< 1 Yohana 1 >
1 A hei naki ni mumla, waki woh, di toh ni shi shi mbu di yah di ka wo mbu sa ni tu tre u tutrun.
Izay hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ ny tananay, dia ny amin’ ny Teny Fiainana
2 Na ki ba du ta toh rei'a, i ki toh'o di kpayiem ni u. Kisi hla yuu tre rei u tutru wa a he ni ti mbu, wa ba tsro ta. (aiōnios )
(fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay), ― (aiōnios )
3 Ikpe wa ki toh di wo di hla ni yu'u, u'biyi me bi ka tu kabi ni ta. Shu bi mbu a hei ni ti ni vre yesu kristi.
izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany.
4 Na ki kita me kisi han kpi biyi ni yu'u, du kikla suron mbu cika gri ififga.
Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika.
5 Wa yi hi imbre wa kita ki woh jri ni'u ki hla ni yu'u, Irji hi kpan ni wu ibwu na hei na kofi.
Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
6 Inde kitre di ki katukabi ni'u; di ni zre ni mi bwu di ni ti che, ki na si bla tre 'u jaji na.
Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
7 Naki kita si zren ni mi kpan, na wa wu hei ni mi kpan, ki si katu mbu bi ha mire vayi, 'u' yin vre ma yesu ni kla ta ni milan tre wa wu.
Fa raha mandeha eo amin’ ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’ i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra.
8 Inde kitre di ki na lahtre na kisi qrue tumbu, u jaji na hei ni suron mbu na.
Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
9 Inde kihla la latre mbu rju ra wawu a hi jaji da wa ani gla ta ni mi latre mbu.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra.
10 Inde ki tre di kina lahtre na, ki kma u ti ndi u'che, u'tre ma ana hei ni mi mbu na.
Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.