< Galatiyawa 4 >
1 Mi tre ndi magaji ahi vren, bana he ni nkankah ni gran na, inde wawu hi wa ahe ni kpi wawu.
Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ ny zavatra rehetra aza;
2 Nikima, ahe ni mi guchi bari, ni biwa ba kpa nyime hra se ni nton wa Itima a kazi.
fa fehezin’ izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan’ ny fetr’ andro voatendrin’ ny rainy.
3 Nakima kita me inton wa ki he mri, ba njita ni mi itre u gbungblu.
Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao;
4 Naki ma da inton ati yereyere, Irji ton Vren Ma wa, iwa a ngrji wu, ingrji ni nton u tron.
fa rehefa tonga ny fotoan’ andro, dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ ny lalàna,
5 A tie naki don du chu biwa ba he nimi tron chuwo, don ki mri ma.
hanavotany izay ambanin’ ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’ anaka.
6 Don ki mri Irji toh Ibrji ndindi u Vren Ma ni mi suron mbu, Ibrji ndindi wa ani yo ndi Abba Bachi mbu.
Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’ Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
7 Iki sa wu wuna gran na wu u vren. Inde wu u vren, naki wu'u magaji ni Irji.
Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’ Andriamanitra.
8 Ni sen bina toh Irji na, bina gran ni Irji wa bana he ni vrie na, irji bi wana u njanji na.
Kanefa tamin’ izany, fony mbola tsy nahalala an’ Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
9 Ama zizan a wa bi toh Irji, i zizan Irji toh yi, a ngye sa bi lah k'ma hi ni kaidodi wa bana he ni gbengblen ni du na? Bila ni son ndi bi k'ma tie gran u mum'la?
fa ankehitriny, rehefa mahalala an’ Andriamanitra ianareo ― nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo ― nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
10 Bi kiyaye ivie, i hwa bi sa ni nton ni se.
Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
11 Sissri ni time ni yiwu, sissri ni time na di miti ndu ni mibi u migyen.
Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
12 Mi bre yi mri ya du yi he na ndi mi he'a, na ndi mina he na u bi'a.
Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
13 Nakima bi toh da lilo u na nmakpa mika dub tre ni mum'la.
nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen’ ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin’ ilay voalohany;
14 Naki na nma kpa mu du yi ri ni tsra, bina kpa me stri na, bi na tru me yoga na. Nakima bi kpa me na Maleka Irji, na ndi me yi mi Kristi Yesu ni tuma.
ary ny teo amin’ ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’ Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an’ i Kristy Jesosy aza.
15 Nakima zizan ingyiri mbi'a he ni ntsen? Don mi hla ni yiwu, inde ana ni tie, bina ju w'lo shishi mbi ne.
Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
16 Mi k'ma tie wu kran yi wa mi hla njanji ni yiwu.
Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
17 Basi wayi, ba ni ndindi na, basi son du ba ga ta tie nkanka ni yi du yi hu ba.
Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
18 Abi du yi ta yo suron ni kpi ndindi, ko mina he ni yi na.
Fa tsara raha ilam-pitia amin’ ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
19 Mri mu bi tsitsa, ni tu mbi mi he ni mi ilo u tie luma na yi ine u ngrji, se Kristi a son ni mi mbi.
Anaka, izay aharariako indray amin’ ny fiterahana mandra-paharin’ i Kristy ao anatinareo,
20 Bana tre ndi mi he ni yi zizan'a, mi ni k'ma lan mu ti don mi he ni damuwa ni tu mbi.
enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
21 Bika hla ni mu, biyi wa bi yo suron mbi ye ni mi tron, bina wo kpi wa itron a tre na?
Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin’ ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
22 Ba nha zi ndi Ibrahim a he ni mri lon hari iri a vren gran, u ri a vren iwa wa ana anihi iwa u koh.
fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin’ ny andevovavy, ary ny anankiray tamin’ ny tsy andevo.
23 Ikpi u ban yah ni wa yi, ivren u iwa u gran ba ngrji ni ko u kpa, ama ivren iwa u koh a, ba ngrji u nitu chu yiwu.
Kanefa ilay tamin’ ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ ny teny fikasana.
24 Ba ya tsro ikpi bi yi ni koh nayi. Imba biyi ba he na chu yiwu hari. Chu yu rima ahi igblu sinayi. A ngrji mri na igran, wa u hi Hajaratu.
Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ ny fahandevozana, dia Hagara izany.
25 Zizan'a Hajaratu wawu hi igblu sinayi wa ahe ni Arebiya. Ahe na Wurushelima u ziza'a, don ahe ni mi gran baba mri ma.
Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’ i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ ny zanany.
26 Ama Wurushelima wa ana gran na, wa wu i hi yimbu.
Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
27 Na ba nha zi, U ka ngyiri u wu iwa u krju, wa u na ngrji to na. Wu ka za di ti kinkla suron, u'wa u na yi nne u ngrji na. Don mri iwa wa ana ngrji na ba gbugbuwu zan iwa wa ahe ni lilon.
Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ ny manana-bady.
28 Zizan'a mri ya na ndi Ishaku he anaki kita ki he na mri u chu yu'u.
Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’ isaka.
29 Ni toh mu wa ba ngrji u ninkon u kpa, a ta tie u wa ngrji u ninkon u Ibrji ndindi yah, ahe naki hra zizan'a.
Kanefa tahaka ny tamin’ izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
30 Ahi gyen itre a tre? Zu igran ba ni vren ma. Don ivren gran ana ri gado ni vren wa u koh na.
Nefa ahoana no lazain’ ny Soratra Masìna? Roahy io andevovavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ ny zanaky ny tsy andevo.
31 Nakima mri ya kita kina mri igran na nakima ki mri iwa u koh.
Ary amin’ izany, ry rahalahy, tsy zanak’ andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.