< Ndu Manzaniba 13 >

1 Zizan ni Ekklisiya wu Antioch, Anabawa baba bi tsro bari bana he. Bana ba BArnabas, Siman (wa ba yondi Niger), Lucius wu Cyrene, Manaen (vayi Herod wu retrarch wa bana kpa'u nji toh wu ngrji hi mba), mba Shawulu.
Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
2 Niwa basia bre ni kaa rhi kpe nda ni nzu Bachi hon, Ruhu Tsatsra a tre ndi, “Chuu ba Barnabas mba Shawulu zi tinkan nimu, ni duba ti ndu wa mi yoba duba ti.”
Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masìna: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3 Hu bre ni kaarhibiri, mba yo woh ni tumba, ba tru ba yo ni duba hi.
Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.
4 Kima, Barnaba mba Shawulu, niwa Ruhu Tsatsra a ton ba rjuhi'a, ba grji hi Seleucia; rhiniki ba wu jrigi mma hini Cyprus.
Ary rehefa nirahin’ ny Fanahy Masìna izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.
5 Niwa ba he ni gbu Salamis, ba d'bu bla lantre Irji nimi ko Synagogues wu Yahudawa. Yohana ngame a he niba toh wu zoba.
Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin’ Andriamanitra teny amin’ ny synagogan’ ny Jiosy; ary nitondra an’ i Jaona koa ho mpanampy azy izy.
6 Niwa ba zren kaagon nclan meme gbungblu kima hi ni Paphos, ba ka tsra ni ndji wu katibrji ri ndi Yahudi wa ana anabi wu che, wa ndema ana Bar Yesu.
Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,
7 Ndji wu katibrji ana ta zren zontu ni kikle ndji wu gaatre, Sergius Paulus, wa aheni mre toh kpe kpukpome. Igu yi a yoye ni kpama, ba Barnabas mba Shawulu, nitu a nison wo lantre Irji.
izay nitoetra tao amin’ i Serygio Paolo, governoran’ ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an’ i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin’ Andriamanitra.
8 Ama Elymas “Wu katibrji” (toki ba k'ma ndema sran) a lu kri sen nyu wu ka kpanyme niba; a ta son k'ma kikle Iguwu gaatre rju ni nkon kpanyme'a.
Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
9 Niki Shawulu, wandi bata yondi Bulus ngame, shuni Ruhu Tsatsra, a yo shishi yau gbahme
Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masìna, dia nibanjina azy
10 nda tre ndi, Iwu vren brji, wu shuni kpi kankan wu gyru mba meme dri. Wu kame ni ko ngye wa a he ni nkon tsatsra'a. Wuna don me ni k'ma sran nkon triime wu Bachi, ka ana naki na?
ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin’ ny Tompo va ialahy?
11 Zizan ya, Iwoh Bachi a he ni tume, wu k'mati ndji wu mfyen. Wuna toh kpanrhi wu nton bari na.” Hihari niki, ikpe too iwru mba bwu a ku nitu Elymas; wa dusi zren ni kaagon siwa nji duba vu ni wo tsro nkon.
Ary, indro, ankehitriny ny tanan’ ny Tompo hamely an’ ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’ izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
12 Huwa kikle wu gaatre a toh kpewa a zren'a, a kpanyme, nitu tre wu Bachi wa a wo'a, a nuu rhimre ni sissri.
Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin’ ny fampianaran’ ny Tompo.
13 Zizan Bulus baba kpukpan ma ba ba wru zren hu ni nokn maa rjini Paphos nda ka rini Perga wu Pamphylia. Ama Yohana a kaba don nda k'ma hi ni Urushelima.
Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
14 Bulus baba kpukpan ma ba zren rhi ni Perga nda ka rini Antioch wu Pisidia. Niki bahi ka rini Synagogue chachu Sati nda ka kuson.
Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata ka nipetraka teo.
15 Hu, vu bla nha wu doka mba wu ba anabawa ba, bi ninkon wu Synagogue ba ton ba ni tre ndi, “Mri vayi, bita he ni tre wu nron ni ndji biyi, bika hla.”
Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ ny olona, dia ataovy.
