< Galatiyawa 6 >
1 Mri ya, inde ba vu indji asi ti lahtre, u biyi wa bi he ni Ruhu ndindi'a, bi ka nji indji'a ye ni tu nkoh Ruhu tsatsar. I wu, wuka mla yah tume, duna ri mi tron na.
Ry rahalahy, raha misy olona azon’ ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
2 Bika ban yah kpa-mbi, nakima bi hu tron Almasihu.
Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’ i Kristy.
3 Nakima inde ko nha ni ya ndi wawu hi kpe, alhali ana kpe na, asi gyuru tuma.
Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
4 Ko nha ka tsra tu ma toh, naki ani toh kpe wa ani kpon ni wu, duna ban tume na wu zan ndrjo ri, ko wu tsra ni ndrjo na.
Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ ny olon-kafa;
5 Nakima ko nha ni ban ron kpima.
fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
6 Wa ba tsro itre anaki ani guchi ri amfani ikpi ma bi bin wa wu'u ni ndji wa a tsro'a.
Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’ izay mampianatra.
7 Na duba gyuru yi na bana zan Irji na. Naki ikpe wa ndji'a chu, ani chan kima i.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ ny olona no hojinjany.
8 Nakima wa'a chu ni lahtre, ani chan me me, ama indji wa a chu ni Ruhu ndindi, ani chan dri u se ka kle ni Ruhu ndindi (aiōnios )
Fa izay mamafy ho an’ ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ ny nofo; ary izay mamafy ho an’ ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ ny Fanahy. (aiōnios )
9 Kina tie die ni ti ndindi na, naki ni toh wa abi ki chan, inde kina die na.
Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ ny fotoan’ andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
10 Naki inde ki he ni toh kika tie ndindi ni ko-nha. Ki ti ndindi masama ni biwa ba he ni mi njanji.
Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra, indrindra fa amin’ ny mpianakavin’ ny finoana.
11 Ya gbugbu imbe wa mi nha ni yiwu ni wo mu.
Indro ny havaventin’ ny soratra izay soratan’ ny tanako ho aminareo.
12 Biwa bason ndi duba tsro hali ndindima ni mi kpa, baba i basi tie yi yah du ba you gjin ni yiwu. Basi tie nakima ni ka ngrji ba don duba na tie ba yah na ni tu giciye Almasihu.
Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian’ i Kristy izy.
13 Don biwa ba you gji ni bawu bana hu tron a na. Nakima ba son duba you gji ni nyu, don duba na wru wo nisan ni kpa-mba na.
Fa na dia ny tenan’ izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin’ ny nofonareo.
14 Mina wru wo ni san na, se ni giciye Bachi mbu Yesu Almasihu, ni tuma ba klo gbungblu ni mu, i me me ni gbungblu.
Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin’ ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’ izao tontolo izao.
15 Nakima you gji ni hama, gji ana kpe na, ni yu'u kima Ite sa'a ma ahe ni muhiminci.
Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
16 Ngye bi wa ba sun ni mi kaida du si suron ni shishi u lo suron ka he ni ba, nitu Israila u Irji.
Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin’ ny Isiraelin’ Andriamanitra.
17 Ni zizan hi koshishi du ndrjo ri kana dame ni me na don mi ban tagia u Yesu hi kpa mu.
Amin’ izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik’ i Jesosy voatomboka eo amin’ ny tenako.
18 Ndindi u Bachi-mbu Yesu Almasihu ka sun ni Ruhu ndindi bi mri yah, Amin.
Ho amin’ ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.