< Mui 38 >

1 Amalu, Yuda da yolalali amo yolesili, ea na: iyado Hila (Adala: me moilai dunu) amo ea moilaiga esalumusa: asi.
Ary tamin’ izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
2 Amoga e da Ga: ina: ne a: fini, (Siua ea mano) amo gousa: i. Amo a: fini e da lai dagoi.
Ary teo no nahitan’ i Joda ny zanakavavin’ i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
3 E da ema dunu mano lai amo ea dio E.
Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
4 Yuda idua da bu abula agui ba: i. E da eno dunu mano lai. E da ema dio asuli amo Ouna: ne.
Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
5 Amalalu, e da dunu mano eno lai amo Sila. Amo mano da lalelegeloba, Yuda da A: gasibi moilaiga esalebe ba: i.
Dia nanan’ anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin’ ny niterahan’ ny vadiny an’ i Sela.
6 Ea magobo mano E, amo ea lama: ne, Yuda da a: fini ea dio amo Da: ima ilegei.
Ary Joda naka vady ho an’ i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
7 Be E (Yuda ea mano) da wadela: i hamosu dunu. Hina Gode da ea hou hahawane hame ba: i. Amaiba: le, Gode da E fane legei dagoi.
Fa ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda; dia novonoin’ i Jehovah izy.
8 Amalalu, Yuda da E ea eya Ouna: ne ema amane sia: i, “Di amola dia ola didalo amo gilisili golama. Dia ola da mano buga: i ba: ma: ne, houdafa ema hamoma.”
Ary hoy Joda tamin’ i Onana: Vadio ny vadin’ ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
9 Be Ouna: ne da amo mano lalelegemu da ea mano hame ba: mu amo dawa: i galu. Amaiba: le, e da ea ola didalo amoga gilisisia, e da ea ami udigili osoboga sogadigi. Ea ola mano buga: i da hame lalelegema: ne, agoane hamoi.
Ary fantatr’ i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin’ ny vadin’ ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an’ ny rahalahiny.
10 Hina Gode da amo hou hahawane hame ba: i. Amaiba: le, Gode da Ouna: ne amola fane legei.
Ary ratsy teo imason’ i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
11 Amalalu, Yuda da ea awa Da: ima ema amane sia: i, “Di da dia ada amo ea diasuga buhagima. Nagofe Sila amo da asigilama: ne, ouesaloma.” E da Sila amola ea ola defele Godema fane legemu amo beda: iba: le amane sia: i. Amalu, Da: ima da ea diasuga buhagi.
Ary hoy Joda tamin’ i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’ i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
12 Fa: no agoane, Yuda ea uda da bogoi. E da didigia: lalu, Yuda amola ea na: iyado Hila (Adala: me dunu) da Dimina sogega asi. Amoga Yuda ea sibi da hinabo damunanebe ba: i.
Ary rehefa ela, dia maty ny vadin’ i Joda, dia ilay zanakavavin’ i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon’ i Joda, dia niakatra tany amin’ ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
13 Dunu eno da Da: imama ea awa Yuda amo da Dimina ea sibi hinabo damumusa: ahoanebe olelei dagoi.
Dia nisy nanambara tamin’ i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
14 Amaiba: le, Da: ima da ea didalo abula afadenene, ea odagi amo abula sawa: figisu amoga dedebole, Ina: ime moilai logo holeiga fi esalu. Ina: ime da Dimina ahoasu logoga dialu. Yuda ea ufi mano Sila, da asigilai dagoi, be e da Da: ima hame lai, amo Da: ima da dawa: i galu.
Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’ i Enaima, izay eo amin’ ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’ i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’ i Joda ho vadin’ i Sela izy.
15 Yuda da Da: ima ba: beba: le, ea odagi da dedeboiba: le, e da aie heda: i uda amo dawa: i galu.
Ary hitan’ i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
16 Yuda da logo bega: ema asili, amane adole ba: i, “Defea! Di bidi lamu defei da adila: ?” (Amo da ea awa e da hame dawa: i galu.) Da: ima da ema amane adole ba: i, “Di da nama adi ima: bela: ?”
Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
17 E bu adole i, “Na da goudi mano dima iasimu.” Da: ima da amane sia: i, “Defea! Be liligi fonobahadi amo goudi fa: no iasimu ilegema: ne hidadea nama ima.”
Dia hoy izy: Hampanatitra zanak’ osy avy amin’ ny ondry aman’ osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
18 E bu adole ba: i, “Na da adi ima: bela: ?” E bu adole i, “Dia ilegei hamomusa: gobele ga: su amola ea efe amola dia dagulu di gaguli mabe amo nama ima.” Amo liligi e da Da: imama i. Amalalu, ela da gilisili golai, amola Da: ima da abula agui ba: i.
Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan’ anaka taminy ravehivavy.
19 Da: ima da ea diasuga asili, ea abula sawa: figisu fadegale, ea didalo eboboi abula bu sali.
Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena indray.
20 Yuda da goudi iasima: ne, amola ea liligi i amo Da: imama bu samogema: ne, ea na: iyado Hila amo asunasi. Be Hila da hogoi helele, amo uda hame ba: i.
Dia nampitondrain’ i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak’ osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
21 E da Ina: ime dunu ilima amane adole ba: i, “Aie heda: i uda amo da logo bega: esalu, amo da habila: ?” Ilia bu adole i, “Guiguda: da aie heda: i uda hamedafa esalu.”
Dia nanontany ny olona teo amin’ ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
22 E da Yudama buhagili amane sia: i, “Na da hogoi helele hame ba: i. Moilai dunu da aie heda: i uda hamedafa esalu sia: i.”
Dia niverina tany amin’ i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain’ ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
23 Yuda da amane sia: i, “Defea! Mae dawa: ma! E da na liligi lamu da defea. Dunu eno da ninima oufesega: mu da defea hame. Na da ema bidi imunusa: dawa: i galu. Be di da e hame ba: i.”
Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak’ osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
24 Oubi udiana asili, dunu afae da Yudama amane sia: i, “Dia awa Da: ima da wadela: le hamoi. E da wali abula agui ba: sa.” Yuda da amane sia: i, “E gadili oule asili, bogoma: ne laluga ulugagima.”
Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin’ i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan’ anaka tamin’ ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
25 Ilia da e gadili gaguli asili, e da ea awa Yuda ema sia: adole iasi, “Amo liligi amo gobele ga: su, ea efe amola dagulu ba: ma! Amo liligi ea eda amo hamoiba: le na da abula agui ba: sa.”
Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin’ ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon’ ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon’ ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
26 Yuda da amo liligi da ea liligi dawa: i galu. E amane sia: i, “Dafawane! Ea hou da defea. Nisu da wadela: le hamoi. Na gofe Sila amo e lama: ne sia: mu da defea galu.” Amalalu, Yuda da Da: imama bu hamedafa gilisili golai.
Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’ i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
27 Ea mano lamu eso da doaga: loba, e da mano aduna lamu agoane ba: i.
Ary tamin’ ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
28 E da mano lalaloba, mano afae da ea lobo gadili ligiagai. Mano lasu fidisu uda da amoga yoi efe la: gili amane sia: i, “Amo da magobo lalelegei.”
Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan’ ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin’ ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
29 Be e da ea lobo bu hiougia ganone amola ea na: iyado da magobo lalelegei. Amalalu, mano lasu fidisu uda da amane sia: i, “Di da agoane gadili bosona asi!” Amaiba: le, ilia da ema Bilese (gadili bosona ahoa) dio asuli.
Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
30 Amalalu, ea eya amo ea lobo da haliga: me efe la: gi, amo da lalelegei. Ilia da ema dio amo Sila (eso mabe haliga: i ba: sa) asuli.
Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin’ ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.

< Mui 38 >