16 Niki Bulus a lu kri nda nzuwo tibawu nda tre ndi, “Ndji bi Israila baba biyi wa bi klu Irji, woo yi.
Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an’ Andriamanitra, mihainoa;
17 Irji wu ndji bi Israila yi a chu ba bachimbu nda du ndji ba bran ti gbu, niwa bana ki meme Egypt, mba ni woma waa nzu hon, a nji ba rju nikima.
Andriamanitr’ izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin’ ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
18 Ni nton mla ise tso-tra-don-nza a tiya nji ba nimi gbungblu tsutsu miji. / Vunvu nha bi sen bari ba yo ndi / Wu ise mla tso-tra-don-nza asi mlabaya nji ni gbungblu tsutsu miji. /
Ary Izy nandefitra tamin’ ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona.
19 Hu gon wa a yra gbungblu ndji tangban wa bana he ni meme Canaan'a, a ban meme mba nu ndji mbu ni du k'ma ti umba.
Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin’ ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin’ ireny izy
20 Ikpe biyi ba rhuhe toki zan se 450 wa baka hi ye. Hu gon kpi biyi, Irji a nuba bi gaatre ka tsra ni nton anabi Samuel.
tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin’ i Samoela mpaminany.
21 Mle ndji ba ba mye ndi du nuba chu, u Irji a nuba Shawulu vren Kish, ndji wu grijhi Benjamin, ni du hon ti chu nitumba wu se tso-tra-don-nza.
Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen’ Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak’ i Kisy, lehilahy avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina.
22 Hu kima, Irji a churhu ni tuchu'a, nda nzu Dauda hon ni du k'ma he chumba. Ana Dauda yi wa Irji a hla tre ni tuma ndi, “Ngye mi ye toh Dauda vren Jesse a hi ndji wa ani hu sron mu, wa ani ti wawu kpiwa Mison ni du ti.
Ary rehefa nanaisotra an’ i Saoly Izy, dia nanandratra an’ i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an’ i Davida, zanak’ i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.
23 Rhini h'pu iguhi Irji njiye ni Israila ndji wu kpachuwo, Yesu wa ana shirji ni tu a ni ti toki.
Avy tamin’ ny taranak’ izany lehilahy izany no nitondran’ Andriamanitra an’ i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,
24 Niwa Yesu a rhihe ye, Yohana a d'bu batisma wu k'ma sron sran ni ndji bi Israila wawu.
rehefa notorin’ i Jaona tamin’ ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan’ ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.
25 Niwa a ta kle ndu ma, a tre ndi 'Bi rhimre ndi me mi nha?' Me, Mina wawuyi na. Ama srenton, iri ni ye hu gon mu, lagban za ma me mina mlakri wa mi siwuna.
Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
26 Mri vayi, mri wu iyi Ibrahim, baba biwa ba he nimi mbi wa ba klu Irji, ahi ni tawuyi mba ba ton tre wu kpachuwu yi ye.
Ry rahalahy, taranak’ i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’ Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’ izao famonjena izao.
27 Ni ndji biwa ba ki ni Urushelima, baba bi tuchu mba, bana mla too na nda du lantre ba anabawa wa ba ta bla chachu ni vi wu Sati'a, a hon tumba niwa ba kaamba niwu.
Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin’ ny nanamelohany Azy.
28 Niwa ba wa ndana toh kpe wu lowu wu qu na, ba yo Pilate ndi du wuu.
Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin’ i Pilato ihany izy hamonoana Ary.
29 Niwa ba kle wawu kpi wa bana nha nituma'a, ba banwu grji rhini kunkron'a nda kawu yo kru nimi ibe.
Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’ i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.
30 Ama Irji a nzuulu rjini qu.
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ ny maty.
31 Wu vi gbugbuwu ndji waba hu rji ni Galili ye Urushelima basi too. Ahi ndji biyi yi basi bla kpi wa bato nituma ni ndji ba.
Ary Izy niseho andro maro tamin’ izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin’ ny olona ankehitriny.
32 Niki ki hla yiwu tre ndindi, shirji wa a ye niba bachimbu
Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ ny razana,
33 a du ba ye he toki nitawu, mri mba, nitu wa a nzu Yesu lu. Na wa ba nha ni Zabura wu ha: “Wu hi wu vren mu, luwa mi k'ma ti time, /
dia ny nahatanterahan’ Andriamanitra izany tamin’ ny zanatsika, raha nanangana an’ i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin’ ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany.
