< 1 Korinthians 1 >
1 Yesu Kristi ni kpayem lrji ayo Bulus du ri nimi bi wa wa tindu niwu ni kpayem Bachi ni wawu vayimbu sastanisu.
Paoly, voantso ho Apostolin’ i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
2 Ni biwa bahe ni tra wubre irji ni Korinti nbi wa ba ke be ni ba. ninde irji da yo ba nisan ninde waba glaba niyi Yesu ni bi waba he ko nintse da kpayem ninde irji wumba ni wumbu.
mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
3 Du alheri ma nison wubima du hei niyi wanda ni Rji Bachi Timbu wa wawu Yesu Kristi
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4 Me kiri ni irji mu cacu ni tu mbi don alheri wa Bachi Kristi Yesu ni noyia.
Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’ i Kristy Jesosy,
5 Anoyi gbugbu u nitre du ni ilimi.
dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
6 Na wa janji tre irji hla ni yiwu wawumbia.
araka ny niorenan’ ny filazana an’ i Kristy teo aminareo,
7 Naki bina wa kpi u ruhu hama na wandi bi gbenbayani u Rji Yesu Kristi.
ka dia tsy latsaka amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
8 Da du yi kpayemen didi ine har hi kle du ba na ka tou yi ni latre ni ye Yesu Kristi na.
Izay hampiorina anareo koa hatramin’ ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin’ ny andron’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
9 Irji wawuyi wu amina wayata yoni mi bi zumata bi waba yi biyaya ninde vrema Yesu Kristi Bachi mbu
Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
10 Zi za'a me bre yi mir vayi ninde Yesu Kristi na gatumbi tie kankana ni son kanka nikpambi na me bre yi katumbi si son ni suron bi riri ni manufa riri.
Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
11 Me woh son bi mir vayi miniko kuluwi ba la ni mu andi meme son a he ni yi.
Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
12 A bari ba tre “Me he ni kogon Bulus” ko me he ni kogon Afolos ko “Me he ni kogon Kefas” ko “Me he ni kogon Yesu Almasihu”.
Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’ i Paoly, na: Izaho an’ i Apolosy, na: Izaho an’ i Kefasy, na: Izaho an’ i Kristy.
13 Almasihu agakpama tin kankan? Ba klo Bulus don biyi? Bayi Batisma yiwu ninde Bulus?
Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ ny anaran’ i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
14 Mekiri ni Rji mena yi baptisma niri mbinas me to Kiristus wu Gayus me yi nihawu.
Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
15 Na ki ba wanda ni tre bayi baptisma niwu ninde mu.
fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ ny anarako ianareo.
16 (Ime metou me yi Baptisma ni ndi biko Sitifanus, Bayaki me na tou ko meyi Baptisma ni nro na)
Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan’ i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
17 Meto irji ana ton me du me ye yi Baptisma na, ama don meye hla tre ma bani wani tre wu wayo ba yada di iko Baci na zama ni kaskanci na
Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin’ ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’ i Kristy.
18 Naki u tre gicciye na he ma'na nishishi bi wa ba si halakaa na. Ama bi wa ba fe son kasai kasai a hi iko Rji.
Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very, fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
19 Ihlan tre ma ahla “me kpa tre hi tice ni ba to zan ko nha me kpa du ichemba timeme. Wa batre ba to zan ko nha.
Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala.
20 Wu to zan ko nha ahe nintse? Ina ndi wa tre wawu masani? Ina indi watre niwawu tokpe zan ko nha ni gbugbu'u? Irji na hla wawu kma indi wuce kma zama wawu na. (aiōn )
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao? (aiōn )
21 Du gbugbu ni wur wah ni drima anato Irji na wu Irji a sisuron ni biwa da a kpaba u ba kpayem niw-u ninko wotamba wa bla wa'azi
Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’ Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’ Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ ny fitorian-teny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino;
22 U yawudawa ba tre baha ba bida ni alajibai wu helinawa nibaba ba bida ni hikima.
fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,
23 Du naki kita khla tre Rji ni gicciyaye tita wu kubza yahudawa ni iri wauta wu helinawa.
fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa,
24 Naki biwa irji rhiga yo ba ni yahudawa ni helinawa kyi hla tre irji na yadda a zama gbi gle ma ni hikima Rji.
fa amin’ izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra.
25 Wauta u Rji a zan hikima wundi wureshi gbe-glen Rji a zan wundi
Fa ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona.
26 Toh yombi mir ya. Ana gbugbuwubi ba he ni hikima ni shishi indi na. Ana wa wumbi bi he ni gbe-gble na. Anha wawumbi bi fe gni yi ni ko bi cu na.
Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
27 Irji a cu kpi bi meme ma ni gbu-gbu wa ni nondi bi hikima shan. Irji cu kpi bi hama ni gbegble du ba no kpi bi gbegble shan.
fa ny adala amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
28 Irji ni ju kpi wa bana he ni daraja ni ya lega ni gbu-gbu. Aniya da jwu kpi wa ba hamanifani du ba me ni kpe ufani zama banza.
ary ny iva razana amin’ izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’ Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
29 A tei naki du dyo duna ya di wawu hi kpe ni shishi ma na.
mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’ Andriamanitra.
30 Domin kpe wa Rji a tei zizan bi he miyi ninde Rji wandi a he ni hikima ni tawu riji ni Rji. Ahenhaki adalcin mbu wu Tsarlu mbu ni fansarmbu.
Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’ i Kristy Jesosy, Izay nataon’ Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
31 Du naki yada ba nha naki, indi wu wurwo ni san du yi fahariya ni ninde Irji.
mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.