< Ndu Manzaniba 19 >
1 Aye he niwa Apollos a he ni Corith, Bulus a zren zu ni kotu gbungblu'a nda ye ri ni kikle gbuwu Ephesus, nda ye toh ba mri ko bari niki.
Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
2 Bulus a hla bawu ndi, “Bi kpa Ruhu tsatsra niwa bi kpanyime a?” Ba sa niwu ndi, “aan, kina wo nitu Ruhu Tsatsra mena.
ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masìna, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masìna.
3 Bulus a tre ndi, “Nimi ngye wa ba ti batisma ni yiwu?” Ba tre ndi, “Ni baptisma wu Yohana.”
Ary hoy Paoly: Ho amin’ inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ ny batisan’ i Jaona.
4 Niki Bulus a sa ndi, “Yohana a ti batisma wu k'ma sron sran. A hla ni ndji ba ndi du ba kpanyime ni wa ani ye ka huu, wa a hi Yesu.”
Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ ny fibebahana ka nilaza tamin’ ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
5 Niwa ndji ba ba wo toki, ba kpa batisma ni nde Bachi Yesu.
Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo.
6 Niki, wa Bulus a sawo nitu mba, Ruhu Tsatsra a ku nitu mba, nda duba tre ni lan bari nda bwu tre wu ko shishi si bla.
Ary rehefa nametrahan’ i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna; ary niteny tamin’ ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
7 Wawu mba bana mla tsra ndji wlon don ha (tso).
Ary tokony ho roa ambin’ ny folo lahy no isan’ izy rehetra.
8 Bulus a ri hi ni sinagog nda ka tre ni gbengblen sron, wu wha tra, shle vu si ya nda nhron ba nitu ngbran ko Irji.
Ary Paoly niditra tao amin’ ny synagoga ka niteny tamin’ ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
9 E niwa Yahudawa bari ba lo sron zi gbangban nda kamba ni shishi kpaa ndji ba. Niki Bulus a kaa ba don nda chu mriko bari hu nji ni kpama, nda ka vu bla siya ba baa ni ba ni tra wu zontu bi u Tyrannus.
Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ ny olona maro, dia niala tamin’ ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan’ andro tao amin’ ny trano fampianaran’ i Tyrano.
10 A si he toki ka tsra se ha, nitu ki wawu mba wa ba kii ni Asia, ba wo lan tre Bachi, ni Yahudawa baba Greek ba.
Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin’ ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa.
11 Irji a sia ti kikle kpi wa bana ri he wu toh ni son mba, ni wo Bulus.
Ary ny tànan’ i Paoly no nanaovan’ Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
12 Nitu kii, ngbanjan nklon wu wo mba nklon wu kaa nne wa ana sa wo ni wu ba ban ba ka nubi lilo, i lilo mba a bwa hi don ba e brji ba ba rju don kpamba.
ka dia ny mosara sy ny fiaron’ akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
13 E Yahudawa bi zu brji rju ni kpa ndji bari ba sia zren zu ni ngbran kima. Ba yo nde BAchi Yesu ni du nuba gbengblen nitu meme brji niwa ba tre ndi, “Ni nde Yesu wa Bulus a dbu hla, mi mha yiyo, rju yi.”
Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’ i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin’ i Jesosy Izay torin’ i Paoly aho.
14 Ninkon Prist wu Yahudawa, wa ndema ana Sceva, a he ni mri tangban wa basia ti toyi.
Ary nisy fito mirahalahy, zanak’ i Skeva, Jiosy, lohan’ ny mpisorona, izay nanao izany.
15 Meme brji a sa bawu ndi, “Yesu mi to, mba Bulus mi to, i wu hi nha?”
Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
16 Meme brji ni mi igu; a a doo lu hon nitu bi zu brji rju'a nda zan ba ni gbengble, nda hloba tsi. Mle ba yotsu rju ni ko'a ni ngbre mba ni nkpan kpa.
Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin’ ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin’ izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
17 Ikpe yi a ri ton ndji wawu, Yahudawa baba Greeks, wa ba ki ni Ephesus. Sissri a vu ba, u nde Bachi Yesu a nzu hon.
Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’ i Jesosy Tompo.
18 Niki ngame, gbugbu biwa ba kpanyime'a, ba rju ye nran nda vu bla meme kpi wa bana ti yea.
Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
19 Gbugbu biwa bata ti gbugblu ba ni vunvu mba rju ye sru ni buburi nda goon ba ni shishi ko nha. Niwa ba bla nklen kpi ba, ana dubu se ton wu whlo azurfa.
Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
20 Niki lan tre wu Bachi a zren kagon gbagban ni gbengblen.
Fatratra toy izany no fandroson’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny heriny.
21 Zizan, hu gon wa Bulus a kle ndu ma ni Ephesus, a yo sron, hu ni gbron Ruhu, nda zren zu ni Macedonia mba Achaia ni nkon ma wu hi ni Urushelima; a tre nde, “Mita ka ri niki, mi hi to Rome ngame.”
Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an’ i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an’ i Roma koa.
22 Bulus a ton hi ni Macedonia, ha nimi biwa ba ti ndu niwu, Timoti mba Erastus. E wawu kima a son zu wu ton fii ni Asia.
Ary ny roa lahy tamin’ izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
23 Mla tsra ni ton kima, iya wa ana fiime na a lu ni Ephesus nitu nko'a.
Ary tamin’ izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin’ izany fampianarana izany.
24 Ndji wu la azurfa ri ni nde Demetius, wa ata la gunki u Artemis ni azurfa, nda ta nji ndu nklen gbugbu ye ni bi laaba.
Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin’ ny tempolin’ i Diana tamin’ ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy;
25 Niki a yo bi ndu kima zi nda tre ndi, “Indji mbu, bito ndi ninkon du mbuyi, nklen ni ri bran.
ireny mbamin’ ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin’ izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
26 Bi to ndi ni wo ndi, ana ni Ephesus megen na, hu mla ngban gbungblu Asia wawu, Bulus yi, a kma sron ndji gbugbu sran. Ani bla ndi mri irji wa iwo ndji ba laa ba na Irji na.
Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an’ i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
27 Ana nitu andi kikle iya wa a ni du ndu mbu kle na, iko kikle irji wu artemis me ni rjoku ni nzohonma ngame. Niki, gbengblen Artemis ani grji, wawu wa Asia mba gbungblu meme wawu ba kukru ni nzuhon.”
Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin’ i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan’ i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
28 Niwa ba wo toki, ndu a shu sron mba, eba kpa gro ndani tre ndi, “Kikle Artemis wu Ephesus.”
Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan’ ny Efesiana!
29 Kikle gbu'a wawu a tsi shishi, e ndji ba wawu ba vra tsu ni sron ri hi ni ko wu son mba (theatre). Bana vu kpukpan bi zren Bulus ye, Gaius mba Aristarchus, wa ba ye rhini Macedonia.
Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an’ i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin’ i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
30 Bulus a ta son ri nimi kpaa ndji ba, e mri ko ba ba zuu.
Ary raha te-hiditra ho any amin’ ny olona Paoly, dia tsy navelan’ ny mpianatra.
31 Ngame, bari wa bana bi ninkon du ni ngrji Asia, wa bana kpanma, ba tondu hi wu ni bre ni duna ri ni tra son (theatre) na.
Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana.
32 Ndji bari ba sia ti gro kperi, e bari ikpe nkan, nitu tsi shishi a vu kpaa ndji ba. Gbugbu mba bana to ka a hi ngye si zren nda duba ye zontu ki na.
Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton’ ny niangonany teo.
33 Bari ni kpaa mba ba nron Alexanda, wa Yahudawa ba ba tru yo ni shishi, niki Alexanda a ti ba niwo, nitu a ta son yo tre wu ya ni soon mba.
Ary nisy nisarika an’ i Aleksandro avy teo amin’ ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin’ ny olona.
34 Niwa ba mla to ndi a hi ndji Yahudawa, ba lu yra gro wu ton mla bla ha ni lan riri, ndani hla ndi, “KikleArtemis wu Ephesus.”
Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan’ ny Efesiana!
35 Niwa ndji wu nha (town clerk) wu gbu'a a du kpaa ndji ba kma ti gbangbi, a tre ndji, “Biyi ndji bi Ephesus, ahi ndji nha wa ana to ndi kikle gbu wu Ephesus yi hi bubu ko wu son wu kikle Artemis, mba iwhiwa grji ku rji ni shulu na?
Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ ny Efesiana no mpitahiry an’ i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’ i Jopitera?
36 Bita to ndi kpi biyi bana wu kpa tron na, bika ti wiime ni na kpati vravra mena.
Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
37 Nitu bi nji ndji biyi ye ni shishi ko gaa tre, ana ndji ba bi y'bi iko bre mbi ka bi kpa nde mri Irji mbi ti meme na.
Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
38 Nitu ki, Dimetrius baba bi ndu la wa ba he niwu'a ba he ni tre wu lo nitu ndrjo, tra wu gaa tre a he ni who mba bi wa bawoba nda gaatre'a. Du ba tsra kpa mba.
Koa raha manan-teny hifamaliana amin’ olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
39 Bita ni wato kpe nkan, kima ki vu ya ni son yi ni mla ti.
Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin’ izay fivoriana voatendrin’ ny lalàna.
40 A hi njanji ki he ni ya wu lo bata vuta nitu kma gbu srantu wu vi luwa. Kina he ni kpe wu kaatu nitu kpa gbu tsi wu luwa na, e kina to nkon wu chutu rju na.”
Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.
41 Niwa a kle tre toyi, a kaa son a nda du ndji ba shan hi.
Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.