< ইষ্রা 2 >

1 ব্যাবিলনের রাজা নেবুখাদনেজার যাদের বন্দি করে নিয়ে গিয়েছিলেন, তাদের মধ্যে সেই প্রদেশের এইসব লোকজন নির্বাসন কাটিয়ে জেরুশালেম ও যিহূদায় নিজের নিজের নগরে ফিরে এসেছিল।
Ary izao no olona amin’ izany tany izany izay niakatra avy amin’ ny fahababoana, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy,
2 তারা সরুব্বাবিল, যেশূয়, নহিমিয়, সরায়, রিয়েলায়, মর্দখয়, বিল্‌শন, মিস্পর, বিগ্‌বয়, রহূম ও বানার সঙ্গে ফিরে এসেছিল। ইস্রায়েলী পুরুষদের তালিকা:
dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
3 পরোশের বংশধর, 2,172 জন;
Ny taranak’ i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
4 শফটিয়ের বংশধর, 372 জন;
ny taranak’ i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
5 আরহের বংশধর, 775 জন;
ny taranak’ i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato;
6 (যেশূয় ও যোয়াবের সন্তানদের মধ্যে) পহৎ-মোয়াবের বংশধর, 2,812 জন;
ny taranak’ i Pahatamoaba, avy tamin’ ny zanak’ i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin’ ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
7 এলমের বংশধর, 1,254 জন;
ny taranak’ i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
8 সত্তূরের বংশধর, 945 জন;
ny taranak’ i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato;
9 সক্কয়ের বংশধর, 760 জন;
ny taranak’ i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
10 বানির বংশধর, 642 জন;
ny taranak’ i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato;
11 বেবয়ের বংশধর, 623 জন;
ny taranak’ i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato;
12 অস্‌গদের বংশধর, 1,222 জন;
ny taranak’ i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo;
13 অদোনীকামের বংশধর, 666 জন;
ny taranak’ i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato;
14 বিগ্‌বয়ের বংশধর, 2,056 জন;
ny taranak’ i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo;
15 আদীনের বংশধর, 454 জন;
ny taranak’ i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato;
16 (হিষ্কিয়ের বংশজাত) আটেরের বংশধর, 98 জন;
ny taranak’ i Atera, avy tamin’ i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
17 বেৎসয়ের বংশধর, 323 জন;
ny taranak’ i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato;
18 যোরাহের বংশধর, 112 জন;
ny taranak’ i Jora dia roa ambin’ ny folo amby zato;
19 হশুমের বংশধর, 223 জন;
ny taranak’ i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
20 গিব্বরের বংশধর, 95 জন।
ny zanak’ i Gibara dia dimy amby sivi-folo;
21 বেথলেহেমের লোকেরা, 123 জন;
ny zanak’ i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato;
22 নটোফার লোকেরা, 56 জন;
ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo;
23 অনাথোতের লোকেরা, 128 জন;
ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
24 অস্‌মাবতের লোকেরা, 42 জন;
ny zanak’ i Azmaveta dia roa amby efa-polo;
25 কিরিয়ৎ-যিয়ারীম, কফীরা ও বেরোতের লোকেরা, 743 জন;
ny zanak’ i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
26 রামার ও গেবার লোকেরা, 621 জন;
ny zanak’ i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
27 মিক্‌মসের লোকেরা, 122 জন;
ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
28 বেথেল ও অয়ের লোকেরা, 223 জন;
ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato;
29 নেবোর লোকেরা, 52 জন;
ny zanak’ i Nebo dia roa amby dimam-polo;
30 মগ্‌বীশের লোকেরা, 156 জন;
ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato;
31 অন্য এলমের লোকেরা, 1,254 জন;
ny zanak’ ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
32 হারীমের লোকেরা, 320 জন;
ny taranak’ i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
33 লোদ, হাদীদ ও ওনোর লোকেরা, 725 জন;
ny zanak’ i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato;
34 যিরীহোর লোকেরা, 345 জন;
ny zanak’ i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
35 সনায়ার লোকেরা, 3,630 জন।
ny zanak’ i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo arivo.
36 যাজকবর্গ: (যেশূয়ের বংশের মধ্যে) যিদয়িয়ের বংশধর, 973 জন;
Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
37 ইম্মেরের বংশধর, 1,052 জন;
ny taranak’ Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo;
38 পশ্‌হূরের বংশধর, 1,247 জন;
ny taranak’ i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
39 হারীমের বংশধর, 1,017 জন।
ny taranak’ i Harima dia fito ambin’ ny folo sy arivo.
40 লেবীয়বর্গ: (হোদবিয়ের বংশজাত) যেশূয় ও কদ্‌মীয়েলের বংশধর, 74 জন।
Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny taranak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
41 গায়কবৃন্দ: আসফের বংশধর, 128 জন।
Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak’ i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato.
42 মন্দিরের দ্বাররক্ষীবর্গ: শল্লুম, আটের, টল্‌মোন, অক্কূব, হটীটা ও শোবয়ের বংশধর, 139 জন।
Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak’ i Saloma, ny taranak’ i Atera, ny taranak’ i Talmona, ny taranak’ i Akoba, ny taranak’ i Hatita, ny taranak’ i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra.
