< Ndu Manzaniba 8 >
1 Shawulu a nyme ngame ni kwu ma, nitu ki nivi baki, kikle watu ni ya a vu Ekklisiya wa a he ni Urishilima, u biwa ba kpatre Rji nda nyme niwu, ba vra ga ni gbungblu wu Judea mba Samaria, nda don manzaniba meyen.
Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. Ary tamin’ izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
2 Ndhi bi hu ngyengre me ba ban Istifanus ka rhu nda son ndayi kpukpeme.
Ary mpivavaka tsara no nandevina an’ i Stefana sady nisaona azy fatratra.
3 Ama Shawulu a kri gbangban nda ni so kpa Ikklisiya meme. Ata ri ni ko niko nda gbi lilon baba mmba, nda tru ba sru niko u tro.
Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
4 Na kima me biwa ba kpa nyeme nda vera hi kankan ba zren zita bla lan trea.
Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
5 Filibus a grjhi hi ni kikle gbu wu Samaria ndaka d'bu bla nibawu nitu kristi.
Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao.
6 Kpaandhi ba ki si sren ton ni tre wa Filibus a si bla'a, ni yo sron ni bubu riri, ba wowu nda toh kpi bi tsro-ya wa'a ti'a.
Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain’ i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.
7 Meme brji ba rhurhi ni mi ndhi gbugbuu wa ana hon son ni mimba, nda ni yi ni kri gro nikle lan, ndhi bi lilo chon gble, ndana zrenna ba kpa si kpamba.
Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
8 Nituki ndhi bi gbuu'a ba ngri kpukpome.
Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’ izany tanàna izany.
9 Ni gbukima, ndhiri a he wandi ba yo ndema ndiSiman, wa ata tsro ka, nda ni kandhi tsi shishi nda gyur. Bi Samaria du ba baniwu ti ndriori ninkon.
Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
10 Wawu ndhi bi Samaria, rhini bi tsitsa hi ni bi ninkon mba, bata sren ton niwu ndatre ndi “Gu yi a gbengblen irjhi wa ba yo Azangbengble”
ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin’ Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
11 Ba yo ton ni trema nitu wa rhi ni dedewa azi tsibashishi nidu ka'a wa a ta tsro ba.
Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin’ ny odiny.
12 Ama niwa ba kpa tre wa Filibus a sia d'bu lha nitu tre ndindi wu Irji mba nde Yesu. Kristi, ba vu ba ti baptisma, lilon baba mmba wawumbawu.
Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13 Siman ngame a kpanyme. Hu gon baptisma ma, a kha ta son zuni Filibus mu. Niwa a toh kpi bi tsro-ya baba kikle ndu wa a si'ahe, a bwu nguyo ni w'ho.
Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an’ i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
14 Niwa manzani ba ni Urishilima ba wo ndi Samaria ba kpa lantre Irji, ba ton Bitrus mba Yonana hi ni ba.
Ary nony ren’ ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’ Andriamanitra, dia naniraka an’ i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
15 Niwa ba grjhiye, ba bre Rji ni bawu, ndi du ba kpa Ruhu Tsatsra.
Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ ny olona mba handraisany ny Fanahy Masìna.
16 Nitu, ye niton kima, Ruhu tsatsra na ri he wu grjhiri ni ba, bana kpa baptisma ni nde Bachi Yesu megen.
Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo ihany izy.
17 Mle Bitrus mba Yohana ba sa wo nitumba, U ba kpa ruhu tsatsra'a.
Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masìna ireo.
18 Niwa Siman a to ndi ba nu Ruhu Tsatsra niwa ba manzani ba ba sawo nitumba, a chu nkle ni nuba.
Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan’ ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masìna, dia nitondra vola homena azy
19 A tre ndi “Ne gbengle kima ngame, wandi mita sawo nitu ko nha, wa ka kpa Ruhu Tsatsra”
ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masìna izay olona hametrahako tanana.
20 Ama Bitrus a lha niwu ndi “Du nkle silva me qu timeme ni wu, nitu wu ya ndi wu iya kpa Kyauta Irji ni nklen.
Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin’ ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra.
21 Wuna he ni rabo ni kpeyina, don suron me na he bi ni irji na.
Tsy manana anjara na raharaha amin’ izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra.
22 Nitu kima, U ka don meme dri me ndi bre Baci, nidu anita kpayeme ani wrulhe, meme kpe wa wuna yo suron ni wu'a.
Koa mibebaha amin’ izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ ny fonao.
