< Ndu Manzaniba 28 >

1 Niwa ba nji ta ye ri pian me, ki wo ndi ba yo nklan meme ki ndi Malta.
Ary rehefa voavonjy izahay, vao fantatray fa Melita no anaran’ ilay nosy.
2 Indji bi son niki ba kpata nisron ndindi nda mulu nitawu duta mbru kpa nitu ilu chachu mba isi wa a he niki.
Ary tsy kely ny soa nasehon’ ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin’ izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.
3 Niwa Bulus a vu fla kunkron zontu zi nda vu sa nitu lua, iwan a rju nitu gbaji lua nda ye nye wu ni wo.
Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin’ ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin’ ny afo ka niraikitra tamin’ ny tànany.
4 Niwa indji bi bubuki ba to nma si klo ni woma, ba tre ni kpamba, “Indji yi, wu njanji, ani wuu ndji niwa a nawo rjini kpan trema, i gaatre na kpanyme ndi du son ni sisren na.”
Ary raha hitan’ ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin’ ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin’ ny ranomasina aza izy, tsy avelan’ ny todin’ aina ho velona.
5 I niki a kpon nma yo nimi lu'a hama ni du kpe tiwu.
Fa nakifiny ho eo amin’ ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza.
6 Ba sia gben ndi ani hwukpa ni lilo ko ka lu kurjoku khwu. U niwa ba ki si yau wu gbron nton nda to ndi ikpe meme na ti'una, ba kma sron mba sran nda tre ndi a hi Irji.
Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an’ i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io.
7 Zizan, whiniki, bubu meme bari a he wa bana bi chu wu nklan memeki, igu wa ba yondi Publius. A kpa ta bi ni wo ha, nda nuba kpi wa ba son wu vi tra.
Ary teo akaikin’ io dia nisy sahan’ i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana.
8 A he niki, iti Publius a kru lilo lokpa mba atini. Niwa Bulus a hi niwu, a bre, yowo ma nitu ma, nda nuu si kpama.
Ary nararin’ ny tazo sady nivalan-drà ny rain’ i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.
9 Hu kpe yi wa a ye he a, mbru indji bi nklan meme ki ba wa basia lo, ba ngame nda ye kpa sikpa mba.
Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin’ ny nosy, ka dia sitrana.
10 Indji ba ngame ba nzu hon gbugbuwu. Niwa kita mla ku nkon dran, ba nuta kpi wa ki son a.
Ary voninahitra be no nomen’ ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara.
11 Niwa wha tre a ka hi, ki dran ni jirgi mma wa a kru ga ni nklan meme ki, jirgi mma wu Alexandria, ni nha to “hlan-ha irji” ni kbu shishima.
Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin’ ny sambon’ Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin’ izany nosy izany sady nisy sarin’ ny Zaza Kambana.
12 Ka huki, ki ye grji ki ni gbu Sirakus, ki kii niki wu vi tra.
Ary rehefa nitody tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana.
13 Rji niki ki dran ka ri ni mi gbu u Rhegium. Ivi rhi ka hi kikle ngyungyu a rju rji ni kosan, u ni mi vi hari ki ye rhi ni mi gbu u Puteoli.
Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay;
14 Niki, ki to mri vayi bari i ba yo ta duta ye son niba wu vi tangban. Ni nkon kii ki ye ri ni Roma.
tao no nahitanay ny rahalahy sasany, ary izy niangavy anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy izany no nandrosoanay nankany Roma.
15 Rji niki, wa mri vayi ba ba wo tre nitu mbu, baye zontu nita gbagban mu to rhini cucu Abiyas mba iti tra bru tra. Niwa Bulus a to mri vayi ba, a ngyiri ni Irji nda ti gbengblen.
Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin’ ny Tsenan’ Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an’ Andriamanitra izy ka nahazo toky.
16 Niwa ki rini mi Roma, ba kpanyme ni Bulus du son ni nklenma mba soja wa ata kri yau.
Ary rehefa tonga tany Roma izahay, Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo amin’ ny miaramila anankiray izay niambina azy.
