< Ndu Manzaniba 10 >

1 Nikima, ndji ri a he nimi gbu Kaisairiya, wa nde ma hi Koneliyus, ana ninkon soja derhi ri, wa ba ta yo ndi Regiment wu Italiya.
Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin’ ny antokon’ ny miaramila atao hoe Italiana;
2 Ana ndji wa towu, wa ata klu sissri Irji baba bi ko ma wawu, nda ta nu ndji biya zaka ma, nda ni bre Iri chachu.
ary mpivavaka tsara sady natahotra an’ Andriamanitra izy mbamin’ ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin’ ny olona sady nivavaka tamin’ Andriamanitra mandrakariva.
3 Mla ni nton wu tya wu irhi, a mla to ni ra Maleka Irji si'a grji si ye niwu. Maleka a hla niwu ndi, “Cornelius!”
Ary izy nahita miharihary tamin’ ny fahitana, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin’ Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio.
4 Cornelius a nzu ya Maleka u sissri a vu wa a lu tre ndi, “Wayi hi ngye, ninkon mu?” Maleka a hlawu ndi, “Bre me mba zaka me ba hon hi ni ton mren ndindi ni shishi Irji.
Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’ Andriamanitra.
5 Zizan ton ndji me bari hi ni gbu Joppa du ba hi yo ndji wa ba yo ndema ndi Bitrus, du wuba ye niwa.
Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera;
6 Ani son ni ndji wu tindu ntan wa ba yo ndi Siman, wa ikoma he ni nyu kpama teku'a
mitoetra ao amin’ i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
7 Niwa Maleka wa tre niwu a hi kpama, Cornelius a yo mri ko ma harhi mba soja ri wa ani toh wo tre ma'a.
Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin’ i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin’ ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan’ izay nanaraka azy isan’ andro.
8 Cornelius a hla bawu wawu kpewa a si zren niwu'a nda ton ba hi ni Joppa.
Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
9 Zizan ni nton wu tanne wa ahuri kima, ba sia zren ni ti weiwiere ni mi gbu, Bitrus a hon hi kasi bre ni ko tu nka.
Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin’ ny tanàna, dia niakatra teo ambonin’ ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina.
10 E iyon a vu wa aluta wa ikpe wu rhi, ama niwa ndji ba basia sron biri, a si toh tsro too ra,
Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy
11 wa atoh shulu bwu, nda toh nklan kpe si grji, ikpe a rju ngma ibla wa asi grji ni ye ni meme, wa ba vuu nji ni ton nza ma nda siwu si grji.
ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midìna toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra ho amin’ ny tany;
12 Ni mi ma innma kanka wu mriza nza baba biwa ba nnha ni meme, baba chinche bi bwa ni shulu.
ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina.
13 E lan ri a tre niwu ndi, “Lukri Bitrus, wuu ni tan.”
Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano.
14 Bitrus a tre ndi “Ana to ki na, Bachi; Rjhimu, mina tan kpe wa a he ni rjhina nda na kpanya ni shishi Irji na.
Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho.
Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
16 Ama ilan ala kma tre niwu nkpuwu ha ngari ndi “Kpe wa Irji ngla ti sa'a, na yo ndi a he ni Irji na.”
Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’ izay ilay zavatra.
17 Niwa kpeyi ari si kpa Bitrus tsi shishi nitu ko ka a hi ngye tu kpe wa a toh nimi ra ma, niki, har hi, ndji wa Cornelius a ton ba'a ba ye ki ni nyu kikle nkontra nitu bana mye u ba tsro ba nkon wa ba hu zu ye ni ko'a.
Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin’ izay anton’ ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin’ i Kornelio nanontany ny tranon’ i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
18 Ba d'bu yo nda mye ka Siman, wa ba yo ndi Bitrus ngame, ni son niki.
dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia.
19 Niwa Bitrus a rhisi rhimren nitu ra wa ato'a, Ruhu a hlawu ndi, “Toomba, ndji tra asi waw/chiche nha nvunvu bi sen bari ba nha andi/ndji haarhi basi waw.
Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
20 Lu grji huba hi, na ti ngri ni huba na, nitu a hi me mi tonba.”
fa mitsangàna ianao, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
21 Nikima, Bitrus a grji hi ni ndji ba nda tre ndi, “A hi meyi wa bisi wa'a. A ngye njiyi ye?”
Ary Petera nidina tany amin’ ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton’ ny ahatongavanareo atỳ?
22 Ba tre ndi, kikle soja wu ya ndji derhi ri wa ba yo ndema ndi Cornelius, ndji wu tsatsra zren, nda ni ti sissri Irji, wa ndji Yahudawa ni gbungblu wawu ba tre ndindi nitu ma, Maleka Irji a nji tre rhi ni Irji niwu ndi du ton ba hi yoo hi ni koma, nitu du wo tre wa a toon niwu.
Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’ Andriamanitra ka tsara laza amin’ ny firenen’ ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan’ anjely masìna hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
23 Niki Bitrus a yoba ri ye niwu. Niwa ble nhran, a lu huba, baba mri vayi bari wa ba ka ngo ni bawu hi ni Joppa.
Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
24 Nivi wa a hukima, ba ye ri ni Caesarea. Cornelius a sia gbanba, ana yo mlama baba kpukpan bi weiweire du ba ye zon tu ki.
Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
25 A he niwa Bitrus a ri'a, Cornelius a rju ye too nda kri kukru ni gbarhu ma ni meme nda ni nzuhon.
Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin’ ny tongony sady nitsaoka azy.
26 Ama Bitrus a tiwo nzu lu nda tre ndi, “Lunde kri! Mi ndji too wu.”
Fa Petera nampitsangana azy ka nanao hoe: Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.