34 Nituwa a nzuu lu rji ni qu nitu du na la ka k'ma ye na, Irji a tre toyi: / Mie nu tsatsra mbalulu wa mi shirji ni Dauda.
Ary ny amin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
35 Nitu ki ala tre ni Zabura ri ngari ndi “Wuna du tsatsra me du toh gla na.'
Fa hoy Izy ao amin’ ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao.
36 Niwa Dauda a kle ndu wa Irji a son niwu'a ni k'ba bi ngrjima, a ku kruna, e ba karhuu baba ba bachima, e k'ma ma a toh gla.
Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ ny razany izy ary tratry ny lò;
37 Ama wawu wa Irji a nzu lu'a ana toh gla na.
fa Izay natsangan’ Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
38 Niki bika toh, mri vayi, ndi, zu ni wo guyi, ba d'bu nihiwu, kpawruhle lahtre.
Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
39 Zuni wu, ko nha wa a kpanyme ani kpa yandindi nitu wawu kpi wa doka Musa ana toh ya ndindi niwu na.
ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ ny lalàn’ i Mosesy.
40 Nikima, mla zren nitu kpi wa anabawa ba tre nituma duna hon nitu mbi na:
Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ ny mpaminany hoe:
41 Mla ya, biyi bi kpa wruhle, ni ya ni nyu ni w'ho, mle ni qu kado; Toh, mi nji ndu niye nimi vi mbi biyi, Ndu wa bina kpanyme niwu na, ko ndrjo ri nita d'bu bla yiwu.'”
Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin’ ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza
42 Niwa Bulus mba BArnaba ba lusi hi, ndji ba ba breba ni duba la tre lan tre ba ngari ni chachu Sati wu hu kima.
Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ ny Sabata manaraka.
43 Niwa ku son mba wu Synagogue a ye kle'a, yahudawa gbugbumba baba biwa ba kpanyme nda k'ma ni hu Irji mba ba hu Bulus mba Barnaba, e ba tre niba nda nron ba ndi duba kri gbangban ni nkon ndindi wu Irji.
Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an’ Andriamanitra no nanaraka an’ i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.
44 Nivi Sati wa aka hu kima, igbua wawu ba ye zontu ki nitu duba wo lantre wu Bachi.
Ary nony tamin’ ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin’ Andriamanitra.
45 Niwa Yahudawa ba ba toh kpaandi ba, ngu a shu ni sron mba, nda duba tre meme nitu kpi wa Bulus a tre'a, nda si mren'u.
Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’ i Paoly, sady niteny ratsy.
46 Ama Bulus mba Barnaba ba tre rju ni gbengble sron ndi “Abi wa du yi guchi wo bla lantre Irji. Ni toyi bi tru hle rjuni kpa mbi, ni ban kpambi ti wa bina mla wu kpa vri wa ana kle na, tooyi, ki k'ma hi nibi wa ba bi kora. (aiōnios g166)
Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay; (aiōnios g166)
47 Toki Bachi a mmhata gbangban ni tre ndi, 'Mi yoyi nji kpachuwo hi ni gbungblu nkankan wu meme wawuu.'”
fa izao no nandidian’ ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan’ ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin’ ny faran’ ny tany Hianao.
48 Niwa bi kora'a ba wo tre yi, ba ngyiri nda nzu hon lantre wu Bachi. Wawu biwa a yoba yo ni duba kpa ivri wa ana kle na, ba kpanyme niwu. (aiōnios g166)
Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’ Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay dia nino. (aiōnios g166)
49 Lantre Bachi a zren hi ni ngbran kima wawu.
Ary ny tenin’ ny Tompo dia naely eran’ izany tany rehetra izany.
50 Ama Yahudawa ba ba chon mmba bi ninkon ndani kri gbangban ni hu'a, baba lilon bi tsro nkon wu hu ni gbu'a. Ba chon iya yo nitu Bulus mba BArnaba nda duba zuba vrarju ni ngbran kima.
Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin’ i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ ny taniny.
51 Ama Bulus mba Barnaba ba kpon meme zamba rju du hon tumba. Mle ba hi ni gbu Iconium.
Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin’ ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
52 E mri ko bi hu ba ba shuni ngyiri mba ni Ruhu Tsatsra.
Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masìna ny mpianatra.

< Ndu Manzaniba 13 >