< Ndu Manzaniba 15 >
1 Indji bari ba grji rji ni Judiya ye ni Antioch nda ye bla tsro ni mri vayi ba ndi, “Bi tina duba han mbru ni yiwu hu njo tre Musa na, bina kpa chuchuwo na.
Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon’ i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
2 Kpeyi a vu tu Bulus mba Barnaba zon ti nkan nda duba kri senyu ni ba. Niki, Bulus mba Barnaba, baba bari ni mi mba, ba chuba ndi duba hon hi ni Urushelima nda yi son ni ba manzani baba bi ninkon ba nitu duba tu tre'a.
Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin’ ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran’ izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.
3 Nitu ki, niwa ekklisiya a ton ba'a, ba zren zu ni Phoenicia mba Samaria, nda si bwu bla sran sron wa bi kora'a ba kpa'a. Ba nji ngyiri kpukpome ye ni mri vayi ba.
Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an’ i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan’ ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
4 Niwa ba ye rini Urushelima, ekklisiya mba manzaniba baba bi ninkon ba ba kpaba ni wo ha, i baka vu kpi wa Irji a ti bawu'a bla ni bawu.
Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin’ ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy.
5 Ama ndji bari, ni mi biwa ba kpanyeme'a, wa bahe ni mi grji bi Pharisee, ba lu kri nda tre ndi, “Ani kpe wuti ni duba vu ba han mbru nda yo tre gbangban ni bawu duba hu tre doka Musa.”
Fa ny mino sasany, izay isan’ ny antokon’ ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn’ i Mosesy.
6 Niki manzaniba baba bi ninkon ba ba zontu ki nitu duba mla kpeyi yato.
Ary dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany.
7 Hu gon sen nyu ni kpamba, Bitrus a lu kri nda tre niba ndi, mri vayi, bito ndi, ni nton ndindi wa aka hi ye'a, Irji a chu ni mi mbi, nitu ni nyu mu, Bi kora ba duba wo lantre wu tre ndindi'a, nda kpanyeme.
Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin’ ny vavako no handrenesan’ ny jentilisa ny tenin’ ny filazantsara ka hinoany.
8 Irji, wa ato dri'a a mla bla ni bawu niwa a nuba Ruhu Tsatsra, toh waa ati nitawu;
Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin’ ny nanomezany azy ny Fanahy Masìna tahaka antsika koa;
9 ndana chuta ti nkan ni ba na, niwa a vu sron mba se ni toh kri gbangban.
fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ ny finoana ny fony.
10 Zizan nitu ki, ahi ngye duyi ni tsra Irji, niwa bi klo ilo wu ya nitu nkanto wu bi hu'a wa ba timbu, ni kita kina mla to ba nji na'a?
Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’ Andriamanitra amin’ ny fametrahanareo zioga amin’ ny vozon’ ny mpianatra, izay tsy zakan’ ny razantsika na isika ho entina?
11 Ama ki kpanyeme ndi ki kpachuwo nitu ya ndindi wu Bachi Yesu, na baba me.”
Fa mino isika fa ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
12 Kpaandji ba wawu ba ki ni gbangbi niwa ba si sren ton ni ndu wu bwu ya mba wu kanyu yo ni w'ho wa Barnaba mba Bulus ba vu si bla nitu wa Irji a ti ndu ni mi Bi kora'a, zuni wo mba.
Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an’ i Barnabasy sy Paoly, izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa.
13 Hu gon wa ba tre kle'a, Yakubu a saa nda ni tre ndi, “Mri vayi, yo ton ndi wome.
Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy:
14 Siman a hla yiwu niwa Irji ni ya ndindi ma ni mumla azo bi kora'a nitu du ban rhi ni ba, ndji wu ndema.
Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’ Andriamanitra ny jentilisa tamin’ ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
15 Lantre ba anabawa a kpanyme ni kii, na wa ba nha'a.
Ary mifanaraka amin’ izany ny tenin’ ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
16 Hu gon kpi biyi, mi k'ma ye, mba miye mme ngari, ko wu zontu ni Irji wu Dauda, wa a zilhe ye; Mi nzu sazi, ni du wron meme ma du k'ma ye to ana he,
Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain’ i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray;
17 ni du mbru ndji wa ba don'a, duba wato Bachi, baba wawu bi kora wa ba yo ba ni ndemu.'
Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
18 Ikpe yi yi Bachi a tre ndi, A nhati kpi biyi wa bato rhi ni sen'a? / Nk'ma vunvu wu Greek bi sen wa ba he ni tu tre wandi a nkan / Ikpe yiyi wa Bachi a tre, ni tuma yi, ba toh wawu kpi wa ba ti nisen. (aiōn )
Izay manao izany zavatra fantatra hatramin’ ny voalohany indrindra izany. (aiōn )
19 Nitu kima, mi ban zi ndi kina ti ba ya na, baba bi kora wa ba k'ma ye ni Irji.
Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ ny jentilisa izay miverina ho amin’ Andriamanitra;
20 Ama ki nhahi ni bawu ndi a tre wa s tsra, duba chukpa mba ti nkan ni kpa ti meme gunki, wrhuni hu mba mba ni nn'ma wa ba wuu ba ndwuto, mba rhini iyi.
fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin’ ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny rà.
