< 2 Korinthians 7 >
1 Bi sonta an na hi yoyu kini glatu bu wawu ni kpe wa ba kpa tsatsra ni me sisir Rji
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra, na amin’ ny nofo, na amin’ ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra.
2 Nu ta ngon kina kpa sorbi ti meme na kina mytre ndoun ko ki myre yina.
Ataovy omby anay ny fonareo, tsy nanao izay tsy marina tamin’ ny olona izahay, tsy nanimba olona, tsy nanambaka olona.
3 Ana wa me kpeyi ti meme na. me tren me riga lah ni yi wu hi he ne mesorbu ni kin, kyu yayi ni sun ni yin.
Tsy miteny izany ho fanamelohana aho; fa efa nilaza rahateo aho fa ao am-ponay ianareo, mba hiara-maty sy hiara-belona isika.
4 Me he dindi ne gabagadi ne me bi me gbre yi san ne yoyi sor grenmu shun makil ne yah bu.
Be ny fahatokiako anareo, lehibe ny reharehako ny aminareo; feno fiononana aho sady be hafaliana indrindra amin’ ny fahorianay rehetra.
5 Wa ki ye ne Makidoniya kpanbu na sun nsi na. naki rin ni matso loli ni kho wani ingon ni bubu kpan sur timeme ni zi ni sisir neme.
Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan’ ny nofonay, fa nampahorina tamin’ ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra.
6 Rji wa a ta'ata ne raunana a ta'azata nita ne taye Titus.
Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin’ ny nahatongavan’ i Titosy,
7 A na ye bakadai Rji yin cintaba ni ta bubu cin Titus me to ni yin a llah ta wu bin matsanaciya sunbi, kpa sor bu timeme (ko fun) ni zurfi mleyi ya kana. megren kpokpome.
ary tsy tamin’ ny nahatongavany ihany, fa tamin’ ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho.
8 An mu nita kpa surbi timeme, me lah mini to nakina da meto nha kpa sur bi timeme mi yin me ni to infu bi a wu ton finme in.
Fa na dia nampalahelo anareo tamin’ ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany.
9 Ziza me he nigrin, ana dun fun bi na, in funbi ghreye dun yikpa Rji, fuskaci funbi ne bra Baci, to na yin bi na hama wu don me ba.
Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an’ Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin’ inona na amin’ inona.
10 Nfunbi wa a he Rji a khri yi hi tuba da kammala vren ba tse wu to ba nfun wu gbuglu grin yi ye ni kyu.
Fa ny alahelo araka an’ Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’ izao tontolo izao.
11 Ya dindi emre a he ne me nfun bi ni wo Rji a ghrini minebi ina misali son tu bi ba, a tsro yi ne bana kho ukun (laifi) ina misali son tun funbu, sisirbi ni ye sorbi himmar bi ni mar maribi ni ya niti adalci ne ko ge ni tsron tu bi bi na bi laifiba, nime al'amariba.
Fa, indro, izany nampalahelovana araka an’ Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana teo aminareo! eny, fialan-tsiny manao ahoana! fahatezerana manao ahoana! fahatahorana manao ahoana! faniriana manao ahoana! zotom-po manao ahoana! famaliana ny ratsy natao manao ahoana! Tamin’ izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’ izany raharaha izany ianareo.
12 Ko ahe me anh ni yi wu, ba anh niton bi laifiba ko wa ba te laifi me anh nito yo tunbi ni ta nito yi ni khushishi Rji.
Koa na dia nanoratra taminareo aza aho, dia tsy noho ny nanao izay tsy marina, na noho ny niaritra izay tsy marina, fa mba haseho aminareo eo anatrehan’ Andriamanitra ny fahazotoanareo hanaiky anay.
13 Dalili wa yi ki kpa ngurin (karfafa) baya kogun cin yin ki grendinding me sabo da ni grin Titus, ni ruhunsa a fei gbengbelen ni yi wawu'bi.
Ary noho izany dia nampiononina izahay, ary tamin’ ny nampiononana anay dia vao mainka nifaly izahay noho ny fifalian’ i Titosy, fa ianareo rehetra efa namelombelona ny fanahiny.
14 Me ta gbresan ni yin nish'ma mena klu sha na ni bubu. koge me lah ni wu ni tu naki din ikpie ba wawu wa mihla. a jaji gresan bi ni tun Titus a tsorota jaji
Ary raha nisy nataoko rehareha taminy ny aminareo, dia tsy mahamenatra ahy izany; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay tamin’ i Titosy ny aminareo.
15 In sunbi a he bran wa ani taka, wa wu trebe wa bi kpa a ni sisir kpa.
Ary vao mainka miraikitra aminareo aza ny fony, raha mahatsiaro ny fanarahanareo rehetra izy, dia ny haben’ ny fahatahorana sy ny fangovitana nandraisanareo azy.
16 Me gren mataukarkpo kpomu ne cikake gabagadi ni me bi
Ary faly aho fa matoky anareo amin’ ny zavatra rehetra.