< Ndu Manzaniba 14 >

1 Aye he toki ni Iconium, wa Bulus mba Barnaba ba ri hi nimi Synagogue wu bi Yahudawa ba, nda ka tre hu ninkon wa kpaandi, ba Yahudawa baba Greeks ba kpanyeme.
Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa.
2 Ama Yahudawa wa ba kamba ni zren huba'a, ba chon dri bi kora ba nda duba ti nfu ni mri vayi mba.
Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nampitaitra ny jentilisa ka nanome fo azy hanohitra hanohitra ny rahalahy.
3 Nitu ki, ba ki niki gbron nton, ndani bla gbangban me ni gbengblen Bachi, ndani tsro ba du ba toh tre wa a ton ba wu ya ndindi. A ti toki niwa a tsro kpanyeme wa ndji ba toh ni kikle kpi waasi ti ni shishi mba, zu ni wo bulus mba Barnaba.
Ary nitoetra ela teo izy, dia nitory tamin’ ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nanome vavolombelona hahamarina ny tenin’ ny fahasoavany
4 Ama ndji bi gbu'a ba gaanyu, bari ba kri ni ngbala Yahudawa, i bari ni manzani ba.
Fa ny vahoaka tao an-tanàna nisara-tsaina, ny sasany nomba ny Jiosy, fa ny sasany kosa nomba ny Apostoly.
5 Wawu mba, bi kora mba Yahudawa (baba bi ninkon mba) ba wa nkon wu vu ba yo ya nda ta ba Bulus mba Barnaba ni tita,
Ary raha niray tetika hanisy ratsy sy hitora-bato azy ny jentilisa sy ny Jiosy mbamin’ ny loholony,
6 ama niwa ba ble wo toki, ba tsutsu hi ni igbu bi Lycaonia, wu Lystra mba Derbe baba kaagon gran bi koki,
ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin’ ny tany manodidina, izy,
7 niki ba si zren ni d'bu tre ndindi'a.
dia nitory ny filazantsara tany.
8 Ni Lystra, iguri a son, hamma ni gbengblen ni zama, chon kple rhi ni nne yimma, wa ana zren to ni son ma na.
Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
9 Iguyi a wo bulus si tre. Bulus a yo shishi ma niwu nda toh ndi a he ni sron kpanyeme nitu kpa sii kpama.
izy nahare an’ i Paoly nitori-teny; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io,
10 Niki a tre niwu ni kikle lan ndi, “Lu kri ni za me.” Mleigu'a a lu za kri nda zren kaagon.
dia niteny tamin’ ny feo mahery hoe: Mijoroa amin’ ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana.
11 Niwa kpaandi ba bato kpewa Bulus a ti'a, ba nzu lan ba ndani tre ni el'pa Lycaonia, “Ba rji ba ba k'ma rhu too ndji nda grji ye nita.”
Ary nony hitan’ ny vahoaka betsaka izay zavatra nataon’ i Paoly, dia nanandratra ny feony ka nanao tamin’ ny fitenin’ i Lykaonia hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endrik’ olona!
12 Ba yo Barnaba ndi “Zeus,” mba Bulus, “Hermes,” nitu wawuyi ana ninkon wu lantre'a.
Ary ny anaran’ i Barnabasy nataony hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpitarika ny teny nalahatra.
13 Priest wu irji zeus, wa koobre ma ahe ni kogon kikle gbu'a, anji kikle lando wa ba yra ni loh bre ye ni kikle nkontra gbu'a, wawu mba gbugbu ndji ba, nitu duba ye gon nton nibawu.
Ary ny mpisoron’ ilay Jopitera teo anoloan’ ny tanàna, mbamin’ ny vahoaka, dia nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana ho ao am-bavahady ka nikasa hanao fanatitra.
14 Niwa manzani ba, Bulus mba Barnaba ba wo toki, ba y'ba nklon mba nda tsutsu hi nda ka kuuyi ni mi ndji ba
Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan’ ny olona sady niantso nanao hoe:
15 nda ni hla ndi, “Indji-lon, nitu ngye bi ti kpi biyi? Kita ngame ki ndji, ni kpa too wumbi. Kisi bla tre ndindi ni yiwu nitu duyi k'ma gon don meme kpi ndi ye ni Irji wu sissren, wa a ti shulu, ni memee ni kpaama teku, mba wawu kpi wa bahe ni mi mba.
Raondriana, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin’ izao zava-poana izao hanatona an’ Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny,
16 NI k'ba wa baka hiye, a du gbungblu du ba zren ni nkon kankan wu mba.
Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin’ ny lalana tiany haleha tamin’ ny andro lasa.
17 Ni kima me, ana hamma ni don wa ba bla kpewa ba to nituma na, niwa a ti kpiwu bi nda nuba mma-lu rhini shulu mba ntonlu wa niye nuyi klo biri bran; shuuni sron mba ni biri mba ngyiri kpukpome.
Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ ny hanina sy ny fifaliana.
18 Ni lantre bihi me, Bulus mba Barnaba ba mla zu ndji ba megen bubu gon nton ni bawu.
Nefa na dia nilaza izany aza izy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
19 Ama Yahudawa bari wa ba rhini Antioch mba Iconium, ba ye kma tu ndji ba sran ni gyru bre. Ba taa Bulus ni tita nda ngbiwu rju hi ni kogon gbu'a, nda ban ni mren mba ndi a qu ye.
Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’ i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
20 Ni kime, niwa mriko ba ka kri kaagon nitu ma, alu kri nda zren ri ni mi gbu'a. Ni vi wa a hu kima, a hi ni Derbe wawu'u mba Barnaba.
Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
21 Hu gon wa baka d'bu bla tre ndindi nitu ma, ni mi gbu'a nda mriko gbugbu, ba k'ma ye ni Lystra, ni Iconium mba ni Antioch.
Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin’ izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy,
22 Ba si nron mriko ba duba kri ni sron gbangban nda yo ni bawu du ba na k'ma ya gon ni kpa nyme mba ndani tre ndi, “Abi toki duta ri ni ko Irji hu ni nkon iya
nampahery ny fanahin’ ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
23 Niwa ba yo bi ninkon nitu mba, ni ekklisiya ba, nda bre Irji hamma ni rhikpe, ba kaba yo ni wo Bachi wa nituma yi ba kpa nyeme.
Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ ny Tompo Izay efa ninoany.
24 Mle ba zrenzu ni Pisidia nda ye ri ni Pamphylia.
Ary rehefa nandeha namaky an’ i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia.
25 Niwa ba kle bla lantre'a ni Perga, ba grji hi ni Attalia.
Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia.
26 Rhi niki ba zren zu nitu mma ka rini Antioch, ni bubu wa bana nzuba yo ni toh ti Irji wu ndu wa baka kle'u zizan.
Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ho amin’ ny asa izay novitainy.
27 Niwa ba ye ri nimi Antioch, ba yo ekklisiya zi ni bubu riri, nda vubla bawu wawu kpiwa Irji a ka ti niba, mba nitu wa a bwunko wu kpa gbangban ni biwa babi kora'a.
Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ ny jentilisa.
28 Ba kii wu gbron nton ni ba mriko ba,
Dia nitoetra elaela ihany tamin’ ny mpianatra izy.

< Ndu Manzaniba 14 >