< 1 Yohana 5 >

1 Indi wa akpa yiem di yesu a kristi bagrji u rji ni Irji inde di wa a kpayiem ni ti'a naki ani yiem ni vre wa ba grji ni u.
Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’ Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
2 Ahe naki ki toh di ki kpayiem mri Irji inde ki yiem ni Irji di zi tre ma.
Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’ Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an’ Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
3 Naki wa yi a yiem u'Irji: wa ki yiem ni tre ma kuma itre ma ba na u' di'na.
Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.
4 Du ndi wa ba grji rji ni Irji ani zan gbengbenlen gbugbulu. Nakima hi nasara wa a zan gbengbenlen gbugbulu wato jaji bu.
Fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
5 Ahi wu han wa a zan gbengbenlen gbugbulu'a? Ahi ndi wa a kpa yeim di yesu a vre Irji.
Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’ Andriamanitra?
6 Wa yi i, hi wa aye ni ma mba yin Yesu kristi aye ni ma ni kangrji na, ama ni ma ba yin.
Izy ilay avy tamin’ ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ ny rano ihany, fa tamin’ ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
7 A baba tra wa ba kpa yiem:
Fa misy telo izay manambara,
8 Ni Ruhu ni ma u ni yin. Bi yi tra ba ti yaje jeniya ni kpa mba. Ifiift Greek bi sen ba han kpi didima.
dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.
9 Inde ki kpa jaji u ndi, jaji u Irji a zan wayi hi testimony u' Irji wa a kpa yeim ni vre ma.
Raha mandray ny fanambaran’ ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’ Andriamanitra; fa ny fanambaran’ Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
10 Du ndi wa a kpayeim ni vre Irji ahei ni testimony ni suron ma indi wa ana kpayeim ni Irji na a kma u'ti ndi u' che don ana kpayeim ni testimony wa Irji no nitu vre ma na.
Izay mino ny Zanak’ Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an’ Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’ Andriamanitra ny Zanany izy.
11 Testimony a wa yi, Irji nota son u'tutrun u rei ki hei ni mi vre ma. (aiōnios g166)
Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika, ary ao amin’ ny Zanany izany fiainana izany. (aiōnios g166)
12 Indi wa ahei ni vre'a ahei ni rei. Indi wa ana hei ni vre Irji na ana hei ni rei na.
Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’ Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
13 Mi han kpie bi i ni yu'u du yi toh di bi hei ni rei u' tutrun ni ndi wa kpa yeim ni de vre Irji. (aiōnios g166)
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ ny Zanak’ Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. (aiōnios g166)
14 Wa yi hi gbengbenlen wa ki hei ni u, du ikpie wa ki miye wa hei di di ni mere ma ani woh ta.
Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
15 Naki inde ki toh dani wota ko ahi gye ki miye, ki ka toh di ikpie wa ki miye ki kpa ye.
ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
16 Inde ndi'a atoh vayi si ti latre wa ana tsra u' que na, wa ka bre Irji ni no rei, me gomace ni bi wa latre mba na kai u que na, Lahtre ri hei wa atsra u que, mina tre di du bre nitu kima na.
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an’ izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’ izany izy.
17 Dukikpie u' meme ma a lahtre na ki lahtre wa ana tsra'u que na.
Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty.
18 Kitoh du ndi wa ba grji'u rji ni Irji ana ti lahtre na. Naki u wa ba grji rji ni Irji gyegyere u bi ibrji na iya da ti u meme na.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak’ Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy.
19 Ki toh di kita ki rji ni Irji kuma kitoh di gbugbulu wawu ahei ni mi gbengbenlen bi brji.
Fantatsika fa avy amin’ Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ ilay ratsy avokoa.
20 Na ki ki to di ver Rji ye buh shishi ni ta u di wa yi hi jaji, ki hei ni wu wa wu hi hi jaji ni mi ver ma Yesu kristi. Iwayi yi a Rji u jaji u son kibo (tutrun). (aiōnios g166)
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’ Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin’ ilay marina, dia ao amin’ i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
21 Imir na cib hi ni bi birji na
Anaka, arovy ny tenanareo amin’ ny sampy.

< 1 Yohana 5 >