23 Mi to ndi wu he ni mi ntson lo suron mba ni nkon meme.
Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ ny fangidian’ afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.
24 Siman k'ma sawu ndi “bre Bachi nimu, du ko kpe riri wa wu tre na hon nitumuna.
Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin’ ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
25 Niwa ba bla kpe wa ba to'a nda tre lantre Bacia, Bitrus mba Yohanna ba k'ma ni hi Urishilima, nda zi bla trendindi ni kauyuka gbu bi Samaria.
Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin’ ny vohitra maro izay an’ ny Samaritana.
26 Zizan, malaika Baci a tre ni Filibus ndi “Lunde ndi hu nkon wa grjhi hi kogbo, wa a kru grjhi rhini Urishilima hi ni Gaza (Nkon yi hi ni hammada).
Ary nisy anjelin’ ny Tompo nilaza tamin’ i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin’ ny lalana midìna avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
27 A lunde nda ku nko hi. Nikima aka zontu ni guri, wa a rhini Ethiopia, dandandu wa wu kikle ma'aji u Candace Samariya wu Ethiopia. Wawu yi kpi bi yo suron wa'a bana he ni woma. Ana ye ni Urishilima nda ni ye hi sujada.
Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’ i Kandasy, mpanjakavavin’ ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
28 A k'ma tahi nda son ni ng'ma wu hon ma nda sia karanta tre anabi Ishaya.
dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ ny kalesiny ary namaky teny tao amin’ Isaia mpaminany
29 Ruhu Rji a lha ni Filibus ndi “hi ni bubu wa a hea, ni hi kri nha ni ng'ma hu henma”.
Dia hoy ny Fanahy tamin’ i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin’ io kalesy io.
30 Niki filibus a tsutsu hi niwa, nda wo a sia bla tre anabi Ishaya, nda mye “ka U mla to kpewa u si bla'a?”.
Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin’ Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
31 Wa a kri sa wu ndi, “Mi tihe hama ni du ndior ye tsro me?” A yo Filibus du hon hi ni wu niti ng'ma, nda hi kuson nha niwu.
Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an’ i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.
32 Zizan bubu vunvu wu lantre wa lgu Ethiopia a sia bla ana to yi, “Ba vu gbron si hi to nt'ma wa ba jiwu hi han, mba toh vivre nt'ma wa a kri ni gbamgbi ni mi biwa ba si le niwu'a niki ana bwu nyuma.
Ary izao no tenin’ ny Soratra Masìna novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak’ ondry moana eo anoloan’ ny mpanety azy;
33 Ni mi yama, gatre wu janji ama iba ban meme no nha ni to bla nitu biwa baka rhurhini wu, hpu ma. Ba ban vrima rhurini meme.
Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin’ ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin’ ny tany.
34 Wame Dandaudu a mye Filibus ndi, “mi bre'u, hla mu, anabi si tre nitu nha? nitu kpamamu ka nitu ndiori kan?
Ary ilay tandapa namaly an’ i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain’ ny mpaminany amin’ izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
35 Filibus a lu si tre, rhi ni lantre yi wu vunvu tre Rji nda bla ndidi tre nitu Yesu niwu.
Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’ izany Soratra Masìna izany nitory an’ i Jesosy taminy.
36 Niwa ba kihi ni nkon, ba ye tsra ni bubu ma ri'u Dandaudu a tre ndi “Toh, imma he yi, naye ni zuudu ti baptisma nimu na?
Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin’ izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
37 Chiche vunvu bi sen wu bi ma, bana he ni ndan na. Filibus a tre ndi, “wuta kpanyeme ni suron me ki ti baptisma niwu “Dandaudu a k'ma sawu ndi mi kpanyme ndi Yesu Kristi a hi vren irji.
38 Niki, dandaudu a du ngma kukri. Ba grjhi hi ni mi mma. Filibus mba dandauda, U Filibus a ti baptisma niwu.
Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ ny rano; dia nataony batisa izy.
39 Niwa ba hon wru rhi ni mi mma'a, ruhu Rji a nzu Filibis hi kado, u dandaudu ana la too ngana, ama a vu nkoma si hi nda ngiri.
Ary rehefa niakatra avy teo amin’ ny rano izy roa lahy, dia nentin’ ny Fanahin’ ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ ny nalehany izy sady nifaly.
40 Filibus aka rhu kri ni azotus, nda zren zu ni gbungblu ki, nda ni d'bu bla tre ndidi ni gbu biki, har nda ka kri ni caesaria.
Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin’ ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.