< James 3 >

1 ana ndi gbugbulu ba kamti tsro na mrivayimu ki toh di kpa hukunci wa a zan tsanan
Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
2 nakima ki ka kub zah nijon gbugbuu du ndi wa ana kub zah ni tu tre na ahi ndi wa ba mla u be ndu wa ani vu tu ni kpama wawuu
Fa tafintohina amin’ ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
3 inde ki lo nyu nghma di du ba huta ki yah di sarafa ikkpa ba huta ki yah di surafa ikpa ba wawuu
Ary raha asiantsika lamboridy amin’ ny vavan’ ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
4 bitoh igwu u dran ma naki ba bra kpukpuri naki gwugwu u gbegbenien mami zuba nikukre job fidima ndi u tru gwua ani kam hi ni bubu wa ani so
Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ ny rivotra mahery, dia ahodin’ ny familiana kely foana izy ho any amin’ izay tian’ ny mpitondra.
5 nakima ileme ahi vinghma kpa fi mei ani gbre san nikpie bi rigrama bika toh di vi ilu fi m i ani ri kile minji
Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!
6 ileme me ahi ilu ni mi nghma kpa bu wawuu gbugbulu u lalitre wa ba ban you ni mi nghama ikpabu ani kpa kpa bu tieme ani du alamura rayuwa ba vulu wawu ahi ko lu wa ani shuti (Geenna g1067)
Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy; (Geenna g1067)
7 nakia inanma rhjhu ba wawuu chicen nibi han ni ne ru kpie bi mi kikle nne ndi hei gbengbenlen ni yu ba
Fa folaka avokoa ny karazan’ ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;
8 nitu leme nimi yan Adam ba wa ani ya vu ahi ihrji wa ana si na a gbugbulu u wu ndi
fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
9 ni leme ki gbere bachi ni ti san nikima ki lah ndi wa ba tiba ni kamani riji
Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’ Andriamanitra.
10 ni mi nyu kima lulu ni lah ni rhu mrivayi ikpie bi yi bika na ti na.
Ny vava iray ihany no ivoahan’ ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
11 i mah u roma ba uri ma bana iya rjhu ni bubu ri na
Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ ny vavany iray ihany?
12 ba iya? mriyah kukron baure ana iya ti zaitu na ko ani ya? ko naki irjhu inabi anti yi baure? nakima imah u ri ana ya no imah u roma na.
Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’ oliva, na ny voaloboka mamoa voan’ aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ ny mamy.
13 ahi nghan hei ni hikima ni toh rii mi bi? du ndi kima tsro didi uvri ni ndu ma u hikima
Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ ny fahalemem-panahin’ ny fahendrena.
14 aman inde bi hei ni matsanci ihwu ni meme gbrashisi ni mi suron bi bika na wur wi ni san ni ice na ni njaji
Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
15 iri hikima yi ana iri wa ani grji rji ni shu na nakima ahi u gbugbulun wa ana hei ni njaji na ahi u ibrji
Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ ny demonia.
16 naki duk bubu wa ihwu ni gbranshishihei niki wa nyun nihei ni kowane iri meme kpie
Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
17 nakima hikma hi iri u shu, ni mumula ana tsatsra naki son si ison kamili saukiyu ahei ni loh suron kpukpo me ni gbugbu zizi wa ana die na u didi
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
18 naki mri didi wa ba shu ni mi son si ni mi bi wa ba shu tu ba bi
Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ ny fihavanana ho an’ izay mampandroso ny fihavanana.

< James 3 >