< Ndu Manzaniba 20 >

1 Niwa gro wu a kle'a, Bulus a ton ba ka yo mri ko bi hu'a nda nron ba du ba ki gbangban, nda tre ndi duba mla ki nda kuunko hi ni Macedonia.
Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.
2 Niwa a zren zu ni gbungblu bi koki nda gbre ba ni lantre gbugbuwu, a ye rini Greece.
Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin’ ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.
3 Hu gon kima a son ti wha tre niki. Yahudawa ba ba mla nkon meme ti nitu ma, niwa a ta dran hun koma hi ni Syria; nitu ki a kma sran ka zu ni Macedonia.
Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an’ i Makedonia.
4 Kpan zren ma ba wa baka rini Asia, bana sopater ivren Pyrrhus wa a rhini Berea, Aristakus mba Sekondus, hamba bana bi Tasalonika wa ba kpanyime, Gaius wu Derbe, Timoti, mba Tychicus mba Trophimus wa a rhi ni Asia.
Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak’ i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
5 Ndji biyi bana guchi hi nitawu nda ka sia gbenta ni Troas.
Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.
6 Ki dran rhuni Philippi niwa ivi bi bredi wa ana fuulu, a kle, mba ni vi u ton ki ye tsra niba ni Troas. Niki ki son u vi tangban.
Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
7 Ni vi mumla u Sati ki, niwa kina zontu niki nzi bredi, Bulus a tre ni biwa ba kpanyime'a. A ta son don ba ni viwu hu kima, nitu ki a tre gbron nkon hi ni tsutsuchu.
Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.
8 Ilu fitila gbugbuu bana he ni tra u koshu, bubu wa kina zontu ki.
Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.
9 Ni windo'a, vren nze ri ni nde Eutychus a son, e inna a kri koonvu. Niwa bulus a tre la gbron nkon nha, vren nze yi, wa a risi kruna, a kurjoku rjini tuko u tra i baka baun kmomu.
Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin’ i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ ny tany avy eny amin’ ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
10 Bulus a grji hi, kukru tsra kpama nituma nda maanji ye ni kpama. Mle nda tre, “Du sron mbi na ti meme zan toyi na, a he ni sisren.”
Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.
11 Niki a kma hon hi ni tra u koshu'a nda ka nzi bredi tan. Hu gon wa ala si tre ni ba wu gbro nton ka tsra ni bwu mble, a rju kaba don.
Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain’ ny andro izy, dia lasa nandeha.
12 Ba nji vren nze'a kma ye ni sisren ma e sron mba a kusi.
Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.
13 Kita ngame ki zren guchi ni Bulus nitu jirgi ma, ki dran hi ni Assos, bubu wa kina banzi ki ban Bulus yonji nita. Ana toki me wawu kima ana son ti, nitu ana ya ndi ani hu nkon u meme hi.
Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an’ i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy.
14 Niwa a zontu nita ni Assos, ki baun yo ni mi jirgi'a ni hi ni Mitylene.
Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.
15 Niki ki dran rhini kima ka ri ni vi wa aka hua, ni bubu wa ata ya nklan meme wu Chios. Ni vi wa ala hu'a, kika yo za ni nklan meme wu Samos, e vi wa aka hu kima, ki ye ri ni kikle gbu Miletus.
Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin’ i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson’ iny.
16 Nitu Bulus ana banzi ndi ani dran vu Ephesus yba, nitu du wawu na wo nton ni Asia na; a ta sima hi ri ni Urushelima nitu hi tsra ni vi Pentecost, anita bi tiwu toki.
Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
17 Rjini Miletus a ton ndji hi ni Ephesus duba ka yo bi ninkon ekklisiya ye wu.
Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon’ ny fiangonana hankeo aminy.
18 Niwa ba ye'a, a hla bawu ndi, “Bi yi kimbi bito, rhini vi mumla wa mi yo za ni Asia, niwa chachu mi zi wunton niyi.
Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin’ ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin’ izany andro rehetra izany,
19 Mi zi ti ndu Bachi hama ni nzutu mba ni Mashishi, mba ni tsra iya wa ye ni me nitu zon nyu meme wu Yahudawa ba.
dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ ny fanotrehan’ ny Jiosy,
20 Bito nitu wa mi na kamu ni dbu bla ni yiwu ko ngye wa ani zoyi na, mba wa mi tsro yi ni shishi ndji wawu mba huyi niko niko,
ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ ny olona ary tao amin’ ny isan-trano;
21 ni ni vu ni nran ni Yahudawa baba bi Greek nitu kma sron hi ni Irji mba kri ni gbangban sron ni Bachi mbu Yesu.
ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
22 Zizan ya, mi si hi ni Urushelima, ni gbron Ruhu, nina to kpe wa ani ti nimu niki na,
Ary ankehitriny, indro, terỳ am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any,
23 hamma wa Ruhu Tsatsra a bwu bla nimu ndi ni gbu kankan wa mi ria, wlo cbo wu lo mba iya ni gben me.
afa-tsy izay ambaran’ ny Fanahy Masìna amiko amin’ ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.
24 E me mina ban kpa ivri sisren mu to hi kpe wu tumu na, nitu du mi kle itsu mba ndu wa mi kpa rjini Bachi Yesu, ni du mi bwu nran tre ndindi wa Irji nme wo kpata hama duta ki han kpe.
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.
25 Zizan ya, Mito ndi wawu mbi, wa nimi mbi mi zren si dbu hla nitu ikoson Irji, bina la to shishi mu na.
Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.
26 Nitu kima, mi bwu ni bla yiwu vi wu luwa iyi ndrjo na he ni tumu na.
Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin’ ny ranareo rehetra aho.
27 Nitu mina ka kpe don ni dbu bla wawu kpe wa Irji ni son niyi na.
Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’ Andriamanitra.
28 Nitu kima, bika mla zren ni kpambi, mba ni ba wawu ntma wa Ruhu Tsatsra a yoyi du yi yaba niwu'a. Mla zren ni krju ekklisiya Irji, wa a le ba ni iyi ma. / Nitu du he ndi / ni iyi ma / nha vunvu bi sen bari ba yo ndi / ni iyi wu vren ma
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ ny Fanahy Masìna anareo ho mpitandrina’, hiandrasanareo ny fiangonan Andriamanitra, izay novidiny tamin’ ny ràny.
29 Mi toh ndi, mita hi kpamu, meme yawhu bari ni mi mbi ba ye nda na kpa ntma ba chuwo na.
Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry.
30 Mi to ndi nimi mbi me, ndji bari ba nzulu nda tre kpe bi gbran rhen nitu du ba gbron mriko bihu bari hi ni kpan mba.
Ary avy aminareo no hiposahan’ ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
31 Nitu ki bika mla kri. Bika ti mren ndi wu se tra mina don me ni nron yi yiyyri mbi ni mashishi ni chu mba ni irhi.
Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman’ alina tamin’ ny ranomaso.
32 Zizan mi yoyi ni wo Irji mba ni lan tre u wa a kpata, wandi ani to me yi nda nuyi gado nimi biwa ba ngla ba ti tsatsra'a.
Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’ izay rehetra nohamasinina.
33 Mina ti ngu yo sron nitu azurfa, zinariya ko nklon ndrjo na.
Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’ olona aho.
34 Biyi me bi to ndi iwo mu biyi ba tindu ne kpiwa mi son mba kpison wu bi wa ba he ni me'a.
Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.
35 Ni kpi wawuu, mi bwu nkon tsro yi nitu wa bi zo bi wa bana he ni gbengblen na, ni tindu, mba niwa bi timre ni lantre Bachi Yesu, lan tre wa wawu kima a tre: A zan bi lulu du hu nu ni du hu kpa,”
Efa nasehoko anareo tamin’ ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.
36 Hu gon tre ma ni nkon yi, a kukwu mgbarju nda bre Irji ni ba wawu mba.
Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’ izy rehetra.
37 Ba kuuyi bran nda mankpa Bulus nji nda chiwu bi bi wu sron nyime.
Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’ i Paoly ka nanoroka azy,
38 Sron mba a ti meme zan nitu wa a tre ndi bana la to shishima ngana. Mle ba huu ka yo ni nkon ni jirgi ma'a.
sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy.

< Ndu Manzaniba 20 >