< Isaías 39 >
1 En ese momento, Merodac-baladán, hijo de Baladán, rey de Babilonia, envió cartas con una ofrenda a Ezequías, porque tenía noticias de que Ezequías había estado enfermo y estaba bien de nuevo.
Tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Merodaka-baladana, zanak’ i Baladana, mpanjakan’ i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’ i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
2 Y se alegró Ezequías de su venida, y les permitió ver toda su reserva de riquezas, la plata y el oro y las especias y el aceite, y toda la casa de sus armas, y todo lo que había en sus tiendas; no había nada en toda su casa o su reino que él no les mostrara.
Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.
3 Entonces el profeta Isaías vino al rey Ezequías y le dijo: ¿Qué dijeron estos hombres y de dónde vinieron? Y Ezequías dijo: Vinieron de un país lejano, incluso de Babilonia.
Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
4 Y él dijo: ¿Qué han visto en tu casa? Y Ezequías respondió: “Ellos vieron todo en mi casa; no hay nada entre mis tiendas que no les deje ver”.
Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin’ ny firaketako rehetra.
5 Entonces Isaías dijo a Ezequías: Escucha la palabra del Señor de los ejércitos:
Ary hoy Isaia tamin’ i Hezekia: Henoy ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro:
6 En verdad, vendrán días cuando todo lo que hay en tu casa, y lo que tus padres hayan guardado hasta el día de hoy, se lo llevarán a Babilonia; no quedará aquí nada.
Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
7 Y a tus hijos, tu descendencia, se los llevarán a ser siervos los castraran en la casa del rey de Babilonia.
Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ i Babylona ireo.
8 Entonces Ezequías dijo a Isaías: La palabra del Señor que has dicho es buena. Y dijo en su corazón: Habrá paz y tranquilidad en mis días.
Dia hoy Hezekia tamin’ Isaia: Tsara ny tenin’ i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ ny androko handry fahizay.