43 মন্দিরের পরিচারকবৃন্দ: সীহ, হসূফা, টব্বায়োত,
Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota,
44 কেরোস, সীয়, পাদোন,
ny taranak’ i Kerosa, ny taranak’ i Siaha, ny taranak’ i Padona,
45 লবানা, হগাব, অক্কূব,
ny taranak’ i Lebana, ny taranak’ i Hagabaha, ny taranak’ i Akoba,
46 হাগব, শল্‌ময়, হানন,
ny taranak’ i Hagaba, ny taranak’ i Salmay, ny taranak’ i Hanana,
47 গিদ্দেল, গহর, রায়া,
ny taranak’ i Gidela, ny taranak’ i Gahara, ny taranak’ i Reaia,
48 রৎসীন, নকোদ, গসম,
ny taranak’ i Rezina, ny taranak’ i Nekoda, ny taranak’ i Gazama,
49 ঊষ, পাসেহ, বেষয়,
ny taranak’ i Oza, ny taranak’ i Pasea, ny taranak’ i Besay,
50 অস্না, মিয়ূনীম, নফূষীম,
ny taranak’ i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
51 বক্‌বূক, হকূফা, হর্হূর,
ny taranak’ i Bakboka, ny taranak’ i Hakofa, ny taranak’ i Harora,
52 বসলূত, মহীদা, হর্শা,
ny taranak’ i Bazlota, ny taranak’ i Mehida, ny taranak’ i Harsa,
53 বর্কোস, সীষরা, তেমহ,
ny taranak’ i Barkosa, ny taranak’ i Sisera, ny taranak’ i Tema,
54 নৎসীহ ও হটীফার বংশধর।
ny taranak’ i Nezia, ny taranak’ i Hatifa.
55 শলোমনের দাসদের বংশধর: সোটয়, হস্‌সোফেরত, পরূদা,
Ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona koa dia izao: Ny taranak’ i Sotahy, ny taranak’ i Sofereta, ny taranak’ i Peroda,
56 যালা, দর্কোন, গিদ্দেল,
ny taranak’ i Jala, ny taranak’ i Darkona, ny taranak’ i Gidela,
57 শফটিয়, হটীল, পোখেরৎ-হৎসবায়ীম ও আমীর বংশধর।
ny taranak’ i Sefatia, ny taranak’ i Hatila, ny taranak’ i Pokereta-hazebaima, ny taranak’ i Amy.
58 মন্দিরের দাসেরা এবং শলোমনের দাসদের বংশধর 392 জন।
Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
59 তেল্-মেলহ, তেল্-হর্শা, করূব, অদ্দন ও ইম্মের, এসব স্থান থেকে নিম্নলিখিত লোকেরা এসেছিল, কিন্তু তারা ইস্রায়েলী লোক কি না, এ বিষয়ে নিজ নিজ পিতৃকুলের প্রমাণ দিতে পারল না:
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ ny Isiraely, na tsia):
60 দলায়, টোবিয় ও নকোদের বংশধর, 652 জন।
ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato.
61 আর যাজকদের মধ্যে: হবায়ের, হক্কোষের ও বর্সিল্লয়ের বংশধর (এই বর্সিল্লয় গিলিয়দীয় বর্সিল্লয়ের এক মেয়েকে বিয়ে করেছিল এবং তাকে সেই নামেই ডাকা হত)।
Ary ny avy tamin’ ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak’ i Habaia, ny taranak’ i Hakoza, ny taranak’ i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany.
62 বংশতালিকায় এই লোকেরা তাদের বংশের খোঁজ করেছিল, কিন্তু পায়নি এবং সেই কারণে তারা অশুচি বলে তাদের যাজকের পদ থেকে বাদ দেওয়া হয়েছিল।
Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana.
63 শাসনকর্তা তাদের এই আদেশ দিয়েছিলেন, যে ঊরীম ও তুম্মীম ব্যবহারকারী কোনো যাজক না আসা পর্যন্ত যেন লোকেরা কোনও মহাপবিত্র খাদ্য ভোজন না করে।
Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
64 সর্বমোট তাদের সংখ্যা ছিল 42,360 জন।
Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
65 এছাড়া তাদের দাস-দাসী ছিল 7,337 জন; এবং তাদের 200 জন গায়ক-গায়িকাও ছিল।
afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy;
66 তাদের 736-টি ঘোড়া, 245-টি খচ্চর,
ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
67 435-টি উট এবং 6,720-টি গাধা ছিল।
ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
68 যখন তারা জেরুশালেমে সদাপ্রভুর গৃহে এসে উপস্থিত হল, তখন পিতৃকুলপতিদের মধ্যে কেউ কেউ নির্দিষ্ট স্থানে মন্দির পুনর্নির্মাণের কাজে তাদের স্বেচ্ছাদান নিবেদন করলেন।
Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin’ ny sitrapo hananganana ny tranon’ Andriamanitra eo amin’ ilay efa niorenany.
69 তাদের ক্ষমতানুযায়ী কাজের জন্য সৃষ্ট ভাণ্ডারে তারা দান দিলেন। তাদের স্বেচ্ছাদানের পরিমাণ ছিল 61,000 অদর্কোন সোনা, 5,000 মানি রুপো, এবং 100-টি যাজকীয় পরিধেয় বস্ত্র।
Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.
70 যাজকেরা, লেবীয়েরা, গায়কেরা, দ্বাররক্ষীরা এবং মন্দিরের দাসেরা অন্যান্য কিছু লোকের, এবং অবশিষ্ট ইস্রায়েলীদের সঙ্গে নিজের নিজের নগরে বসবাস করতে লাগল।
Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin’ ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.

< ইষ্রা 2 >