nfu gbagbla na
Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
20 don infu ndji na kpe ndindi u rji yena
fa ny fahatezeran’ ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’ Andriamanitra.
21 na kima ka ndu bi meme mataga ndi kpatre wa rji yo nisron ndjia wa ani kpata cuwoa
Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
22 tre ndu ni tre rji na wowuu megena na bi gyru ton mbi
Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
23 indji nita ni wotre nda na tie ndu na ahe na indji wa aya shishi ma ni madubi
Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ ny fitaratra izy;
24 aya shishi ma nda hii kpama gbagbla me nda kpa rlisu ka shishi ma he ni he
fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’ izay dia hadinony ny tarehiny.
25 u indrji wa a ya du ndi ndi ma cen me wa a kpata cuwoa nda hu ba ndindi me nda he na indji wa ruwo nda kpa rli sua na indji kima ni tie lulu ni kpe wa anibie
Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana, ka maharitra amin’ izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ ny asany izany olona izany.
26 indji wa ta mren ndi wawu hi ndji u adini nda na vunyu mana ani gyru tuma mu adini ma hi u megen (banza)
Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’ izany olona izany.
27 adini wa a tsra tsra mea nda na meme ni shishi baci tie ndu zo bi wa bana he ni tie na ni biwa bana he ni lilon na ni mi yamba nda ndu ndji son hama ni latre ni ngbungblu
Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’ izao tontolo izao.

< James 1 >