< Yoube 31 >
1 Na da uda eno mae magesa: i ba: ma: ne, Godema dafawaneyale ilegele sia: i.
Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
2 Gode Bagadedafa da ninima adi hamosala: ? E da habodane osobo bagade dunu ilia houba: le dabe iabela: ?
Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin’ Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin’ ny Tsitoha any amin’ ny avo?
3 E da wadela: le hamosu dunuma gugunufinisisu hou amola wadela: lesisu hou iasisa.
Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
4 Gode da na hamobe liligi huluane dawa: E da na osa: le gagabe huluane ba: lala.
Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?
5 Na da dafawane ilegele sia: sa! Na da wadela: le hamedafa hamosu. Amola na da eno dunuma hamedafa ogogosu.
Raha tàhiny nandeha tamin’ ny fitaka aho na niezaka tamin’ ny fahafetsena.
6 Gode da moloidafa dioi defesu amo da: iya, na adoba: mu da defea. Amasea, na hou da moloidafa, E da ba: mu.
(Enga anie ka holanjain’ Andriamanitra eo amin’ ny mizanan’ ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
7 Na da logodafa fisiagai ganiaba, o wadela: le hamomu hanai ganiaba, o na lobo da wadela: le hamoiba: le ledo hamoi ganiaba,
Raha tàhiny nivily niala tamin’ ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ ny tanako:
8 defea, na ha: i manu bugi da wadela: lesi dagoi ba: mu da defea, amola dunu enoga na bugi moma: mu da defea gala: loba.
Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
9 Na da na na: iyado idua hanaiwane ba: i ganiaba, amola amo uda ea logo ga: su gadili wamoaligi ouesalebe ba: i ganiaba,
Raha tahìny adala tamin’ ny vadin’ olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ ny namako aho,
10 defea, na uda da eno dunu ea ha: i manu gobemu, amola e da dunu eno amola gilisili golamu da defea gala: loba.
Dia aoka kosa ny vadiko halain’ ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.
11 Nowa da agoane wadela: le hamosea, ilima se iasu da bogosu ba: mu da defea.
Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ ny mpitsara;
12 Na da agoane wadela: i hou hamoi ganiaba, amo hou da gugunufinisisu Helo lalu defele ba: la: loba. Amola amo lalu da na gagui huluane na dagola: loba.
Fa afo mandevona hatrany amin’ ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
13 Musa: , na hawa: hamosu dunu ilia da nama egasea, na da ilia sia: nabalu, ilima moloidafa hamosu.
Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
14 Na da amane hame hamoi ganiaba, na da Gode Ea midadi habodane leloma: bela: ? Gode da nama fofada: musa: masea, na da Ema adi sia: ma: bela: ?
Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
15 Gode da na da: i hahamoi. Amola Ea da na hawa: hamosu dunu ili amolawane hahamoi dagoi.
Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
16 Na da hame gagui dunu fidimusa: hamedafa hihi. Na da didalo uda ili se nabawane esaloma: ne, hamedafa yolesi.
Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ ny malahelo ka nahapahina ny mason’ ny mpitondratena,
17 Na da ha: i sadini nanu, guluba: mano ha: aligi esaloma: ne hamedafa yolesi.
Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan’ ny kamboty
18 Na esalusu huluane amoga na da amo hahani dunu noga: le ouligilalusu.
(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
19 Na da hame gagui dunu amo da abula bidi lamu hamedei ba: loba,
Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
20 na da sibi hinabo amo na da na sibi wa: iga lai, amoga hamoi abula ema iasu. Amalalu, e da nama nodosu.
Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon’ ondriko;
21 Na da fofada: su diasuga hasalimu dawa: bela: le, guluba: mano afae ema ogogole hamoi ganiaba,
Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
22 na lobo fimu amola na ougia dagalisi dagoi ba: mu da defea gala: loba.
Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ ny taolam-panaviko.
23 Na da agoai hou hamomu hamedafa dawa: i. Bai na da Gode Ea se dabe imunu amoga beda: sa.
Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’ Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.
24 Na da bagade gagui hou amo da bai bagadeyale hamedafa dawa: su.
Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
25 Amola na da bagade gaguiba: le, hame hidasu.
Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben’ ny fananako sy noho ny nahazoan’ ny tanako harena betsaka;
26 Na da eso ea hadigi amoma nodone hame sia: ne gadosu. Amola oubi gela: gegei amoma nodone hame sia: ne gadosu.
Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ ny fangarangarany izy,
27 Na wadela: le hamoma: ne, na da ili (oubi amola eso) amoma asigi sia: musa: , na lobo nonogonanu hame oleagasu.
Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
28 Agoai wadela: i hou amoma se dabe iasu da bogosu ba: mu da defea. Amo wadela: i hou da Gode da hame esala, amo defele olelesa.
(Dia heloka hanamelohan’ ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’ Andriamanitra Izay any ambony aho);
29 Nama ha lai dunu da se nababeba: le, na da hamedafa nodosu. Amola gugunufinisisu hou ilima doaga: beba: le, na hame nodosu.
Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
30 Na da ili bogoma: ne, na da hamedafa wadela: le sia: ne gadoi.
(Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
31 Nama hawa: hamosu dunu huluane da na da eso huluane ga fi yosia: sa, amo dawa:
Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany?
32 Na da lalusu dunu na diasuga aowamusa: misa: ne sia: su. Ilia udigili logoga golasa: besa: le, na ili aowasu.
Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
33 Dunu oda ilia da ilia wadela: i hou wamolegemusa: dawa: Be na da na wadela: i hou hamedafa wamolegesa.
Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an’ i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,
34 Na da eno dunu ilia sia: be amoga hame beda: su. Ilia gadesu hou amoma beda: iba: le, na da hame ouiya: su amola diasu gelabo ganodini hame ouesalusu.
Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ ny fokon’ olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
35 Dunu afae da na sia: nabima: bela: ? Na da Gode Bagadedafa Ea Dioba: le ilegele sia: sa. Na sia: huluanedafa da dafawane. Gode Hi da nama adole imunu da defea. Ilia da fofada: su liligi amo nama ha lai dunu da nama fofada: nanu, amo huluane na ba: ma: ne dedene legemu ganiaba,
Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ ilay manana ady amiko!
36 na da na gida da: iya hahawane gasisalala: loba amola habuga agoane na dialuma da: iya figisila: loba.
Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
37 Na da na hamoi hou huluane Godema adola: loba, amola Ea midadi na moloi hou dawa: beba: le, na dialuma mae fili guduli, hahawane lela: loba.
Ny isan’ ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ ny zanak’ andriana no hanatonako Azy.
38 Be na da na bugili nasu soge, amo soge edadafa ilima wamolai ganiaba,
Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
39 na da ha: i manu amogai bugi mai ganiaba, amola ifabi hawa: hamosu ilima ha: i manu hame iabeba: le, ilia ha: ga bogomu logo doasi ganiaba,
Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny. Na nanao izay hahafaty ny ain’ ny tompony:
40 defea amo sogega widi amola bali mae heda: le, udigili gagalobo amola aya: gaga: nomei gisi heda: mu da defea gala: loba.” Yoube ea sia: da dagoi wea.
Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin’ i Joba.