< 1 Korinthians 9 >

1 Ime mena son bi na? Ime mena wu whu Rji na? Ime mena to Yesu Irji mbu na? Ana biyi bi tindu ni me ni blater Rji na?
Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an’ i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin’ ny Tompo va ianareo?
2 Idan me na wu blater Rji nibari na u me bla niyiwu, Biyi bi Zame ndi kapyeme nime nitabatar ni ndumu ni bla ter Rji.
Raha tsy Apostoly ho an’ ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase mah’ Apostoly ahy ao amin’ ny Tompo.
3 Wayi yiter wa me Kle kpamu idan ndi ba tre nitu mu.
Izany no avaliko izay manadina ahy.
4 Kina hei yanci wa kiri ndi sou na?
Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay?
5 Kina hei ni yanci wa ki ba vayi mbu iwah, na wa ibru bi tundu Baci, ni mir vayi ni ndu Rji naba Kefas na?
Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin’ ny Tompo ary Kefasy?
6 Biya kome ni Barnabas megye ki na hei ni iko u kambu ni ndu?
Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
7 Anha ni ti ndu soja ni tuma ki mu? Anha ni ron biri ni woma da na rhi iya ma na? wu nha ni ho lando dana so u imasesan mba na?
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ ny haren’ ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’ osy ka tsy mihinana ny rononony?
8 Biya me tre tre yi ni gbegble ter ndi mu? Bina to di doka me tre tokina?
Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
9 U ni doka Musa a tre di na yau takunkumi ni wa ni mla biri tei na. A hi jiji lando wandi Irji ni kwa ha?
Fa voasoratra eo amin’ ny lalàn’ i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary. Ny omby va no ahin’ Andriamanitra?
10 Ana si tre ni tumbu, indi na? ba han ta wu ndi indi u yoh sor, anife indi wa ase tat take hiri, wa wumw du tei ni suron riri anife.
Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin’ ny fanantenana hahazo.
11 U kita cu wu ru haniya ni yiwu ani kpe rigra ma duta girbi kpibi wu kpah ni yi?
Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay?
12 Indan bari ba te yana yi ni yi, kina zan ba na? Ama ki na miye yanci kina kita de ki vu suron ni koga don ki na kpa tre Bishara Kristi ti meme na zuta tendu Bishara Yesu Almasihu.
Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin’ ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran’ i Kristy.
13 Bina to biwa ba tindu ni mi tar Rji ba fe hla ni sau mba ni kiyi na? Biwa basi tindu ni tra Rji ba hai ni rabo mba ni kpi biwa ba rhi ni myi hai kalin.
Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ ny zavatra masìna dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ ny alitara dia miombona amin’ ny alitara?
14 Ana kiwi Rji tre bi tendu ni terma Bishara bari da sau ni tunko bishara.
Toy izany koa no nandidian’ ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ ny filazantsara.
15 Ama ime mina miye yanci ri me na me na nah du ba ti kep ni muna; croma du me kwuu ni du indi hana ni me ni bubu grie ni tu kpe u bi yi.
Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.
16 Indan me bla tre bishara me ha hei ni kpe wu wurwo ni suron na a hei nimu hello du me ti ndu ki. Ani meme ni idan me na bla tre Bishara
Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!
17 Meta tei wayi ni suron mu riri, me kpa kpe wa Irji a zinimu u bima. Ama hle ta na ti ni suron riri na. u me rhi he ni nauwaya nitu mu.
Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.
18 Wagye a rabo mu? U meta bla tre Rji me ya ni no Bishara nina kpa gbe wa a hi yancu mu ni ti bishara na.
Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin’ ny filazantsara.
19 Ko da ike iwo mu na sa kpe na mi kati grah ni ndi don mi ndi gbron gbuglu wu ye ni Rji.
Fa na dia afaka amin’ ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.
20 Ni Yahudawa, me k'mati bayabude, don ndi gbi yahuda. Ni bi wa ba hei ni zha bi blah ter, do kpa me, mi hei ni mi mba meni gbi wa ba hei ni zha bi blah tre me ti na ki ko da shike mi na hei ni bi blah tre na.
Tamin’ ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin’ izay ambanin’ ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ ny lalàna aho, na dia tsy ambanin’ ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ ny lalàna;
21 Bi wa bana hei ni karkashi sharia na ime me k'ma hei na bi wa ba na he ni shari'a na ko shike me na hamma ni shiriya u Rji na Du naki me hei karkashi doka Rji me ti naki me ndi kpadi bi wa ba na he mi sharia na.
tamin’ izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’ Andriamanitra aho, fa ambanin’ ny lalàn’ i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna;
22 Ni biwa bana hei ni gbegble na, me hei naki niba don me gbro bi hama ne gbengblen.
tamin’ ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
23 Me tei kogye don bishara me ndi yoh woh ni min biwa ba kiti ndu don me ndi kpa albarka game.
Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.
24 Bina to ndi indi gbugbu u bari ni gasa tsutsu, u bi waba tsutsu a, indi riri ni kpah sakamaka na?
Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.
25 Indi u tsutsu ani mla kpama ti naki dafe gbegble kpama du hyi gyegyer. Ba tei naki du ba kpakpe wa ni ti meme wu bi gasa tsutsu bati nda kpa kpe wa ni kri ko'b ana wu te meme na.
Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.
26 Anayi me tsutsu na me na he ni manufei na, yada me ti dambe an a kama me ndi da si tsi ni gwugwu na.
Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra;
27 Me mean ni kpa mu ti u yah, na mi gra don idan me bla tre Rji ni bari ime tumu mika na ti meme na.
fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.

< 1 Korinthians 9 >