21 Nitu Musa, ba d'buhla ni gbu nkankan, rhini k'ba bi sen, a ye ni zizan wa basi bla nimi Synagogue chachu ni vi Sabbath.”
Fa hatramin’ ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin’ ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
22 Niki a bi ya ni manzaniba baba bi ninkon ba, mba ekklisiya wawu, duba chu Juda wa ba yo ndi Barsabbas, mba Sila, wa bana bi ninkon wu bi vayi ba, nda ton ba hi ni Antioch baba Bulus mba BArnaba.
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin’ ny namany mba hirahina hiaraka amin’ i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin’ ny rahalahy;
23 Nha zuni wo mba, “Rhini manzani baba bi ninkon ba, mri vayi mbi, hini mri vayi bi kora nimi Antioch, Syria mba Cilicia ki chi yi!
ary nanoratra taratasy izy ho entin’ ireo, dia izao: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona miarahaba ny rahalahy avy amin’ ny jentilisa izay any Antiokia sy Syria ary Kilikia.
24 Nitu ki wo ndi ndji bari ba rhunita hama ni kpanyime mbu, nda ka si chonyi ni lan tre wa a kpa sron mbi ti meme'a.
Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy,
25 A bi ya nitawu, wa ki k'ma sron mbu yo ni bubu riri, ndi chu ndji biyi wa ki tonba ye ni yi baba mri vayi bi mlason mbu, Barnaba mba Bulus,
dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra, ny hifidy olona hirahina hankatỳ aminareo hiaraka amin’ i Barnabasy sy Paoly malalanay,
26 ndji biwa ba ban tu yo ni nkon qu nitu nde wu Bachi Yesu Kristi.
lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
27 Nitu ki, ki ton Juda mba Sila, Wa ba vu bla ni yiwu, kpi biyi ngame ni lantre mba.
Dia nirahinay Joda sy Silasy, sady hilaza vava izany teny izany koa izy.
28 Nitu a ya bi ni Ruhu Tsatsra mba ni tawu, du kina la ban ndu ya sa nha nitu mbi zan wa a he toki ye:
Fa sitraky ny Fanahy Masìna sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
29 ndi du yi chuwo rjuni kpi wa ba ton ni brji, ni iyi, kpi wa ba wuu ni ndwu to, mba rhini latre wamba ko lilon. Bita chu kpambi wru ni kpi biyi, zren ni bi yiwu. gbuchu.
dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
30 Niki, niwa ba kle nda yo ba ninkon, ba zren grji hi ni Antioch, hu gon wa ba vu gbu ndji ba zontu zi bubu riri, ba ka vunvu wa ba nha bawu nuba.
Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
31 Niwa ba bwu bla, ba ta kpe nitu nron tre wa ba kpa'a.
Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
32 Juda mba Sila, wa bana anabawa ngame, nronba mri vayi ba ni lan tre gbugbuwu nda zoba kri gbangban.
Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin’ ny teny maro izy ka nampahery azy.
33 Hu gon wa ba fon ki niki, ba tru ba hi ni si sran rhini mri vayi ba hi ni biwa bana ton ba'a.
Ary rehefa nitoetra elaela teo izy ireo, dia nampandehanin’ ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin’ izay naniraka azy.
34 Vunvu wu bi zan, bi son bana he ni nklan 34 na (Ya Ndu Man.15:40). Ama a toh bi du Sila du k'ma son niki.
35 Ama Bulus mba Barnaba ba kii ni Antioch ndani tsro nda ni bla (baba gbugbu bari) lan tre wu Bachi.
Ary Paoly sy Barnabasy kosa nitoetra tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin’ ny Tompo izy roa lahy mbamin’ ny maro koa.
36 Hu gon vi bari, Bulus a hla ni Barnaba, “Ki k'ma hi zizan ni ki hi tsri ni mri vayi bi gbu wa kina ka d'bu hla lantre Bachi, niki toh ka ba heni ha.”
Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin’ i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin’ ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.
37 Barnaba a son ban Yohana wa ba yondi Markus, nji nha.
Ary tian’ i Barnabasy ny hitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
38 Ama Bulus a rhimren ndi ana bi du ba ban Markus na, waa ana kaa ba don ni Pamphylia nda na la huba ni ndu'a na.
Nefa nataon’ i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin’ ny raharaha.
39 Niki, kikle sen nyu a gaaba nda du ba hu nkon nkankan ni kpamba, i Barnaba a ban Markus hu ni kpama, nda dran rju hi ni Cyprus.
Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an’ i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy.
40 Ama Bulus a chu Sila nda rju kunkon hi, hu wa mri vayi ba ba vu ba sru ni nji ndindi wu Bachi.
Fa Paoly kosa nifidy an’ i Silasy, dia niainga, rehefa natolotry ny rahalahy ho amin’ ny fahasoavan’ ny Tompo izy.
41 Mle a zren zu ni Syria mba Cilicia ndani gbre kri gbangban ni ekklisiya ba.
Dia nandeha namaky an’ i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.