< Ndu Manzaniba 1 >
1 Ikpi biwa mina hla niwu'a, Theophilus, a ne nitu ndu u tsro wa Yesu a ti rhi ni mumla.
Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’ izay nataon’ i Jesosy sy nampianariny,
2 Ahe ni iri wa ba bariu hi ni shu, nikima wa a 'mmha manzani wa ana chuba'a ni ruhu tsatsra, a.
hatramin’ ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin’ ny Fanahy Masìna ny Apostoly izay nofidiny,
3 Niwa baya wa ba tiu ya a stro tuma ni sisren ni bawu ni nkon kankan ni du ba na kpatron ni lunde ni be mana A tsro tuma nibawu wu vi tsotra don za nda tre ni ba nitu koson (shulu) Irjhi.
sady niseho koa tamin’ ny famantarana maro taorian’ ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
4 Niwa a kri ni shubimba ni wu, a'mmha ba du bana don Urishilima na, du ba gben shirjhi wu tima, wa a lha ndi, “Bi wo ni nyumu.
Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’ i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
5 Ndi a hi janji, Yohanna a ti batisma ni yiwu ni ma, ama ni vi yi, bi kpa batisma wu Ruhu Tsatsra.”
fa Jaona nanao batisa tamin’ ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna, rehefa afaka andro vitsivitsy.
6 Niwa ba shu ki, ba miye ndi baci, “zizanyi ahi ton yiyi u kma tuchu gbungblua ye ni Israila?
Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’ izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ ny Isiraely?
7 A lha bawu ndi “Ana wumbi du yi to nton ko vi waa timu a yo ni gbengble ma na.”
Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ ny Ray amin’ ny fahefany ihany.
8 Ama bi kpa gbengble wa Ruhu Tsatsra ni ku yiwu, niki bi bla ni tumu, rhi ni Urishilima baba Judiya wawu mba Samaria, ni ka ri ni klekle gbungblu meme.
Fa hahazo hery ianareo amin’ ny hilatsahan’ ny Fanahy Masìna aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’ ny faran’ ny tany.
9 A kle tre kpi bi yi nu, niwa ba ki si ya shulu, ba ban'u lu hon, e clalu a kawu u shishi mba ka la tou na.
Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ ny masony intsony Izy.
10 Niwa ba rhisi yo shishi ni ya hon ma hi shulu'a, ndhi ha ni nkon kinkla ba krirhu kri ni mimba.
Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ ny nandehanan’ i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
11 Ba tre ndi, “Biyi ndhi bi Galilee, “bi ki ya gye ni shulu? Yesu yi, wa ba banwu hi ni shulu, ni kima ye bibi wa bito ba ban u hi ni shulu'a”
izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
12 Mle ba k'ma grhi rhi ni ngblu wa ba yo ndi Olivet, wandi a wiewiera ni Urishilima, hi ni mi gbu Urishislima, ezren vi chanchu sati.
Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin’ ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin’ i Jerosalema (araka izay mety haleha amin’ ny Sabata).
13 Niwa ba ye ri, ba tsi hunhi tra u koshu, wa bah kini mia. Bana ba Yohana, yakubu, andarawus, Filibus, Toma, barthelomen, Matiu, Yakubu Ivren Alphanso Siman wa ini wu ngyegere me, Mba Juda Ivren Yakubu.
Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, ― dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’ i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak’ i Jakoba.
14 Wawu mba ba zontu ki ni bubu riri nda sia bre Rji, baba Mba ba, ni Maryamu ehi Yesu, baba mri vayi ma.
Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ ny vehivavy sy Maria, renin’ i Jesosy, ary ny rahalahiny.
15 Niri baki, Bitrus a lu kri ni mi mri vayiba, bana tsra ndhi 120, nda tre ndi.
Ary tamin’ izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan’ ny olona vory teo) ka nanao hoe:
16 “Mri vayi, a he nitu du tre wu vunvu tre baci du rhu tsra, nawa Ruhu Tsatsra ana lha ni nyu Dawuda ni tu Juda, wa a tsro biwa baye vu Yesu nkon.
Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ ny Soratra Masìna nampilazain’ ny Fanahy Masìna rahateo an’ i Davida ny amin’ i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an’ i Jesosy;
17 Ana irimbu wa a kpa ndu wandi anuta ngame.”
fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’ izao fanompoana izao koa.
18 (Zizan ndhi yi a ka le irhu ni nkle wu meme dri wandi a kpa'a, nda ka rhoku nitu u Kpama ka yrahle, ni irhenma ba ka vrale ni meme.
Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ ny tambin’ ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19 Wawu ndhi bi ki ni gbu Urishilima ba wo kpe wa a zren kima ba yonde irhu kima ni lan gbu mba ndi. “Akeldama”, wandi a tsra ni nde “Irhu u yi.”)
Ary fantatr’ izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran’ izany saha izany amin’ ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
20 Ba tre ni tuma ni vunvu tre zabura, ndi, “Du ba du irhukima du kri ton kpo, e du ko ndior na kruko ni kimana
Fa voasoratra eo amin’ ny Bokin’ ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao; ary koa: Aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara-raharahany.
21 Ani bi du lilon ri wa azi wuta rhini nton wa baci Yesu a zren ri nda rhu ni mi mbu,
Koa amin’ ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
22 Rjhini baptisma wu Yohana, ye ni vi wa ba ban'wu hon ni shishi mbu, nda toh tash'men rhi ni qu ngame.
hatramin’ ny batisan’ i Jaona ka hatramin’ ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ ny nitsanganany.
23 Ba ju nji ha zi, Yusufu wandi ba yondi Barsabbas, wandi bata yondi Justus ngame, mba Matayas.
Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
24 Ba bre ndi “Baci, wuhi wu toh suron ndhi ko nha, tsro ta ka ahi nya nimi ndi bihi wa wu chu
Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon’ ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’ izy roa lahy ireto,
25 ni du ban bubu son manzani wu bla kpe wa ato, nitu tash'm ma ni mimbu, wandi Juda a k'ma gon tiwu nda hi kpama.”
mba hahazoany anjara amin’ izao fanompoana sy ny mah’ Apostoly izao, izay nialan’ i Jodasy hankanesany any amin’ ny fitoerany.
26 Ba yo kuriya nitu mba, wa a ku nitu Matayas, e ba bla a yo ni manzani wlo don iri ba.
Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin’ i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan’ ny Apostoly iraika ambin’ ny folo lahy.