27 Niwa Bitrus si tre niwu, a ri hi ka to ndji gbugbuwu ba zontu ki si gben.
Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
28 A tre niba ndi, “Biyi me bita ndi ana he nitu nkon du ndji wu Yahudawa du zontu nitu kpe mba du zren tsri hini bi kora na. Ama Irji tsro me ndi du mina yo ndrjo ndi a vu meme rjhi wa a kpaa ti meme wawu na.
Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin’ ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
29 Kimayi sa dume grji ye hamma ni sen nyu, niwa wu ton ba ye yome'a, zizan mi myeu, a ngye du wu yome?”
Ary amin’ izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy?
30 Cornelius a tre ndi, ivi nza wa ki kaba yo gon ye ni ton towa, mi sia bre Irji ni nton wu tiya ni komu, mle mi toh ndji ri a wrhu kri ni shishi mu, ni nklon ma wa asia zan.
Dia hoy Kornelio: Loak’ andro afak’ omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
31 A hla nimu ndi, Cornelius, Irji wo bre me, e sadaka me a du Rji tika niwuu.
ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan’ Andriamanitra ny fiantranao.
32 Nikima, ton ndji ri hi ni Joppa, nda hi yo ndji wa ba yo ndema ndi Sima, wa ba yoo Bitrus. A ni son ni ko ndji wu tindu ntan wa ba yondi Siman, weiweire ni kpa teku'a. / Chiche vunvu bi sen bari ba sa nha ndi / Anita ye, a ni tre niwu./
Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon’ i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
33 Mle, hama ni ti ngri, mi ton ba ka yo. Abi wa wuye'a zizan, wawu umbu khiki ni shishi Irji ni duta wo wawu kpe wa Bachi ton du ye hla tawu'a,” /Hamma ni tre ndi / Bachi a tru du ye tre / chiche vunvu bi sen bari ba yondi / Irji a tru du ye hla ndi /.
Koa niaraka tamin’ izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan’ Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian’ ny Tompo anao.
34 Niki Bitrus a bwu nyu ma nda tre ndi, Njanji, miti too ndi Irji na chutinkan na.
Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra;
35 Nitu ki, ni gbungblu wa konha rhi, ndji wa ani ti sissri ma nda ni hu nkon tsatsra ndindi, ani kpaw.
fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36 Bi to tre ma wa a ton hi ni ndji bi Israila, niwa a bwu hla ndindi tre nitu son pian wa a ye zu ni Yesu Kristi, wandi wawu yi hi Bachi nitu ko nha -
Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ ny Zanak’ isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’ izao rehetra izao),
37 biyi kimbi bi toh kpi wa ba zren kagon Judiya wawu, rhi ni Galili wa a hu gon batisma wa Yohana a guchi bwu tsro;
dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian’ ny batisa izay notorin’ i Jaona, dia ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta,
38 ikpe wa a zren nitu Yesu ba Nazaret, niwa Irji a chu tinka ni lulu Ruhu Tsatsra mba gbengble. A zren si ti kpi bi ndindi nda ni nu sikpa ni biwa brjhi a vu ba lo'a, nitu Irji a he niwu.
Izay nohosoran’ Andriamanitra tamin’ ny Fanahy Masìna sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ ny herin’ ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.
39 Ki biwa ki to zren kpi biyi ni shishi mbu, kpi wa Yesu ati, ni gbungblu Yahudawa mba ni Urushelima. Ba klo wuu ni tu kunkro,
Ary izahay no vavolombelon’ ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ ny tanin’ ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ ny hazo;
40 ama Irji a nzulu ni vi wu tra nda du ba toou,
nefa natsangan’ Andriamanitra kosa Izy tamin’ ny andro fahatelo ka nasehony marimarina,
41 ana ndji wawu na, ama ni biwa Irji ana mla guchi chu ni mi biwa bana toh ni shishi mba, ni mi mbu wa ki ri ni so niwu, hu lunde ni qu.
tsy tamin’ ny olona rehetra, fa tamin’ ny vavolombelona izay notendren’ Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy.
42 A yo tre gbangban ni tawu ni du ta dbu hla ni ndji ni mla hla ndi wawuyi Irji chuu du ga tre ni bi vri mba biwa ba qu ye.
Ary Izy nandidy anay hitory amin’ ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’ Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
43 Ahi ni wawuhi, anabi wawu ba vu bla, ni du ko nha wa a kpanyeme niwu ani kpa wruhle latre ma ni nde Ma.”
Izy no ambaran’ ny mpaminany rehetra, fa amin’ ny anarany no hahazoan’ izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
44 Niwa Bitrus a risi tre kpi biyi, Ruhu Tsatsra a ku nhi tu wawumba, wa basia sren ton ni tre ma.
Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masìna.
45 Ndji biwa bana he ni igrjhi bi hanbru ni mi bi wa kpanyme, wawu ndji wa ba hu gon Bitrus ye'a, ba bwu nyu yo hwo, nitu wa ruhu Tsatsra a ku kra nitu bi kora ngame.
Ary talanjona ny mino isan’ ny voafora izay niaraka tamin’ i Petera, satria nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna.
46 Ba wo bi kora ba basia tre ni lmen kanka nda ni nzu nde Irji hon. Niki, Bitrus a kma sa ndi,
Fa nandre azy niteny tamin’ ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’ Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:
47 “A nha ni zu du ndji biyi du ba kpa batisma wu ma, ndji biyi wa ba kpa Ruhu Tsatsra ye too kita ngame'a?
Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masìna tahaka antsika koa?
48 Mle a yo tre ni gbangban nitu duba ti batisma ni bawu ni nde Yesu Kristi. Hu kima, ba bre du son wu vi fon bran ni ba.
Dia nasainy natao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin’ ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.

< Ndu Manzaniba 10 >