17 Niki a ye he wa ivi tra aka hi, Bulus a yo indji wa bana bi ninkon Yahudawa zi. Niwa ba ye zontu ki, a tre niba ndi “Mri vayi, hama ndi mina ti kpe meme nitu indji ko ka nkon son ba titimbu, ba vu me lo nu ba tro rjini Urushelima ye ri ni wo bi Roma.
Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain’ i Paoly hiangona izay lohandohany tamin’ ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan’ ny Romana, na dia tsy diso tamin’ ny firenentsika aza, na tamin’ ny fanaon-drazana;
18 Hugon myeme tre, ba ta son chume chuwo, nitu bana to kpe wa ba han hukunchi kwu ni tu tre mu.
ary rehefa nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany, satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy.
19 I niwa Yahudawa ba tre hu nkon wa bana ta son na, a du me bre to Kaisar, ana nitu mi sia nji nhakpe nitu bi meme mu na.
Fa raha notoherin’ ny Jiosy izany, dia terỳ aho ka nilaza fa handahatra amin’ i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.
20 Nitu kima yi, mi wa tou ni tre niwu, nitu yo sron wa Israila ba he niwu'a du me he nimi lo sarka hi.”
Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan’ ny Isiraely no ifatorako amin’ ity gadra ity.
21 Mle, ba tre niwu ndi, 'Kina kpa vunvu nha rjini Judiya nitume na, i vayi ri mena ye njitre, koka trekpe meme nitume na.
Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
22 Ama kison wo rjini wu mren me nitu igrji yi, nitu ki to ndi ba tre meme kaagon nitu ma.”
fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin’ izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.
23 Niwa ba yo vi niwu, indji gbugbuwu bari ba ye niwu, ni bubu son ma. A bhwu hla tu trea ni bawu, nda ni vubla nitu ikoson Irji. A ta son gbron sron mba yo rjini du Musa mba rjini anabawa ba, rjini mble kari ni yalu.
Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’ Andriamanitra hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva, ary ny teny eo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an’ i Jesosy.
24 Bari ba kpanyme ni kpiwa ki tre ni tumba, i bari bana kpanyme na.
Ary ny sasany nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino.
25 Niwa bana kpany'me ni kpamba na, ba hi kpamba hu wa Bulus a tre lan tre riri yi. “Ibrji Tsatsra a tre bi, zuni nyu anabawa baba manzani ba hi ni ba titimbi.
Ary raha tsy niray saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay nampilazain’ ny Fanahy Masìna an’ Isaia mpaminany tamin’ ny razanareo
26 A tre ndi, hi ni indji biyi ndi hi hla ndi, “Ni si wo, bi wo, i bina to tuma na; mba nisi to bi to, i bina to nkon ma na.
manao hoe: Mandehana any amin’ ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;
27 Nitu dri indji biyi a ti bwu, mba ni iton mba, bana mla wo na, mba ba kaa shishi mba hama ki ba ma to ni shishi mba, nda wo ni iton mba, nda to tuma ni dri mba nda kma sran ngari, i mi nuba sikpa.'”
Fa efa adala ny fon’ ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho.
28 Nitu kima, bika to ndi kpachuwo Irji yi, ba truu hini bikora ba, i ba wo'u.”
Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’ Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin’ ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
29 Ndu Manzani, 28:29 - tre vunvu bari wu sen ba heni nklan 29: / Niwa a tre kpi biyi, Yahudawa ba ba hi kpamba. Ba sia he ni kikle sen nyu ni kpamba. /
30 Bulus a son wu se ha wawu ni kowa a han nklen ki kima, nda ta kpa ni wo ha, biwa ba ye niwu'a.
Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy,
31 A sia dbu bla nitu ikoson Irji nda ta tsro ikpi nitu Bachi Yesu Kristi ni gbengblen sron hama ni ndrjo ata zuu.
dia nitory ny fanjakan’ Andriamanitra ka nampianatra ny amin’ i Jesosy Kristy Tompo tamin’ ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.

< Ndu Manzaniba 28 >