< 1 Yohana 3 >

1 Toh i irin son wa anota, du ba yo ta ti mri Irji naki ki hei a hei naki gbugbulu na toh ta na. Naki ba na to Iti a na iftift ikpe bari bi didima u” bi Greeku' nisein ba toh da gran ya da ki hei ifga.
Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.
2 Kpukpamu ki mri Irji zizan ba riheiu gran yada ki hei ki toh inde yesu a ye kita me ki hei ki toh inde yesu a ye kita me ki hei na wawu hei ki toh naki yada a hei.
Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
3 Indi wa a si yo shishi ni ua ka gla kpama na wa wu hei.
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
4 Indi wa a si lahtre a si ti kpe wa a na didima na don lahtre hi kpe meme.
Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
5 Bi toh ba shile kristi rju du ye ban lahtre mbu rhu ni ta wu naki ni u' kena lahtre na heina.
Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy.
6 Ba ndi wa ani hei ni 'u' da si ta lahtre. Ba ndi wa sita latre da tre me di wawu to'o ko a yemen ni wu.
Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
7 Imir na yeim du dio grue yi na ndi wa a si ti kpe didima a hi ndi didi na wa kristy a didi ma.
Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
8 Indi wa a si ti latre a rji ni brji, don ibrji latre rji ni mumla, Na ki u' ba shile vre Irji rhu du ye kpa du brji ti meme.
Izay manota dia avy amin’ ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ ny voalohany. Izao no nisehoan’ ny Zanak’ Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ ny devoly.
9 Indi wa ba grji rji ni Irji ana si ti lahtre na, domin ibin u' Irji a hei ni u' ana la lah tre na, don ahe gjri u rji.
Izay rehetra naterak’ Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak’ Andriamanitra.
10 Na ki mri Irji baba mri ibrji ba shile ba, indi wa ana tikpe didima na ana rji ni Irji na du ni indi wa ani kran vayi ma.
Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’ Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’ Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
11 I wa hi imbe wa bi woh ni mumla ki yemen kpa mbu.
Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika, ―
12 Kina ti na kayinu na wa a rji ni brji da wu vayi ma ani tu gye awu? don idu ma ana u'brji u vayi ma ka didima.
tsy mba tahaka an’ i Kaina, izay avy tamin’ ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ ny rahalahiny.
13 Mri vayi na ti “mamaki” na, inde gbugbulu ni kran yi.
Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’ izao tontolo izao ianareo.
14 Ki toh ki rju ni mi ique idi ri na rai don ki san mri vayi.
Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ ny fahafatesana ihany.
15 Indi wa ana son vayi ma na, a hi u wu ndi bi toh bi wu ndi ba na hei ni re u tutrun ni wu na. (aiōnios g166)
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. (aiōnios g166)
16 Na ki ki toh son wa kristi ka tu ma no ba wu don kita. Kita me ki ka tumbu no domin mri vayi.
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
17 Du ndi wa ahei ni kpi bi gbugbulu yi, da toh vayi ma ni mi yah da na zo u na, yaya itre Irji ni he ni u?
Ary izay rehetra manam-pananana amin’ izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ ny fitiavana an’ Andriamanitra ao anatiny?
18 Mri mu ki na ta tre ki yemen mir vayi ni yun kuklu na ki ti ni mi suron jaji.
Anaka, aoka tsy ho tia amin’ ny teny na amin’ ny lela isika, fa amin’ ny asa sy amin’ ny marina.
19 Na ki ki toh di ki rji ni jaji, naki ki kpayemen ni suron mbu ni u.
Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany,
20 Inde suron mbu kashe ta, Irji zan suron mbu da toh kpi ba wawu.
na amin’ inona na amin’ inona no anamelohan’ ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
21 Kaunatatu, inde suron mbu na kashe ta na, ki ka hei ni gbengbenlen ni Irji.
Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan’ Andriamanitra isika.
22 Du ikpe wa ki mie ki kpa ni u' don ki zi itre ma di ni ti kpe wa ani nu kikla suron
Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
23 I wa yi hi tre ma ki ka kpayemen ni vre ma yesu kristi di son kpa mbu na wa no ta tre ma.
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’ i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
24 Indi wa azi tre Irji a hei ni Irji u Irji hei ni ndia. Naki ki toh di a hei ni ta ni mi Ruhu tsatsarka da a nota.
Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.

< 1 Yohana 3 >